FANAMBARANA MOMBA NY TONTOLONâNY SERASERA SY NY FAMPITAM-BAOVAO ETO MADAGASIKARA MANOLOANA NY TETI-PANORINA POLITIKA ANKEHITRINY SY HO AVY
Herintaona taorianâny naha lalĂ na manan-kery ny Fehezan-dalĂ na momba ny serasera dia tsapa ankehitriny fa manampy trotraka ary tsy mamaha olana velively araka ny nampanantenaina ny « fampiharana » azy kanefa dia natao amboletra ny fandaniana ny lalĂ na taminâizany fotoana izany, izay naroso ho toy ny fanafody mahagaga itsaboana ny aretina rehetra mahazo ny tontolonâny asa an-gazety sy ny serasera. Indrisy fa tsy toy ny hamehana taminâny fampandaniana ny Fehezan-dalĂ na ny fampiharana azy satria toa mampetimety ny tombontsoa ara-politika sasany ny lesoka misy sy ny fampitarazoana ny fananganana ny rafitra isan-tokony takianâny lalĂ na. Efa hita teto aminâny Firenena ny voka-dratsinâizany sy ny fanaovana ho maharitra ny rafitra vonjimaika ka manome vahana ny tsy maty manota sy ny fihoaram-pefy ary ny fanararaotam-pahefana isan-karazany. Ohatra mivaingana ny tsy fananganana ny Fitsarana Avo manokana ho anâny tomponâandraikim-panjakana (Haute Cour de Justice).
Na dia teo aza ny fanamarihana nataonâny Fitsarana Avo momba ny LalĂ m-panorenana ny aminâny tokony hametrahana mazava ny maha-mahaleo tena ny ANRCM (AutoritĂ© Nationale de RĂ©gulation de la Communication MĂ©diatisĂ©e), Rafi-pahefana mifehy ny tontolonâny serasera, dia tsy nasiana fotony izany. Na dia milaza ihany koa ary ny lalĂ na fa tokony hatsangana ao anatinâny 12 volana aorianâny famoahana azy hanan-kery ny ANRCM dia tsy tanteraka izany na dia ny volana oktobra 2016 aza no efa navoaka tao aminâny Gazetim-panjakana ny Fehezan-dalĂ na.
Ohatra aminâny lesoka hita ihany koa ny momba ny mpikambana 11 mandrafitra ny ANRCM satria telo ihany no solontena avy aminâny sehatra tsy miankina ary ny 8 dia avy aminâny sehatrâasam- panjakana avokoa. Ity rafitra ity anefa no tokony handray ny fitarainana, toy ny nahazo ireo mpanao gazety avy aminâny haino aman-jery mpanohitra izay voahilika tamin-kerisetra tsy navela anatrika « ConfĂ©rence de presse » na dia vaovao ilainâny besinimaro (dâutilitĂ© publique) aza no resaka tao. Saingy noho ny tsy mbola fisianâity Rafitra ity dia manjaka ny ramatahora sy ny fanilihana izay manome endrika ratsy ny fahalalahana mahazo vaovao sy ny fahafahana maneho hevitra ary ny zonâolombelona sy ny demokrasia eto Madagasikara.
Raha ny zava-misy ankehitriny aloha no jerena dia tsy azo antenaina ho avy aminâny Holafitry ny Mpanao gazety no mety hipoiranâny vahaolana aminâny tranga toy izany manoloana ny savorovoro sy fisaraham-bazana misy eo anivonâity andry tokony ho filamatra, iankinanâny asa fanaovan-gazety ity. Ny fanavaozana ny karatra maha mpanao gazety matihanina sy ny fifidianana ny birao vaovao hitantana ny OJM (Ordre des Journalistes de Madagascar) aloha izao no mahadodona. Tsy lavina fa ilaina dia ilaina tokoa ny « fanadiovana » ny tontolonâny asa an-gazety sy ny serasera kanefa hatreto aloha dia tsapa fa ny fitisinjovana ny tombontsoa ara-politika sy ara-bola isan-karazany no manjaka ka tsy hahafahanâny mpanao gazety sy ny Holafitra ary ny Minisitera mpiahy mifantoka aminâny laharam- pahamehana hafa toy izay efa nambaranâny Filankevitry ny Fiangonana Kristianina (FFKM) mikasika ny haino aman-jerim-panjakana. Tsy noraharahiana ihany koa na ny antso avo nataonâny Filoha lefitra dimy avy aminâny faritany na ny nataonâny Fikambananâny Mpanao gazety Zoky Olona (CDJ) ka dia toa irosoana indray ny fampiasana ny bontolo sy amboletra.
