]
Les quotidiens du 24 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Michaël Pelletier, Masoivoho Amerikana. Kabariny tao amin'ny "Villa Philadelphia"

Michaël Pelletier, Masoivoho Amerikana. Kabariny tao amin'ny "Villa Philadelphia"

Michael Peter Pelletier, Masoivohon'ny Etazonia eto Madagasikara

Ny Koralin'ny Ambasady Amerikana

Ny Ambasadaoro Michael P. Pelletier sy ny Ministry ny Raharam-bahiny Malagasy, Naina Andriantsitohaina

“Arahabaina Tratry ny Asaramanitra daholo!

Ianareo vahiny manan-kaja sy namana nasaina, misaotra betsaka, tompoko, tonga manotrona anay hankalaza ny tsingerin-taona faha-243 nahazoan’i Etazonia ny fahaleovantenany -ary hanamarika ireo 150 taona mahery nisian’ny firaisam-pirahalahiana teo amin’ny firenentsika roa tonta-.

Rariny sy hitsiny ary mety indrindra raha ato amin’ny "Villa Philadelphia" isika no mifamotoana, satria ny 4 Jolay 1776 tokoa dia tao an-tanànan’i Philadelphie ilay Fanambarana ny Fahaleovantena no nankatoavin’ny Kongresy Kontinantaly, ka nanomana ny làlana ho an’ilay hanjary firenena mahaleotena sy mitambatra taty aoriana. Mbola tao Philadelphie ihany koa ireo razam-be mahery fo nanorina an’i Etazonia no nijoro tamin’ireo foto-keviny sy nametraka ny soniany, ny fiainany ary ny ho aviny teo amin’ilay hanjary rijateny manan-danja indrindra teo amin’ny tantaran’ny firenenay. Ary mbola tao Philadelphie ihany, tamin’io 4 Jolay miavaka io, na dia nanohitra avokoa aza ny rehetra, no nivadika ho fanambarana hentitra ilay hevitra feno fahasahiana, nilazana tamin’izao tontolo izao fa “ireto Zanatany Mitambatra ireto dia manjary fanjakana afaka sy mahaleotena, ary zony tanteraka izany”.  Ireo teny hentitra nomena toerana ambony ao anatin’ny Fanambarana ny Fahaleovantenanay ireo no niteraka an’ity firenena lehibenay ity, izay nitombo taty aoriana ka tafakatra ho fanjakana 50 mitambatra hitantsika manodidina antsika eto ny saina fanevan’izy ireo tsirairay avy, anisan’izany ny fanjakana nihaviako, dia i Maine.


Tompokolahy sy Tompokovavy,

Tena voninahitra lehibe ho ahy ny misolo tena an’ireo Etazonia na fanjakana mitambatra ireo; ary amin’ny anaran’ny fianakaviako manokana, amin’ny anaran’ny mpiara-miasa rehetra ao amin’ny Masoivoho, dia am-pifaliana lehibe no andraisana anareo ato amin’ny "Villa Philadelphia" hankalaza ny fahaleovantenan’ny firenenay sady hanamafy indray ny firaisam-pirahalahiana tsara dia tsara ananantsika.

Amin’ny herinandro ho avy io dia hifamotoana ny Amerikana rehetra, manerana an’i Etazonia ary manerana izao tontolo izao, hiara-hankalaza ny fahaleovantenanay, tsy misy hafa amin’ny nataon’ny vahoaka Malagasy roa andro lasa izay! Mitovy amin’ny nataonareo ihany, dia mba hijery afomanga izahay ary hanao matso fanehoana ny fitiavan-tanindrazana.  Hifampizara sakafo natono amin’ny namany ny sasany; ny hafa kosa hitsangatsangana miaraka amin’ny ankohonany.  Efa hatramin’ny niforonan’ny firenenay no efa fomba fanaonay izany.  Raha ny marina aza, dia hoy John Adams, iray amin’ireo nanao sonia ny Fanambarana ny Fahaleovantena, raha namaritra tamin’ny vadiny ny heveriny fa “fety tsara indrindra ho an’io tsingerin-taona io”: “matso, dia fampisehoana, kilalao, fanatanjahan-tena, alim-pandihizana, afon-dasy, sy ary jiro manazava manomboka izao ka mandrakizay.”

Efa miresaka jiro manazava ihany isika, fa tena faly izahay mianakavy nahita fa mitovy ny fanaon’ny firenentsika roa tonta amin’ny resaka jiro rehefa mankalaza ny Fahaleovantena, raha nahita ny ankizy nitondra arendrina izahay rehefa hariva ny andro. Tena fomba tsara tarehy izany, izay sady ahitana taratra mazava ny rehareha ananan’ny firenenareo no maneho ny fahaizan’ireo mpiangaly ny kanto ao aminy. Raha azoko tsara dia manana tombony izahay mahita maso fa nihamaro tamin’ity taona ity ireo arendrina noforonina sy novokarina teto an-toerana -midika fanohanana ny fahaiza-mamorona sy taozavatra tena Malagasy sady manohana ny toe-karena eto an-toerana!

