]
Les quotidiens du 04 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Ankazobe RN4. Ao anatin’ireto vidéos ireto ny antony nahatonga ny loza mahatsiravina

Ankazobe RN4. Ao anatin’ireto vidéos ireto ny antony nahatonga ny loza mahatsiravina

Izahay eto aminy madagate.org dia efa 16 taona izao no manao ny Tantaram-pirenena fa tsy manao tantara mitohy na tantara valamaty akory. Ny tranga omaly dia efa tantara ho any rahampitso. Firenena tsy manana tantara dia tsy firenena indrindra raha tena manao fanahy iniana mihitsy ny mpitondra sendra mandalo mody manadino ny zava-nisy sy niseho.

F'inona koa moa ny zava-niseho tamin'io andro io ihany (ETO)?

Ohatra iray ity: teo ambony n’inona moa ity filoha Hery Rajaonarimampianina ity ny nanao finianana, ny 25 Janoary 2014 fa filoha voalohan’ny repoblikan’ny Madagasiraka faha-4? Sady nitsahany sy mbola itsahany ny Lalampanorenena ny any koa adinony ny daty nahaterahan’io repoblika faha-4 io. Aiza no handeha amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena? Ny loza mbola nitranga koa dia nankalazainy toa «anniversaire» indray ny datin’ny 29 Marsa 2014, nefa andro fisaonana no tokony ho izy. Marina mafy e ! Io ambany io ny sary manaporofo izany:


Soa fa akaiky ny 2018… Izany no voalaza ka andaho amin’izay hitodika amin’ny tranga niseho vao tsy ela teny amin’ny lalampirenena faha-4 mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga.

Io izany atao hoe fiara "Boeing" misy rihana izany, mahazaka olona mihoatra ny zato eto Madagasikara, ary efa tamin'ny taona 2007 no nampiasaina teto

Lozam-pifamovoizana, alin'ny 31 Jolay hifoha 1 Aogositra 2017. Rehefa tonga ny patsa be tsy omby vavy eo amin'ny fiainan'ny zanakolombelona dia tsy maintsy misy foana ireo devoly manimba tena sy ny tontolom-piainan'ny Malagasy amina fomba fiteny sy fomba fijery mampiseho fa tena ny fahavalon'ny Malagasy dia Malagasy toa azy ihany.

Sarina isatra mandeha amin’ny rano («freins hydrauliques»). "Freins pneumatiques" kosa izy raha mandeha amin'ny rivotra. Matoa tsy tafajanona ilay fiarabe ka nihemotra, dia tsy nisy tokoa ny rano mampandeha ireo rehetra ambony ireo fa tsy hoe ny tsy fahaizan'ilay mpamily loatra no antony. Ny dikany: nisy zavatra ara-teknika tsy nazava ao, taorian'ny nialany avy tao Soavinandriana any Itasy

Fa iray amin’ireto olona miteny ao anatin’ireo vidéos eo ambony ireo ihany no tena milaza ny antony marina nahatonga iny loza nahatsiravina tao Ankazobe iny. Ireo mpitondra fiara vaventy («camions») mitarika «remorque» dia mahalala tsara ny isatra mandeha amin’ny rano («freins hydrauliques»). Ny sasany moa, zarany aza nahazo «micro» anaratsiana ny mpiray tanindrazana (ara-baki-teny) aminy.


Tsotra ny fehin’izany toe-javatra rehetra izany: tsy mila mifamaly aminy fa mivavaha ho azy satria mbola hifanatrika an-drafahafatesana na ho ela na ho aingana. Eny, na izaho na ianao mamaky io aza. Fa ireo mirediredy ireo dia tsy hisy na iray aza hahatsiaro akory.

Anaran'ireo nentina tany amin'ny hopitaly nomena fitsaboana. Efa nody daholo ny ankamaroany. Fa mpandeha miisa 22 avy ao Soavinandriana, any Itasy, no namoy ny ainy


************


************


************

Mikasika ny mpitondra manokana indray moa dia ity manaraka ity ny momba azy ary tsy ho voakosoky ny lainga tsara lahatra any aoriana any satria tsy misy mpitondra ho eo mandra-maty eto ambanin’ny masoandro.


Jeannot Ramambazafy – 02/03 Aogositra 2017

Mis à jour ( Lundi, 07 Août 2017 08:31 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...