Ny tsy finiavana hampihatra ara-bakiteny ny lalĂ na, toy izay mitranga momba ny HCJ sy ny ANRCM, no isanâny sakana aminâny fametrahana ny « Commission paritaire » na ny Kaomisiona mpanome ny Karatra maha-matihanina, araka ny voalazanâny andininy faha-55 ao aminâny Fehezan-dalĂ na mifehy ny serasera sy manome vahana ny fanararaotam-pahefana ary ny kajikajy isan-karazany ka tsy hahazoanâny Holafitra misalotra ny tena anjara andraikiny araka ny lalĂ na (And. 55 : Ho fandrindrana sy fandaminana ny fifandraisanâny mpisehatra rehetra eo aminâny asa an-gazety sy ny fitondram-panjakana dia atsangana ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara mba ho mpiaro ny etika sy ny deaontolojia eo aminâny sehatry ny asa an-gazety sy serasera) fa tsy hionona fotsiny aminâny toeranâny mpanara-maso. Ilaina ihany noho izany ny fametra-panontaniana momba ny tena antom-pisianâity rafitra ity sy ny anjara andraikinyâŠ
Mampametra-panontaniana ihany koa ny mikasika ny Sehatra ifanakalozan-kevitra (Plateforme de dialogue) izay zary atao « rahampitso, rahampitso » lava kanefa dia ny Filoham-pirenena tenany mihitsy, ny volana aogositra 2016, no nampanantena ny fananganana azy ity mba ho ala olana taminâny kirizy nateraky ny fandaniana ny Fehezan-dalĂ na mifehy ny serasera, ary nohamafisinâny Ministry ny Serasera sy ny Fifandraisana aminâny Andrim-panjakana nandritra ny fandraisany fahefana ny volana avrily 2017.
Mampametra-panontaniana avokoa izany toe-draharaha rehetra izany ary mahalasa saina ny fanaraha-drenirano toa miendrika tahotra ny mpanao politika tsy refesi-mandidy, manao ny ramatahora sy ny didiko fehy lehibe ary ny tsy maty manota izay zary lasa fomba fanao mahazatra ary azo antoka ary efa hita fa tsy mitondra voka-tsoa sy filaminana ho anâny Firenena.
Noho izany, ny ILONTSERA, aminâny maha mpanara-maso mahaleo tena ny tontolonâny serasera sy ny fampitam-baovao azy, mikatsaka hatrany ny filaminana, ny fanajana ny zo maha-olona sy ny tany tan-dalĂ na ary ny demaokrasia, dia maneho ireto tolonkevitra manaraka ireto:
- Ilaina ny fahatsoram-po sy ny tena fahavononanâny mpisehatra rehetra tokony handray anjara ao anatinâio sehatra ifanakalozan-kevitra tsy manilikilika io mba hisianâny fifampiresahana madio sy marina hitadiavana vahaolana aminâny fampiharana ny Fehezan-dalĂ na satria ohatra iray ihany aminâny fampiharana ny lalĂ na ny momba ity fizarĂ na ny karatra maha-matihanina ity.
- Takiana ny fampiharana an-tsakany sy andavany ny lalĂ na efa manan-kery indrindra ny fametrahana ireo rafitra rehetra voalaza sy ny fanamarihana avy aminâny HCC, mba hialana aminâny fampiasana ny lalĂ na sy ny lesoka misy ho aminâny tombontsoa maizina ary tsy hanaovana ho fitaovana ihany koa ny rafitra tetezamita isan-tokony ho anâny tombontsoa politika maharitra sy entina handrobahana ny fifidianana hoavy.
- Tairina ny sainâny mpanao gazety rehetra amperinâasa mba hisintona ny lesona azo tsoahina aminâny tantara niseho nandritra sy taorianâny fifidianana ny Biraonâny Holafitra amperinâasa ankehitriny ny taona 2014, ka nisianâny fanakianana sy fandavana ny voka-pifidianana nisy taminâizany fotoana izany, izay fototra sy loharano nipoiranâny fisaraham-bazana ary ny tsy fifampitokisana intsony teo aminâny sehatry ny asa fanaovan-gazety aminâizao fotoana izao ka mahatonga ahiahy ny aminâny fizotranâny fifidianana ny birao vaovaonâny Holafitra. Taratrâizany ny mety hitohizanâny raharaha fanomezana karatra eny anivonâny Filan-kevim-panjakana (Conseil dâEtat).
