Nanako tokoa iny resaka Rossy tsy afaka nanao fampisehoana tany Soanierana Ivongo iny. Nivoaka daholo ny horonan-tsary (videos) sy horonam-peo isan-karazany fa ny olona tena lasa «vedette» dia ilay hoe Me Tody Arnaud, solombavambahoaka voafidy tany. Isika tsy hiditra hoe antoko na vondrona antoko inona no nisy ary hisy azy aloha, fa ilay fomba fampiharany ny fahefana ananany no mahazendana.
Raha zohina ny tantara dia efa nahazo fahazoan-dalĂ na avy aminâny Benâny tanĂ na Ralaimamonjy Charles i Rossy izay nandoa ny rehetra tokony naloa ho anâny Kaominina ambanivohitrâi Soanierana Ivongo. Fa taty aoriana vao nivadika horera ilay tantara. Asa, fa toa fialonana miaro pĂŽlitika maloto no nahatonga ilay izy. Hany ka nahetsika daholo izao karazana manam-pahefana rehetra misy any. Ary voabaikony tokoa. Efa nomenâny tribonaly rariny anefa i Rossy fa e e e! Misy tokoa ny olona miaina aminâny hoe: ataoko mahalala ny anarako. Dia ahoana moa ny fomba atao aminâizany?
Dia ilay fomba hita fa tena ratsy sady mampidi-doza nefa mbola ampiharina hatraminâizao taonjatonâny vaovao eo noho eo («siĂšcle de lâinformation en temps rĂ©el») izao. Tany izy io Me Arnaud io tena niseho fa izy no tompon-tanĂ na ka na depiote mitovy aminy aza nataony ialahy imasom-bahoaka sady mbola nokasihany tĂ nana. Voarakitra ao anaty âvideosâ daholo izany rehetra izany. Fa ny tiako ahatongavana dia ity resaka fanavakavahana ity nefa samy Malagasy, samy tomponâity Madagasikara ity, nâaiza nâaiza aleha ho anâiza nâiza mizaka zom-pirenena malagasy. Ho anâingahy Tody Arnaud dia ambany kilasy i Rossy ary tsy any aminy (Soanierana Ivongo, faritaninâi Toamasina), hono, no hiseho ho inona nefa «bas quartiers» (tanĂ na ambany, iva) no mba entina sy nahavoafidy. Tsaroana fa voafidy tao aminâny boriborintany faha-4 eto Antananarivo i Paul Bert Rahasimanana na i Rossy ary solombavambahoakanâi Madagasikara izy toa ireo namany miisa 150 ao Tsimbazaza.
Tany daholo izany karazana resaka mampisara-bazana izany sy mira fanavakavahana ara-poko («racisme») mihitsy aza no heno sy hitanâny vavolombelona maro ary koa azo âvidĂ©osâ. Kanefa, rehefa injay tonga eto Antananarivo io Me Arnaud io, dia toa anjely latsaka an-tany ka lasa «zoky» indray i Rossy natao ialahy tany Soanierana Ivongo, dia lasa manaja be sy mitady marimaritra iraisana tampoka teo. Tao aminâny Viva sy Kolo Tv izany no hita sy re. Tena nanao ratsy matoa manambitamby, hoy ny mpanaraka ny tantara. Fa izao: toa ny zava-drehetra dia nisy fiantraikany ny nataony. Ary dia niaka-tsehatra ara-bakiteny ny fikambanana rehetra avy any aminâny «bas quartiers» niaro anâi Rossy: Bemiranga, Favori, VAM, ZamamiâŠ
Ny zoma 17 Novambra 2017, tonga tao aminâny kianjanâny Kanto etsy Mahamasina ny solontenanâizy ireo ary tsotra ny nangatahiny avy aminâi Me Tody Arnaud: fialan-tsiny ampahibemaso aminâireny teny sy fihetsika nataony taminâny Mpanjakanâny TapĂŽlaka. Fa taminâio fotoana io indrindra no tonga tao koa ny Benâny tanĂ nanâi Soanierana Ivongo, Ralaimamonjy Charles, nanamafy ilay didim-pitsarana talohanâny gidragidra: nomenâny tribonalim-panjakana («tribunal administratif») any Toamasina rariny tokoa i Rossy taorianâny fitoriany. Izany hoe afaka nanao fampisehoana an-kalalahana tao Soanierena Ivongo ny tarika Rossy. Zavatra hafa mihitsy anefa no nitranga izay nanakoako hatraty an-drenivohitra. Ary dia nahetsika daholo izay azo nahetsika toa ilay hoe OMC (Sampanâny miaramila, zandary ary pĂŽlisy mitambatra). Fahefana avy aiza moa no anananâio solombavambahoaka mibaiko ireo rehetra ireo? Mpanao lalĂ na anie izany depiote izany e!