Ho an’ny Amerikana, ny 4 Jolay dia fotoana fihaonana, fifaliana ary fankalazana, saingy ihany koa fotoana fifantohana amin’ireo soatoavina sy foto-kevitra iombonan’ny firenena iray manontolo feno fahasamihafana, izay nanaovan’ny olona maro sorona sarobidy tsy voaisa.  Na teo aza mantsy ny fahasamihafany dia fahamarinana tokana no nampiray azy ireo:  noforonina hitovy isika ary samy manana zo tsy azo lavina hatrany am-bohoka.  Ary efa 200 taona mahery izay, dia nifanesy ny taranaka Amerikana maro niaro an’izany fahamarinana izany ary niady – eny, namoy ny ainy aza – hitandroana ny foto-kevitra sy soatoavina imatesanay. 

Samy manana ny fihaviany sy ny làlam-piainana namolavola azy ireo razam-be nanorina ny firenenay, tsy misy hafa amin’ny Amerikana ankehitriny ihany.  Tsy misy olona na vondron’olona iray afaka mihambo ho tompon’i Amerika.  Mifangaro ao tokoa mantsy ny hevitra sy anjara biriky nentin’ny taranaka mpifindra monina samihafa nifanesy, izay nifanome tànana mba hanatrarana tanjona lehibe kokoa niraisana.  Ary ohatra iray ahitana soatoavina mampifamatotra ny firenentsika roa tonta indray izany. Mahafintina azy tsara ilay ohabolana Malagasy hoe "Ny tao-trano tsy efan’ny irery".  Samy mitondra anjara biriky hananganana ny trano tokoa ny tsirairay, ary isika ireo miaraka no manamafy ny fototra ijoroany.

Koa amin’izao anohizan’i Madagasikara mandrafitra sy manamafy ny fototra ijoroany izao, dia hijanona ho mpiara-miasa akaiky aminy ihany izahay ary hitondra ny “anjara birikinay.”

Hotohizanay ny famoronana tetezana ara-kolotsaina eo amin’ny firenena sy vahoakantsika roa tonta.  Hotohizanay ny fanabeazam-boho ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny politika, toe-karena, sosialy, tontolo iainana ary tafika. Hotohizanay ny fanohanana ny fanabeazana amin’ny alàlan’ireo fandaharana ho an’ny vatsim-pianarana, fiaraha-miasa ary fifanakalozana. Ary hotohizanay ny fanatsarana hatrany ny fanjariana ara-tsakafo sy fanamafisana ireo rafitra ara-pahasalamana amin’ny alàlan’ny asa tontosain’ny USAID sy ny mpilatsaka an-tsitra-po ao amin’ny "Corps de la Paix", izay manao ny ainy tsy ho zavatra miara-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka eto an-toerana, hatrany amin’ny toerana mitoka-monina indrindra eto amin’ity nosy mahafatifaty ity.

Miisa maherin’ny telonjato tapitrisa ny teratany Amerikana, nipoitra avy amin’ny foko samihafa, kolontsaina samy manana ny azy, ary finoana samy arahany avy.  Na ny Amerikana na ny Malagasy dia samy mila ny anjara biriky avy amin’ny rehetra mba hahafahantsika mamorona ilay “firaisana lafatra kokoa” hilofosanay tsy tapaka, tsy misy hafa aminareo eto Madagasikara mila ihany koa ny anjara biriky avy amin’ny Malagasy rehetra sy avy amin’ireo firenena rehetra sakaizan’i Madagasikara. Tsara dia tsara ny fomba nilazan’ny Filoha John Kennedy azy nandritra ny nanaovany fianianana ho Filoham-pirenena tamin’ny taona 1961: “Ny fahavitrihana, finoana, ary fanoloran-tena entin-tsika ho fandraisana anjara ny amin’izao ezaka izao no hanome afo ao anatin’ny firenentsika sy ireo rehetra manompo azy. Ary tena afaka manazava an’izao tontolo izao ny tara-pahazavana entin’izany afo izany.  Koa noho izany, ry Amerikana namako, aza manontany hoe inona no azon’ny firenenao atao ho anao; fa manontania tena hoe inona no azoko ataoko ho an’ny fireneko … Ry namako mponina eto amin’izao tontolo izao, aza manontany hoe inona no azon’ny Amerikana atao ho anao, fa inona no azontsika iarahana manao mba higoka fahafahana ny zanak’olombelona.”

Fomba hafa no nihiranareo azy ao amin’ny hiram-pirenenareo:

Irinay mba hanompoana anao

Ny tena sy fo fanahy anananay ‘zay sarobidy

Sy mendrika tokoa

Noho izany, nanomboka teny an-dàlana tao Philadelphie, 243 taona lasa izay, ka hatreto amin’ny "Villa Philadelphia" anio, andeha isika hankalaza ilay fanoloran-tenantsika tsy azo hozongozonina hiaro ny fahafahana, ny fahalalahana ary ny foto-kevitra demokratika, izay lehibe lavitra noho ny tombontsoan’ny olon-tokana, na inona na inona firazanany, finoany, fari-pahaizany, asany na hevitra ironany. Andeha hankasitrahantsika ny fahafahana azontsika taorian’ny sorona mafy, amin’ny alàlan’ny jiro, afomanga sy fifaliana, ary hanainga vera isika:  ho an’ny fahaleovan-tena, ny fahafahana ary ny demokrasia, any Etazonia, eto Madagasikara, ary ho antsika rehetra!

Misaotra anareo rehetra!

Ambaranjana, 28 Jona 2019

Mis à jour ( Lundi, 01 Juillet 2019 00:41 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024