TSINDRIO ETO RAHA HAMAKY IO AMBONY IO
Novambra. Volana vaovao, fanajĂ na ny tenin-drazana avy aty amiko. Be tokoa ireo resaka mikasika sy manodidina ny namarotana ny tany misy ilay hoe «Villa Elisabeth» nipetrahanâny filoha teo aloha, Pr Zafy Albert, ary tokony mbola hipetrahanâny vadiny.
N'inona n'inona filaza, n'iza n'iza no be lazao nefa, dia tsy mendrika ho ana firenena iray «mahaleotena» («indĂ©pendant»), manana fiandrianam-pirenena («SouverainetĂ© nationale»), ny mivaro-barotra ny fananany izay vakoka («patrimoine») eo amin'ny lafin'ny Tantara sy Kolotsaina. Mpamadika tanindrazana ingahy Reboza Julien, tomponâandraiki-panjakana nanao sonia, sy Herilanja Gerald Ramangasoavina, filoha mpanorina izany orinasa «Madaterrain 0321» (fa tsy Madame Perrin) nahasahy «nividy» ilay tany ary nekenâilay voalohany. Taty aoriana indray dia namidiny amina olo-kafa ka tsy hita ao anaty tatarasy intsony fa fananam-panjakana («Domaine de lâĂtat») ilay tany namidy. Tena tokony hiditra an-tsehatra ny Bianco satria resaka masiso sy mantsina be no ao ambadikâizany raharaha izany.
Ka samy handre izay ho tohiny isika mianakavy aoriana ao, fa androany aloha dia resaka kolotsaina sy harena no ho resahiko eto. Inona moa ny nahatonga io trano io hoe «Villa Elisabeth» ary inona ny antony tokony tsy hitikitihina azy mihitsy fa arovana aza no tena tokony atao? Mahavariana aloha fa dia volana Oktobra 2017 no nipoiranâio raharaha sady manahirana no mahamenatra io, ho anâny vahoaka malagasy iray manontolo. Araho anie ny tantara e!
23 Oktobra 1817. Io andro io no nanaovanâi Robert Townsend Farquhar, Governora anglisy ao aminâny Nosy Maurice, sy Radama I, zanaky ny Mpanjaka Andrianampoinimerina, sonia fifanarahana voalohany anglisy-malagasy na «Premier traitĂ© britannico-malgache». Nanomboka teo dia nomena ny anarana hoe Mpanjakanâi Madagasikara i Radama I. Tsy hidiran-tsika lalina eto ireo fifanarahana, fa tsara ho tadidy ny hoe: efa taminâizany fotoana izany dia nisy Anglisy monina teto Madagasikara. Tsy adino koa fâefa taminâny volana Aogositra 1818 no nigadona teto ny L.M.S. (London Missionary Society) notarihin-dry David Jones sy Thomas Bevan. Tera-tany anglisy ireo, mazava ho azy. Ary ny taona 1820 dia nisy Malagasy nalefa tany Londres, natao hoe masoivoho mandehandeha («ambassadeurs itinĂ©rants»).
Rehefa voazanaka ny firenena malagasy, nanomboka ny volana Aogositra 1896, dia teto foana ireo Anglisy ireo, tsy niditra mihitsy taminâny fomba fitantananâireo Frantsay ny tany sy fanjakana izay lasa fanananâi Lafrantsa tanteraka. Fa vitsy aminareo mpamaky no mahalala fa nisy anie izany hoe «OpĂ©ration Ironclad» izany teto Madagasikara e! Tsy sarimihetsika mihitsy izy fa anarana miafina ara-miaramila nilazana ny fahatongavana ireo miaramila anglisy nanafika ity «colonie française» ity tao Toamasina sy Antsiranana, teo anelanelanâny volana May sy Novambra 1942. Taminâizany fotoana izany mantsy dia teo ambaninâny fahefanâi Vichy tarihinâny Maresaly Philippe PĂ©tain, izay niaraka taminâireo AlemĂ sy Japoney, ny governemanta frantsay (Ny Japon dia nandefa ny sambo misitrika (« sous-marins ») I-10, I-16 sy I-20, tao Antsiranana, ny 29 May 1942). Taminâizany fotoana izany nisy ihany koa ny hoe «France Libre» (Lafrantsa afaka) notarihinâny Jeneraly Charles de Gaulle avy ao Londres.