- Maro anefa ireo olana hafa tokony tsy hampandrimandry ka ilĂ na vahaolana maika toy ny fanomezana taratasy fanamarinana avy aminâny sekoly mpampiofana ka ahazoanâny mpianatra iray mahazo ny karatra maha-mpanao gazety matihanina avy hatrany, ny fanajana ny zonâny mpanao gazety rehetra araka ny Fehezan-dalĂ na manan-kery indrindra ny aminâny maha-asa matihanina ny fanaovan-gazety sy ny mari-karama mifanaraka aminâizany, ny mikasika ireo mpiasa sy mpiserasera aminâny sehatrâasam-panjakana (izay maro anâisa indrindra aminâny mpifidy ny Biraonâny Holafitra) kanefa omena ny Karatra avokoa, ny momba ny fahazoana mandefa fandaharana aminâny alalanâny zanabolana sy manerana ny Nosy, sns.
Fehiny: NY ANONGOTSONGOANA NY MATY, TAHOTRY NY HANDEVIM-BELONA, indrindra aminâizao ankatoky ny fifidianana izao mba tsy hatao sorona intsony na ny vahoaka na ny mpanao gazety.
Natao teto Antananarivo, ny 08 desambra 2017
ILONTSERA
II A 43-Antaninandro, Antananarivo 101
Tel : +(261)34 04 273 18 / +(261)34 04 091 95
E-mail : Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.
Site web : www.ilontsera.mg Facebook : Ilontsera
*******************
Code de la communication: CrĂ©e plus de problĂšme que nâen rĂ©soud
Publié le 11 décembre 2017 - La Gazette de la Grande ßle
Le code de la communication a Ă©tĂ© promulguĂ© le 12 octobre 2016, malgrĂ© les diverses manifestations effectuĂ©es par les journalistes Ă son encontre. Un an aprĂšs sa promulgation, on peut regretter que ledit code crĂ©e aujourdâhui plus de problĂšmes quâil nâen a rĂ©solus, malgrĂ© le forcing des autoritĂ©s et des parlementaires Ă le faire passer comme la solution miracle et idoine- ou la diversion ? Lâobjectif Ă©tant dâapaiser et assainir le secteur mĂ©diatique national en faisant taire lâopinion. Il a Ă©tĂ© constatĂ© que les chaĂźnes fondamentalement publiques ne suivent que la voie de son maĂźtre et cela a dĂ©jĂ Ă©tĂ© dĂ©noncĂ© prĂ©cĂ©demment par Ilontsera et rĂ©cemment Ă©voquĂ© par le Conseil des Eglises ChrĂ©tiennes (FFKM). Les autres alertes lancĂ©es par les cinq Vice-prĂ©sidents de lâOJM et du Club des Journalistes Doyens (CJD) nâont pas Ă©tĂ© Ă©coutĂ©es et la mĂ©thode du bĂąton semble de nouveau mise Ă contribution. Il est Ă noter que le code mĂ©diatisĂ© pĂ©nalise Ă la fois les mĂ©dias libres et les citoyens qui se trouvent privĂ©s du droit Ă lâinformation.
A lâheure actuelle, on assiste Ă des manĆuvres cumulatives qui paraissent relever dâune stratĂ©gie de la peur. Aujourdâhui mode opĂ©ratoire banalisĂ©, mais rĂ©vĂ©latrices elles-mĂȘmes dâune peur profonde de lâautocratie politique Ă une vĂ©ritable confusion programmĂ©e affirme lâIlontsera, observatoire indĂ©pendant de la vie mĂ©diatique Ă Madagascar. Se souciant de la prĂ©servation de la paix, de lâEtat de droit, des droits de lâHomme et de la dĂ©mocratie, Ilontsera recommande la bonne foi et la bonne volontĂ© de tous les acteurs dans lâassainissement du milieu des mĂ©dias qui se trouve plus quâindispensable, mais Ă©galement face aux enjeux politiques en prĂ©sence et Ă venir. Dans tous les cas, lâOrdre des Journalistes de Madagascar (OJM) devrait endosser sa vraie mission dĂ©jĂ consacrĂ©e par la loi (cf. Art.57: Dans un souci dâorganisation et dâharmonisation des rapports des membres de la profession et des pouvoirs publics, lâOrdre des Journalistes de Madagascar est instituĂ© en tant que gardien des rĂšgles dâĂ©thique et de dĂ©ontologie de la profession), plutĂŽt que de se laisser rĂ©duire Ă un « simple » rĂŽle dâobservateur.
Jean Riana