]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Rajerison Véronique Nicole. Manohana an’i Andry Rajoelina

Rajerison Véronique Nicole. Manohana an’i Andry Rajoelina

Ramatoa Rajerison Nicole Véronique taorian’ny fanambaran’ny HCC ny vokatra ofisialin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 07 Novambra 2018

FANAMBARANA

Ny mpikambana amin’ny Birao politikan’ny Antoko « Union Nationale pour la Refondation et la Reconstruction de Madagascar» (UNRRM) dia manao izao fanambarana manaraka izao taorian’ny lanonana manetriketrika nentin’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalàmpanorenana nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny vokam-pifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika vaovao ny 07 novambra 2018 ka nanehoan’ny olom-pirenena miisa 5 367 550 ny safidiny tamin’ny fihodinana voalohany.

Miarahaba manokana ny kandidà Andry Nirina Rajoelina izahay satria nitarika izy ary nisafidy azy ny olom-pirenena miisa 1 954 023 (39,23%) tamin’ny fihodinana voalohany.

Maneho fisaorana feno sy fankatelemana anareo mpikambana amin’ny UNRRM rehetra manerana an’i Madagasikara izahay tamin’ny nanefanareo ny adidy tamin’ny fihodinana voalohany ka nifidy ny kandidà Andry Nirina Rajoelina. Manentana anareo izahay tsy hikely soraka hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fanohanana ny kandida Andry Nirina Rajoelina.

Ny olom-pirenena izay tsy nandray anjara tamin’ny fihodinana voalohany nohon’ny fisalasalana tamin’ny fanomanana ny fifidianana sy ireo « sakana samihafa » kanefa voasoratra anarana ao anatin’ny lisim-pifidianana dia manentana azy ireo izahay hamita ny adidiny amin’ny fihodinana faharoa satria zo sy adidy amin’ny tanindrazana izany, hanara-maso ny fanisam-bato isaky ny Biraom-pifidianana ny 19 desambra 2019.

Tsy maintsy mandresy ny kandidà Andry Nirina Rajoelina izay kandidà tanora sy manana fikirizana ary MANANA TOE-TSAINA MANDRESY.

Masina ny Tanindrazana.

Alasora, faha 28 novambra 2018

Ramatoa RAJERISON Nicole Véronique
Filoha nasionalin’ny UNRRM
Mpanolon-tsaina “Commune Urbaine Antananarivo (CUA)”

 

Mis à jour ( Jeudi, 29 Novembre 2018 03:29 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...