Volana maromaro izay dia tsy mitsahatra maneho hevitra ny sehatra isa-tsokajiny na fikambanana io na antoko politika io, manoloana ny toe-java mitranga iainanâny vahoaka ankehitriny. Mahatsapa mantsy ny ankamaroanâny mponina fa dia tafalatsaka lalina tokoa eo aminâny fahasahiranana, hany ka maro ireo mikaikaika, mila tsy ahita ny handehanâny tongotra intsony; sasany aza noho ny fahantrana mianjady aminy, dia zary mivarotra fanana mihitsy; ny vidim-bary tsy mitsaha-miakatra na dia taminâity herinandro ity aza mba nisy fidinany kely ho ariary 100. Ny ankoatra io moa dia efa saika mijanona hatreo aminâny nampiakaranâny mpivarotra azy raha tsy hilaza ny hena sy ny saran-dĂ lana sasantsasany. Ity farany ity aza moa dia ahiana indray ny mety fiakaranâny saran-dĂ lana manoloana ny fiakaranâny vidinâny solika farany, izay niakatra ho 40 ariary ny gasoil ary 30 ariary ny lasantsy. Ireo mpitsinjara solika sasany izay nanontaniana dia mitatitra fa mbola hisy hatrany ny fiakaranâny vidinâny solika eto amintsika, mandram-pahatonganâny faranâny taona. Santionanâny zava-misy izay mitranga eto aminâny firenena ireo. Tsy lazaina intsony ny tsy fandriampahalemana, ny fitsaram-bahoaka. Ary dia saika mamoaka fanambarana avokoa ny rehetra manoloana ireo rehetra ireo.
Namoaka fanambarana androany (04/05/2017) ny antoko MARINA na ny MAnapa-kevitRa Iombonana ho anâny FampandrosoanA, izay tarihinâAndriamatoa RANAIVOSON Jean DĂ©sirĂ©. Fanambarana izay miantefa indrindra any aminâireo mpitondra eto Madagasikara. Navoitra taminâizany ary fa ny antoko MARINA dia tsy mitsahatra manara-maso sy mandinika ny fiainam-pirenena ary mikaroka hatrany izay hahasoa ny Tanindrazana sy ny taranaka Malagasy.
« Raha nanao fifampiarahabana tratry ny taona izahay », hoy ihany ny mpandrindra nasionaly ny antoko MARINA, ny 16 Febroary 2017, « dia nametraka fanamarihana maromaro ary nanaitra ny fitondram-panjakana ny aminâny lafin-javatra samihafa tsy mandeha ka mila harenina sy hahitsy mahakasika ny fiainanâny vahoaka mivantana sy ny fitantanana ny firenena ». Roa volana sy tapany aty aoriana, mahatsapa ny antoko MARINA fa tsy mbola tsapa sy hitanâny vahoaka ny vokatra nandrasana taminâny fitondram-panjakana. Noho izany dia mitatitra indray ny antoko MARINA fa :
1°- Raha nitaky ny Antoko MARINA hoe : « Avereno aminâny laoniny ny vidim-bary izay 1600 Ar teo aloha, kanefa tafakatra 2000 Ar na mihoatra izany mihitsy ankehitriny. Dia toy ny antso anâefitra izany satria ny tomponandraikitra ao aminâny fitondrana mihitsy no nanambara fa tsy misy antony tokony hampiakatra ny vidim-bary. Midika izany fa tsy laharampahamehana ho anâny fitondrana ny olana ara-bary. Ny vary anefa no fototrainâny Malagasy, koa raha fitondrana tsy hahavaha olana aminâizany dia fitondrana tsy mahomby, tsisy vidiny sy very hasina aminâny vahoaka Malagasy. Noho izany dia mamerina sy manamafy ny antso efa nataonay izahay: Avereno aminâny laoniny aminâny fomba rehetra io vidim-bary io izay mendrika famonoana ankolaka ny vahoaka madinika. Ataovy ny fanadihadihana, sazio izay mpanararaotra ».
