]
Les quotidiens du 05 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antananarivo. Andro Afrikana ho Fampiroboroboana ny Indostria 2015

Antananarivo. Andro Afrikana ho Fampiroboroboana ny Indostria 2015

Fampitam-baovao

CARLTON - 20 novambra 2015

Nankalaza tamin’ny fomba ofisialy ny Andro Afrikanina ho Fampiroboroboana ny Indostria, toy ny firenena Afrikanina rehetra i Madagasikara ny 20 novambra 2015,. Ny loha-hevitry ny fankalazana dia « Ny fampiroboroboana ny Orin’asa Madinika sy Salantsalany hiandiana amin’ny fahantrana sy hamoronana asa ho an’ny Vehivavy sy ny tanora ». Ny lanonana dia teo ambany fiahian’ny Filoha-pirenena sy ny Mpiraiministra, lehiben’ny Governemanta. Tonga nitarika ny lanonana ny Minisi-panjakana miadidy ny Fandaharan’asan’ny Prezidansa sy ny Fanajariana ny Tany, Andriamatoa Rivo RAKOTOVAO. Nampitsiahiviny tamin’ny lahateniny fa isan’ny ezakin’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny hanohanana Indostria matanjaka, ary efa voafaritra ao amin’ny teboka faha-3 ny drafitra nasionalin’ny fampandrosoana na ny PND 2015-2019, ary isan’ny laharam-pahamehan’ny governemanta ny fanohanana ny vehivavy sy ny tanora.

Fanoitry ny fampandrosoana maharitra ny Indostria tohanan’ny fampiofanana sy fanabeazana ny vehivavy sy ny tanora

Ny solotenan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fampiroboroboana ny Indostria na ny ONUDI eto Madagasikara, Ramatoa Lorence ANSERMET no nitondra ny tenin’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena mikambana, Andriamatoa Ban Ki-moon sy ny Tale Jeneralin’ny ONUDI eran-tany, Andriamatoa Li Yong , izay samy nanitrikitrika fa mba ho fampiroboroboana ny indostria, dia tokony hanohana ny sehatra tsy miankina mirona amin’ny fiharian-karena mahomby sy ny fampiofanana sy fanabeazana ny vehivavy sy ny ankizy i Afrika. Ny solotenan’ny Fandaharan’asa alemana Friedrich Ebert Stiftung na FES eto Madagasikara kosa dia nampahatsiahy fa faniotry ny fampandrsosoana maharitra ny Indostria ary manohana ny ezak’I Madagasikara mba hananany sehatra indostria matanjaka, mavitrika ary mpanome asa mendrika ny FES.

Ny sehatra tsy miankina nanome voninahitra

Tonga nanome voninahitra ny tompon’andraikitra rehetra ny sampandraharaha ara-panjakana voakasika mivantana na ankolaka tamin’ny fampiroboroboana ny Indostria, indrindra koa ny avy amin’ny sehatra tsy miakina, isan’izany ny avy amin’ny Sindikan’ny Indostria Malagasy (SIM), ny Fivondronan’ireo Orin’asa afakaba (GEFP), ny Fivondronan’ireo Orin’asa Eto Madagasikara (GEM), ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy (FIVMPAMA), ny Fivondronan’ireo Mpandraharaha vehivavy ato amin’ny ranomasim-be Indiana (EFOI), sy ireo solotenan’ny fikambanana miara-miasa amin’ny tanora sy ny vehivavy.

Hivoaka tsy ho ela ny ny lalana vaovao mikasika ny fampiroboroboana ny indostria

Nampahafantarina ampahibemaso sy niadian-kevitra nandritra io andro io ihany koa ny «drafitra voalohany ny volavolan-dalana mikasika ny fampiroboroboana ny indostria», izay mifandraika amin’ny fanatanterahana ny politikan’ny fampiroboroboana ny Indostria efa notapahin’ny rehetra ny taona 2014.

Mila fanamafisana ny tontolo fampiroboroboana ny Fandraharahana

Niadian-kevitra ihany koa ny tokony hanamafisana ny tontolo fampiroboroboana ny fandraharahana ho an’ny vehivavy sy ny tanora. Isan’ny nampahafantarina nandritra ny fankalazana ny ezaka efa atao:

i) toa ny fampidirana ny fitaizana amin’ny toetsaina fandraharahana amin’ny fanabezana any antsekoly ho an’ny ankizy malagasy,

ii) ny fifaninanana karakarain’ny Total Madagascar ho an’ny tanora malagasy ho sahy hanorina orin’asa « STARTUPPER de l’ANNEE »

iii) ary ny tetik’asa fametrahana « Tranon’ny fandraharahana » hotanerahin’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy miankina. Niara-niombon’antoka tamin’ny Minisiteran’ny Indostria tamin’ny fankalazana ny ONUDI sy ny FES na ny « Friedrich Ebert Stiftung».


Mis Ă  jour ( Vendredi, 20 Novembre 2015 12:16 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...