]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Mahafaly Olivier: “Demokraty aho ka manaja ny fanapahan-kevitry ny HCC”

Mahafaly Olivier: “Demokraty aho ka manaja ny fanapahan-kevitry ny HCC”

Anosy, 01 Jona 2018 – Nanome voninahitra ny fotoam-pitsarana manetriketrika fianianana sy fametrahana amin’ny toerany ireo mpikambana mandrafitra ny Fitsarana Avo (“Haute Cour de Justice”) izay natao tetsy amin’ny Fitsarana an-tampony Anosy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier.

Mikasika ny fanapahan-kevitra navoakan’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenana ny Praiminisitra taorian’ny lanonana, ny amin’ny fanoloana Praiminisitra dia nilaza fa: “olona demokraty ny tenako, manaja ny fifandimbiasam-pahefana, manaja ny lalàna sy ny fanapahan-kevitra izay miompana amin’ny Lalampanorenana, manaja ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenana ihany koa ary manaja ny soatoavina demokratika sy repoblikanina. Rehefa tonga ny fotoana, sahala amin’ny nataoko tamin’ny voalohany, am-pitiavana no nandraisako ny toerana maha-Praiminisitra ary maro ireo zavatra tsy maintsy nosedraina tamin’izany, dia am-pifaliana ihany koa no hanolorako ny fahefana amin’izay olona handimby araka ny Lalampanorenana… Ny irariana, ary manao antso avo aho, dia ny mba hiverenan’ny fitoniana eto Madagasikara, satria izay no ilain’ny vahoaka Malagasy rehetra. Tsy misy afa-tsy ny fitoniana sy ny firaisankina ihany no entintsika mampandroso an’i Madagasikara”.

Loharanom-baovao: Seraseran’ny Primature Mahazoarivo

Ny tena dikany dia ny filoha Hery Rajaonarimampianina mihitsy no tsy manara-dalàna ary ny loza dia naniraka ny minisitra Béni Xavier Rasolofonirina, hiresaka ny hoe "situation d'exception". (ETO)

Mis à jour ( Dimanche, 03 Juin 2018 06:42 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...