Mpanao gazety nanomboka ny taona 1984. Tsy homena karatra intsony satria, hono, tsy gazety ny medias on line. Fanampenam-bava tsy misy toa izany. Merci Rolly fa ny fiainana mbola hitohy
Fa inona no antom-pisianâny Holafitra ny mpanao gazety no salovaninâny fanjakana aminâny alalanâny minisitra Rahajason Harry Laurent ny raharaha momba izany e? Ny Holafitra ny mpanao gazety no tokony hanangana vaomiera misokatra ka hahitana ny solontenanâny seha-piasana, toy ny mpanao gazety aminâny haino aman-jerim-panjakana, ny mpanao gazety avy aminâny gazety an-tsoratra, ny avy aminâny onjam-peo tsy miankina, ny avy aminâny mpampiasa tomponâny orinâasa fanaovan-gazety⊠ary afaka manara-maso ny ministera, dia izay.
Tena tsy avelanâny fitondram-panjakana halalaka mihitsy ity asa fanaovan-gazety ity, ary tsy misy valaka aminâny tetika nataon-dRavalomanana taminâny fampandaniana anâi Ruphin Rakotomaharo (Rnm) ho filohanâny Holafitra ny mpanao gazety taminâny fotoana andro, ka nanitsanana anâi Rolly Mercia (Rahajason Harry Laurent), izay notohananâny ankamaroanâny mpanao gazety avy aminâny tsy miankina aminâny fanjakana.
Tra-pahavoazana (victime) taminâizany toetra mamoehitra izany i Rolly Mercia nefa dia io izy mamerina sy manamafy ny tetika maloton-dRavalomanana taminâny fotoanandrony io.
Izahay eto aminâny La Gazette de la Grande Ile dia milaza ampahibemaso fa tsy handefa ny lisitra ny mpanao gazety ato aminay hanaovanâny minisitra Rahajason Harry Laurent «sinema» fotsiny sy hanasongadinany ny pĂŽlitika malotony aminâio. Azonay antoka fa ho maro ny orinâasa fanaovan-gazety tsy miankina no tsy hanaiky anâio fepetra miendrika jadona io.
Dia ataovy ao ny anareo, ary omeo karatra maha-mpanao gazety matihanina avokoa hatraminâny mpamafa trano sy mpahandro sakafo mbaminâny mpanasa fiarakodia ao aminâny haino aman-jerim-panjakana manomboka eto andrenivohitra ka hatrany aminâny faritra rehetra any mba hanamaro isa ny ho mpifidy ny olona hatolotra ny minisitra Rahajason Harry Laurent ho filohanâny Holafitra rehefa vita izany rehetra izany. Fantatra ange fa natokana ho anareo mpanao gazety mpanohana ny fanjakana sy voafehinâny fitondrana Hvm io e !
Raha azonareo Hvm hosakanana tsy mahazo manao gazety intsony moa izahay aminâizay dia andraikitrareo izany, ary aza hadinoina fa izay fitondram-panjakana nanangam-pahavalo ny mpanao gazety teto, dia nanara-dia an-dry Tsiranana sy Ratsiraka ary Ravalomanana sy ny hafaâŠ
D.R. â La Gazette de la Grande Ăźle, 15 Desambra 2017