]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antoko Fanorolahy. “Asa avy hatrany fa tsy kabary ny fanorenena ifotony”

Antoko Fanorolahy. “Asa avy hatrany fa tsy kabary ny fanorenena ifotony”

“Raha tiana ny hampandroso an’i Madagasikara dia ny fanampiana sy fampivoarana ny farim-piainan’ny tantsaha Malagasy no antoka iray hahantanteraka izany”. Izay raha fintinina ny fanambarana nataon’ny Filoha nasionalin’ny antoko Fanorolahy Andriamatoa Randrianary José, raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety ny tenany.

Ho an’ity antoko politika iray ity, efa ela no vita ny fanorenana ifotony nataony satria nandritra ny fotoana maro niorenan’ny antoko izay (1996), dia resy lahatra ny mpikambana ao aminy fa ny fanehoana ny tena fitiavan-tanindrazana marina dia amin’ny alàlan’ny asa avy hatrany fa tsy kabary.

Asa maro no efa notanterahin’ny antoko tamin’ny faritra maro manerana ny Nosy, ka anisan’izany, ohatra, ny tany Analanjirofo, Atsinanana, Atsimo-Atsinanana, Analamanga… nidina ifotony nijery ireo maharary sy nihaino ny hetahetan’ireo tantsaha Malagasy ireo, ka nitondrana vahaolana avy hatrany. Anisan’izany, ohatra, ny fanofànana sy fanampiana ara-teknika ny tantsaha manerana ny Nosy, mba ahafahan’izy ireo mampitombo sy manatsara ny vokatra vokariny, mba hahatonga azy ireo hanana ambimbava hanatsaràna ny fari-piainany. Eo ihany koa ny fanampiana ireo mpanjono amin’ny alalan’ny fanofanana sy fanolorana fitaovana ho azy ireo toy ny arato sy lakana tany amin’ny (Canal des Pangalanes) mba hoetiny miavo-tena amin’ny fiainana.

Ankoatra izay, tanjona ho an’ity antoko iray ity, ny hampivondrona ny tantsaha manerana ny Nosy ho ao anatina koperativan’ny Tantsaha Fanorolahy, mba hanamora ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa izay misehatra mivantana amin’ny fambolena sy fiompiana eto Madagasikara, ka anisan’izany ohatra ny Guanomad, izay nandefa teknisianina nijery ifotony ny toe-tanin’izy ireo niampy fanolorana zezika maimaim-poana.

Etsy ankilan’izay, nangataka tolo-tànana tamin’ny kaonsilin’i Portugal Atoa Rabesahala Fréderic, miasa sy monina eto Madagasikara ny antoko, mba hanampiana mivantana ny tantsaha, nahazo masomboly voafantina toy ny voatabia, ovy, katsaka, vary… ireo tantsaha mpamokatra an’aliny maro manerana an’i Madagasikara.

Nomarihin’ity antoko ity, taorian’ny fampiharan’ny tantsaha ireo toro-marika izay nomena azy tany anaty fiofanana dia nahomby avokoa ny andrana izay natao, ka nanatanteraka santa-bokatra avokoa izy ireo ny 18 Jolay 2018 lasa teo, ka samy resy lahatra fa rehefa ny tantsaha no mivoatra (manankarena), dia mandroso ny firenena ary tafavoaka ao anaty fahantrana ny vahoaka Malagasy 25 tapitrisa.

Fantatra ihany koa fa misy ny tetik’asa goavana tanterahin’ny antoko eny Ambohidratrimo eny ankehitriny. Ireo olona osa sy tena sahirana ara-pivelomana no tohanana amin’izany tetik’asa izany. Nangatahin’ny antoko tamin’ny tompon’ny tany ireo tany mipetrapotsiny rehefa vita ny fotoam-pambolena, mba hanaovana voly avotra ataon’ireo fianakaviana sahirana, ka ny tombotsoa ho azon’ny tompon-tany amin’izany dia ny fiakaran’ny vokatra hatrany amin’ny avo dimy heny aorian’ny voly avotra satria maha lonaka ny tany ny fifandimbiasan’ny voly eo amboniny. Ny fianakaviana sahirana kosa dia hanana sakafo sy fidiram-bola vaovao.

Fehiny, ny fanomezana lanja ny tontolo ambanivohitra no antoka hisian’ny fampandrosoana eto amintsika.


Randrianary José,

Filohan’ny Antoko Fanorolahy

 

Mis à jour ( Mardi, 31 Juillet 2018 17:15 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...