2°- « Ny fanjakana tsy hanana-kavana, ny fanjakana tsy hanana olon-tiana ». Ireo no soatoavina Malagasy ilaina ananana raha tena hiady marina aminâny kolikoly avo lenta sy ny fanodikodinana volam-bahoaka isika. Tsapanâny vahoaka tokoa mantsy fa rehefa ny madinika no tratra, toa tsy misy alaharo alaharo fa raha ny vaventy kosa dia voaaro ankolaka ka tonga aminâny fitenenana hoe: « Rehefa ny lehibe no maka dia manandran-tsira, fa raha ny madinika no maka dia mangalam-pihinana ». Tatavaninareo ny moka fa atelinareo ny rameva, hoy ny Baiboly. Ny Antoko MARINA dia manohitra tanteraka ny fitsabahanâny olom-panjakana mivantana na ankolaka hiarovana olona manokana voakasika ny kolikoly avo lenta, ary mitaky ny hirosoana lalindalina hatrany aminâizany ady aminâny kolikoly izany, tsy asiana an-kanavaka. Miantso ny vahoaka Malagasy handinika tsara aminâizay ary hanao safidy ka hitsipaka ny mpanao kolikoly sy ny namany fa hitodika aminâny marina hanavotana ny firenena ».
3°- Ny antoko MARINA dia nitaky fepetra maromaro aminâny fifidianana izay ho avy, ary singanina sy anterina etoana ireto lafiny ireto:
- Ny sefo fokontany dia tokony olona voafidim-bahoaka mivantana ary izy no hiandraiktra ny fandrafetana ny lisim-pifidianana eny ifotony. Tsy mbola natao izany hatraminâizao; ny fandrafetana ny lisi-pifidianana anefa efa mandeha, tsy nisy âagents Ă©lectorauxâ nandeha kanefa dia niakatra be ny isanâny mpifidy voasoratra anarana.
- Mitaky ny hanaovana fifidanana ny sefo fokontany ny antoko MARINA, tsy andaniana vola be rahateo ny fanaovanâizany fa finiavana politika no ilaina.
- Maro ny fanankianana momba ny âbulletin uniqueâ nandritra ny dinika hanatsarana ny lalam-pifidianana, satria mora ny angalaram-bato izany ka tokony hanana vato manokana toy ny teo aloha ny kandida tsirairay.
- Mila mazava ny datim-pifidianana. Any aminâny firenena hafa aza dia fantatra roa taona mialoha ny datinâny fifidianana. Aminâizao anefa tsy hita manangasanga izany daty izany hiomananâny vahoaka sy ny mpisehatra politika. Raha ny Lalampanorenana sy ny lalam-pifidianana mantsy no arahina dia misy ny zavatra tsy azo ampiarahana satria raha 30 ka hatraminâny 60 andro mialoha ny fiafaranâny fe-potoam-piasanâny Filoha no tokony hatao ny fifidianana fiodinana voalohany dia hitontona aminâny vanimpotoana ny orana izay tsy tokony hanaovana fifidianana izany. Ankoatra izay, miaraka tapitra ny fe-potoanam-piasanâny Filoham-pirenena sy ny solombavabahoaka.
Tsy tokony hampiarahana intsony anefa ireo fifidianana roa ireo, satria efa hita ny lafiny naharatsy azy. Noho izany raha tsy mbola hamoaka daty ny tomponandraikitra mifanandrify aminâizany, dia mandroso soso-kevitra ny antoko MARINA ka toy izao izany :
Tsara kokoa raha aroso Alahady 06 mey 2018 ny fifidianana filohampirenena fiodinana voalohany; ny Alahady 01 jolay 2018 ny fiodinana faharoa. Aminâizay fotoana izay dia hanana filoham-pirenena vaovao isika ny volana Aogositra 2018. Ao anatinâny telo volana manaraka kosa ny fifidianana solom-bavabahoaka; dia ho vita ny taona 2018 avokoa ny fifidianana tokony atao.
Araka izany dia io no fanambarana nataonâity antoko Marina ity noheveriny fa tsara ho aminâizay fifidianana izay. Nitatitra moa ny mpandrindra nasionaly ny antoko MARINA dia teny atsipy ao am-ponâny mahalala ny soso-kevitra narosony, ka anjaranâny mpitondra no mihevitra izay tokony atao. Nitatitra ihany koa izireo fa tsy ho antso anâefitra ny fanairana nataony .
RAKOTONIRAINY Andry