Nisy ny maty tao ny naratra. Frantsay: 150 maty, 500 naratra. Anglisy: 107 maty, 280 naratra. Ny tsara tadidy dia niady ho anâny «fahafahanâ» i Madagasikara eo anatrehinâny AlemĂ sy ny Japoney ny Anglisy. Ny 8 Novambra 1942 dia nilavo lefona ny governora frantsay, Armand Annet, tao Ambalavao (Faritaninâi Fianarantsoa aminâizao fotoana izao). Nitsahatra ny ady ka 1200 ny miaramila Frantsay voasambotra. Vita teo ilay hoe «OpĂ©ration Ironclad» fantatra koa, eo aminâny lafinâny Tantara, aminâny anarana hoe «Bataille de Madagascar» na koa «Bataille de Diego-Suarez». Ary ao Antsiranana (Diego Suarez taloha) no misy ilay fasana anglisy na «CimetiĂšre militaire anglais». Ao no milevina ireo miaramila rehetra maty teto Madagasikara, ka tafiditra ao aminâny Commonwealth (fikambananâny tany miteny anglisy eo ambanâny fahefanâny Mpanjakanâny Angletera): Anglisy 166, Aostralianina 1, Afrikana atsimo 10, Afrikana atsinanana 132, Nosy Maurice 5, avy any Belgique 1. Tsara kolokolo io fasana io ary manana ny boky volamenany mihitsy. Maro ny mpizahan-tany mitsidika azy.
Izany, Tompoko, ny anâny olona: tsy fafany mihitsy ny Tantarany, eny na dia lavitry ny Tanindrazany aza no niseho ny tranga nahakasika azy nivantana. Ny vazaha moa mahay mifanaraka foana, ka dia nijanona zanatany frantsay i Madagasikara sy ny mponina rehetra ao aminy hatreo. Ny 6 Febroary 1952 dia nodimandry ny Mpanjakanâi Angletera, George VI. Tsy nanan-janaka lahy izy fa vavy roa: Elisabeth sy Margaret. Satria moa Elisabeth no zokiny dia izy no nandimby ny rainy nanomboka io 6 Febroary 1952. Ny any moa tsy lany andro mitoritoreo fa mivatana: Maty ny Mpanjaka, ho ela velona ny Mpanjaka vavy («Le Roi est mort, vive la Reine»). Ny Talata 2 Jona 1953, tao aminâny Abbaye ao Westminster, no andro natokana ho andro hametrahana ny satrom-boninahiny («Sacre» na «Couronnement») ka ho lasa Elisabeth II, Mpanjakavinâny Angletera feno izy. Izany hoe 15 volana taorianâny nahalasanâny rainy.
Io anarana io no nanomezanâireo Anglisy monina tao Alarobia-Ivandry ny anaranâny trano nipetrahany. Ary nanomboka teo dia lasa «Villa Elisabeth» io trano io. Elizabeth ny fanoratana azy aminâny teny anglisy. Rehefa niverina ny fahaleovantenanâi Madagasikara (26 Jona 1960) dia niala tao ireo Anglisy fa ny anarana nijanona. Ary dia natao ipetrahanâireo minisitry ny raharaham-bahiny malagasy. Tsarovy fa ho fanajĂ na ny fifanarahana taminâny andronâny Mpanjaka Radama I -izay notohizanâny Mpanjakavavy Ranavalona I- dia nisy Malagasy nalefa tany Londres, ka anisanâizany ry Andriantsitohaina, Andriantseheno sy Ramanakoraisina, ny taona 1836. Ary dia noraisinâny Mpanjaka Guillaume IV sy ny vadiny, AdĂ©laĂŻde, tao aminâny lapanâi Saint-James ary koa Windsor izy ireo, ny volana Febroary 1837. Izany hoe, nanana ny fiandrianany tanteraka i Madagasikara satria nekenâny firenena lehibe any ivelany, taminâizany fotoana izany: AmĂ©rique du Nord, Allemagne, France, Italie ary Angleterre izany. Io no toa mbola tadiavinâny filoha Hery Rajaonarimampianina hatraminâizao. Toa tsy mahalala ny tantaranâny fireneny mihitsy ingahy io an!
Raha hiverenako kely io resaka masoivoho mandehandeha («ambassadeurs itinĂ©rants») io, dia mino aho fa vitsy ianareo aminâizao vaninandro izao ny mahalala fa in-dimy no nisy Malagasy nalefa ivelanâi Madagasikara, talohanâny fanjanahantany. Taminâny andronâi Mpanjaka Radama I (1820); taminâny andronâny Mpanjakavavy Ranavalona I (1836); taminâny andronâny Mpanjaka Radama II (1862); taminâny andronâny Mpanjakavavy Rasoherina (1863) ary taminâny andronâny Mpanjakavavy, Ranavalona II (1882). Tena nanana ny naha-izy azy tokoa izany hoe Madagasikara izany.