Eo aminâny lafinâny pĂŽlitika noresahiko tam-boalohany indray dia mazava ilay nahatonga anâi Me Arnaud mampiseho fa izy no «rĂŽle» any Soanierana Ivongo. Re mantsy fa nanara-dia an-dry Maharante ary Nicolas sy ny forongony (Mapar I, Mapar II toa milaza fa kambanana i Andry Rajoelina), io Me Tody Arnaud io ary dia ny handoto ny Mapar avy ao anatiny, indrindra fa ny filohanâny tetezamita teo aloha no tena lasibatra («cible») ka tetehina lotoana izay tsy izy. Tiany naseho izany fa tsy mifanaraka ny ao aminâio vondrona pĂŽlitika io. Aza adinoana fa efa akaiky ny fifidianana filoham-pirenena ary tsy nilaza mihitsy ny filohanâny tetezamita teo aloha fa tsy hilatsaka ny tenany.
Fa raha hiverenena ny fanavakavahana (aleo mihitsy laizaina hoe «ostracisme» tsotra izao) nasehonâi Me Tody Arnaud dia izao e: olona toa azy io no mahatonga ny vahoaka malagasy tsy tia pĂŽlitika eto Madagasikara. Ary tsy izy irery, indrisy. Izaho manokana aloha dia tsy mino fa efa niravona io raharaha io. Nandrasana tao aminâny onjam-peo Antsiva izy ny alatsinainy lasa teo fa tsy nipoitra na dia efa nanaovana filazana aza («annonce»). Tsy mba niala tsiny akory fa toa ny namana Michel Ralibera indray no nilany kisa satria, hono, mihaino lakolosy tokana. Fa inona aloha ny antony nanapenana tamina âparpaingsâ ny fidirana ao aminâilay kianja rehefa avy teo no niditra ny fitaovana efa 10 tonnes mahery nentinâny tarika Rossy avy aty Antananarivo? Dia avy eo lazaina fa i Rossy no nanimba zavatra sy kasihan-tanĂ na. Azo âvidĂ©osâ daholo izany rehetra izany.
Ka mba ovao ny famindra fa ny volabenâny Hvm anie tsy mahatonga any aminâny MausolĂ©e e! Farany: diso tanteraka i Me Arnaud nilaza fa niditra an-keriny tao aminâilay kianja i Rossy taminâny sasakâalina. Raha olona avara-pianarana toa azy (mahay miteny frantsay be koa izy) dia tokony fantany fa rehefa hanao fampisehoana ny mpanakanto matihanina dia ny alina alohanâilay andro voatondro foana no manangana ny «Chapiteau». Fa tsy ny atoandro mihitsy. Mameran-tany io Tompoko ĂŽ! Ny soa fianatsa, hoy ry zareo betsileo, ary mahavokatse. Eto Madagasikara dia ny avara-pianarana sasany mihitsy anefa no manao fitondran-tena toa olona tsy nianatra any ka na izany lalĂ na izany aza tsy raharahiany. Aiza moa no tsy hirongatra izao zava-doza rehetra izao satria ry zareo voafidy na voatendry foana no manome ny ohatra ratsy. Ary tokony ajanona tanteraka ilay fomba mbola mitoetra dia ny manao tsy refesi-mandidy any lavitra any -tena miborioka tanteraka ilay fahefana ananana- kanefa mifanipaka aminâizany rehefa miseho fahitalavitra sy miteny aminâny onjam-peo eto aminâny Renivohitrâi Madagasikara. Ny tranga maneran-tany anie miampita eo no eo aminâizao vaninandro izao e!
Jeannot Ramambazafy - Nivoaka tao amin'ny "La Gazette de la Grande Ăźle", Alarobia 22 Novambra 2017 koa io lahatsoratra io