]
Les quotidiens du 25 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Olivier Mahafaly. Niaiky fa misy tomponandraikim-panjakana ao anatin’ny tambazotran’ny asa ratsy

Olivier Mahafaly. Niaiky fa misy tomponandraikim-panjakana ao anatin’ny tambazotran’ny asa ratsy

Ny Praiminisitra sy minisitry ny Ati-tany Olivier Mahafaly


Lapam-panjakana Mahazoarivo, 15 Mey 2017. Niaiky ny Praiminisitra Olivier Mahafaly fa misy tomponandraikim-panjakana ao anatin’ ny tambazotran’ny asa ratsy, indrindra ny fangalarana ny lavanila eto Madagasikara, ary manao izay hazahoany tombontsoany manokana ireo tompon’andraikitra ireo. Tsikaritra tokoa fa isakin’ny misy fotoana akaiky amin’ny fahavokaran’ity lavanila ity, dia misy hatrany ny olona izay mitondra takaitra, ny ankamaroan’izy ireny dia ireo tantsaha mpamokatra azy ity. Na maty na ihany koa maratra noho izay fiarovana ny fananan’izy ireo izay. Ao koa anefa ireo izay manaratsy ny kalitaon’ity vokatra ity, ka mbola tsy masaka tsara sy tsy amin’ny fotoany dia efa misy sahady ny mioty izany. Ny halatra moa no tena maro, saingy tsy hita izay vokatra azo eo amin’ny fanadihadihana rehefa misy ny tratra amin’ireo mpanao ratsy. Dia saika toy izany hatrany no mitranga isan-taona any amin’ireny toerana fahavokaran’ity vokatra iray ity. Ny lavanila rahateo dia anisan’ireo vokatra izay be mpitady tokoa indrindra fa ny any ivelany, ary eo ny vidiny izay ambony dia ambony tokoa. Araka ny fanazavana nataon’ny olomboafidy any  amin’ny faritra mamokatra azy ity, dia any amin’ny 1.200.000 Ariary ny kilao ny lavanila. Indraindray aza dia tafakatra mihoatra izay arakakaraka ny hatsaran’ny kalitao. Sehatra fifaninana aram-barotra moa izy ity, hany ka mandeha daholo ny hafetsena rehetra haniliana ny mpamokatra hafa. Ny sasany indray dia manararaotra ireo mpamokatra tsy mahita ny lalàm-barotra ka dia mividy izany amin’ny vidiny ambany dia ambany. Iny indray avy eo no amidy lafo any ivelany. Raha zohina dia maro ireo mpamokatra ity lavanila  ity no tsy dia mahita mangirana loatra amin’ny fanondranana fa saika ireo efa mpanam-bola sy manàna ny lalam-barotra no mahazo  vahana.

SAZIANA FARANY IZAY HENJANA IREO MANAO TSY METY

Noho zava-mitranga tato ato momba ny tsy fandriampahalemana ankapobeny, indrindra ny resaka halatra sy vono olona, ka mahatonga ny sarambabem-bahoaka tsy mametraka fitokisana amin’ny mpitondra, anao fitsaram-bahoaka, dia nanatanteraka fivoriana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Praiminisitra niaraka tamin’ny mpikambana vitsivitsy ao amin’ny Gouvernemanta, izay saika tao avokoa ireo  minisitra voakasika ity fandriampahalemana.

Navoitran’ny Praiminisitra Olivier Mahafaly Rasosolonandrasana fa :

“Ity fivoriana tsy ara-potoana ataon’ny minisitra vitsivitsy ity dia tafiditra amin’ny  ezaka atao amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, indrindra fa mahakasika ny herisetra momba ny halatra lavanila. Betsaka ny fanakianana izay ataon’ny olo-tsotra, ny mpanao politika ary hita fa mitombona izany, ary izay mety ho ahiahy. Ka famaliana izay ahiahy izay indrindra no anton’ity fivoriana maika ity ka hamahana ny olana manoloana ny herisetra sy ny vonon’olona, ratra aterakin’ny halatra lavanila ary ny fivarotana azy antsokosoko”.

Maro ny antony mahatonga izany, ary ny mampalahelo, hoy ihany ny Praiminisitra, dia misy ny tompon’andraikitra ara-panjakana isan-tsokajiny, any amin’ity fahavokarana lavanila ity izay tafiditra ao anatin’ny firaisana tsikombakomba amin’ny halatra.


Manoloana izay indrindra dia nisy fanampahan-kevitra noraisina, ka izay tratra sy hananana porofo mazava fa miray tendro na voasaringotra amin’ity raharaha ity dia hisy fampiarana ny sazy ho azy ireny.

Tsy ny halatra lavanila ihany no misy fa eo koa ny tsy fanarahana ny lalàna momba ny fotoana tokony hivarotana ity lavanila ity. Efa misy moa ny didy izay mamaritra ny fotoana hiotazana azy io ary mandeha araka ny faritra sy fotoana mahamasaka ny lavanila  izany. Ny zava-mitranga nefa dia misy ny mioty azy ity alohan’ny fotoana, izany hoe mbola tsy masaka tsara dia efa misy mivarotra izany. Ny tantsaha moa dia fadiranovana mihitsy noho ity halatra ity: ao ny matory any an-tsaha mihitsy miandry izany ary mandry anjiran’antsy vokatr’izany, noho ireo mpangalatra izay tsy mangalatra fotsiny ihany fa ao koa ny mamono ny  tompon’ny lavanila.

Noho ireo rehetra ireo dia maro ny tsy maintsy harenina sy andraisana andraikitra. Koa nanambara ary ny Praiminisitra fa tsy handefitra intsony ny fitondram-panjakana fa hampiharina ny lalàna. Hidina any an-toerana ihany koa ny Praiminisitra sy ny Gouvernemanta hijery akaiky sy hampafantatra ity lalàna ny  fivarotana lavanila ity. Hametraka ihany koa ny dina hifampifehezana ary ny fisavana karatra  satria maro ireo tsy manana taratasy ara-dalàna kanefa manao asan’ny fandraharahana ny lavanila any amin’ireny toerana ireny.

Tafiditra tamin’ny resaka nodinihina tamin’io fivoriana tsy ara-potoana ihany koa ny mikasika ny raharaha fangalana an-keriny izay miseho lany tato ho ato: “Betsaka ny anton’ireny fa ny hany andraikitry ny fitondram-panjakana dia ny miady ary misoroka ny fakàna an-keriny, ary mitady ny fomba rehetra hahatrarana ireo tambazotra mahatonga izany. Ho hita tsy ho ela ny vokatry ny fakàna an-keriny ny zanaky ny tompon’ny orinasa Socolait”.

Dia ho hita eo indray izany hoe hatraiza tokoa ireo fepetra ireo no hisy fiantraikany. Ny tsy azo adino mantsy dia maro anie izay raharaha tsy nahitana tohiny izay e! Indrindra fa rehefa ny olona akaikin'ity fitondrana ity no tafiditra. Tsy misy ohatra omena eto fa samia mahatsiaro sy mahatadidy...

RAKOTONIRAINY Andry

Mis à jour ( Mardi, 16 Mai 2017 08:34 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024