Izany rehetra izany indrindra no nahatonga ny Prinsesy Anne, zanaka vavy tokanâny Mpanjakavavy Elisabeth II tonga teto Antananarivo, ho fahatsiarovana izany fifanarahana efa 200 taona lasa izay. Ary nigadona teto tokoa izy sy ny vadiny, taminâny datinâny 23 Oktobra 2017. Ary dia nisy ny fotoam-pivavahana fangatahana fitahiana ny ampitsony, teny Ambohimanoro. Averiko, tsy maninona satria mamerina in-droa manana ny antitra: izany hoe 200 taona katroka taorianâny nanaovana sonia ny fifanarahana voalohany taminâny andronâny Mpanjaka Radama I. Fa dia naninona loatra re ireto Malagasy tsy valahara ireto no namoa fady, namoa-doza re e? Aminâizay taorianâny nalahasalanâny Profesora Zafy Albert mihitsy.
Dia tonga hatraminâny hoe: ny tany no namidy fa tsy ny trano. Fa aiza moa io trano io no miorona? Tsy eo ambonâio tany io? Izany hoe ho ravana io vakoka io no ny tombontsoanâolo-tokana nanome vola tsy mifanaraka akory aminâny tena lanjanâio toerana io, ara-tantara, ara-kolotsaina? Tsy nipetrapetraka ho azy tao koa anie ny fianakaviana Zafy fa nisy ny dĂ©cret n°097-575 taminâny 30 Aprily 1997, mikasika ireo filoha nitondra teo aloha sy ny vadiny, izay manome alalĂ na hanananâizy ireo tranom-panjakana ipetrahany. Taty aoriana aza nohitarina bebe kokoa ny zonâireo filoha nitondra teo aloha, eny hatrany aminâny lehibena andrim-panjakana aza. Raha fintinina dia trano hifandimbiasana manan-kasina izy io, ka tsy nisy nanana eritreritra mihitsy, na iray segondra aza, hoe hisy Malagasy tsy manjary hahavita hivarotra azy amina fomba mamoehatra tanteraka. Dia ingahy Julien Reboza izany, mpiampy anâingahy Hasimpirenena (ovay io anarana io!) Rasolomampionona.
Ny firenena tsy manana Tantara, tompoko, tsy firenena. Olona tsy misy fotony izany ny olona mipetraka ao aminy ka tsy handroso mihitsy fa viravirainâny vahiny mandrizay. Raha dinihina izany dia tsy ny vahoaka malagasy ny voahozona fa mpiray tanindrazana toa ny tena no manozona ny taranaka sy zanaka amam-para. Ny any ivelany mampiditra vola ny trano nipetrahana na mbola ipetrahana olona malaza. Ny eto Madagasikara dia fananam-panjakana izao mbola misy mahita mampiasa ny fahaizany eo aminâny lafinâny fitiavan-tena, fitiavan-kely. 59 tapitrisa iraimbilanja na 12 tapitrisa ariary! Tsy efa lany izay? Tsy mahazo fiara 4X4 vaovao akory anie izany. Ankasomparana kosa angamba e. Fa ny vokany dia io. Naverina any aminâny fanjakana ho fananany aloha io tany io. Inona tokoa moa ny «tombontsoa» azonâny vahoaka malagasy aminâizany mivarotra fananana iombonana izany aloha e? AsaâŠ
Ny andrasanâny rehetra dia ny Filoha Hery Rajaonarimampianina mihitsy no hilaza fa manomboka izao dia tsy misy ary tsy hisy intsony eto aminâny taninâi Madagasikara, fananam-panjakana, indrindra fa tany sy trano azo amidy intsony. Ary dia ho raiketina ho lalĂ na izany ho fiarovana ny vakoka ara-tantara maha firenena ny firenena iray. Fa kosa tsy atao ho fampanantenana ao anaty propagandy 2018 an! Izao dia izao no tanterahina izany fiarovana ny fanananâny Malagasy izany. Satria ny vahoaka anie no tena fanjakana e! Ny vaohaka anie no tena mibaiko fa ianareo mpanatanteraka mandalo fotsiny ihany e! Misaotra mialoha, tompoko.
Farany mba tsy ho very tadidy tanteraka. Nisy fotoana dia tao aminâio villa Elisabeth io no namolavolana mpanao gazety («formation journalistique»). Mandehana manontany anâi Vahömbey sy Christiane Ramanantsoa raha mihevitra ianareo fa mandainga aho. Fa tsy angano velively ireo voarakitra an-tsoratra ireo fa Tantara marina. Ary ny soratra mitoetra (raha mandalo ny teny).
Jeannot Ramambazafy - Lahatsoratra nivoaka tao amin'ny gazety "La Gazette de la Grande Ăźle" ny Alakamisy 02 Novambra 2017