]
Les quotidiens du 17 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Jesy Rabelalao. Nivoaka ny bokiny mikasika an’ny Mpanjaka Antemora Ramakararo

Jesy Rabelalao. Nivoaka ny bokiny mikasika an’ny Mpanjaka Antemora Ramakararo

Nivoaka ny 4 Jona 2021 ny boky nosoratan’i Randriambe Randriamahasoa Georges, fantatatra amin’ny anarana mpanao gazety hoe JESY RABELAOLAO, mitondra ny lohan-teny hoe « Mpanjaka Antemoro Ramakararo, Hasina sy Rain’ny fanjakana Malagasy ».

Mitantara ny tsara ho fantatra amin’ny tantaran’ny Antemoro io boky io. Voalaza ao anatin’izany boky izany ny Hasina izay mampalaza ny Lapa ao Ivato-Fenovola izay misy ny Mpanjaka Ramasitrakarivo mifandimby avy amin’ny Anteony. Ny fanjakana Antemoro izay misy ny ANDRIAMBITELO (Anteony, Antalaotra ary Ampanabaka)

Mitantara an’i Ramakararo Ampanjaka Antemoro izay mpanjaka voalohany teto Madagasikara ny boky, ny fihaviany avy any Moyen-Orient (Atsinanana Afovoan’ny tany). Miresaka momba ny Sorabe, sy ny Hasin’izany boky izany, ary ny razany avy any Kanana any Israely ka hatrany Turquie sy La Mecque (Imaka).

Miresaka ny momba ny Fanjakana manana razana Antemoro eto Madagasikara koa ity boky ity. Ny fifandraisany tamin’ny foko rehetra teto Madagasikara hatramin’ny taona 1336 ka hatramin’izao. Ny antony niantsoana azy ireo hoe «olokendry» teto Madagasikara.


Ny mpitondra firenena rehetra teto Madagasikara dia nandeha « MITADY HASINA » ao amin’ny lapan’Ivato-Fenovola avokoa hatramin’ny andron’ny faha mpanjaka ka hatramin’izao, indrindra fa ny fanjakana Ambaniandro nifandimby. Amin’ny alàlan’ny « TSODRANO » no anaovana izany, izay fahefana manokan’i Ndrenogny Ramasitrakarivo taranak’i Ramakararo mpanjaka voalohany teto Madagasikara.

Natao hanampy ny Malagasy rehetra amin’ny fahalalana ny bebe kokoa amin’ny tantara Antemoro, fa indrindra ny ANTEONY, ity boky ity.

izay boky faharoa navoakan’i Randriambe Jesy Rabelaolao. Ny iray voalohany dia tantaran’Ambatofinandrahana mitondra ny lohan-teny hoe « Ambatofinandrahana taloha sy ankehitriny (1720-2008) ».


Isaorana manokana ny orinasa « La Gazette de la Grande Ile », indrindra fa ny Tale jeneraliny, Lola Rasoamaharo, izay noho ny mpanoratra mpanao gazety ao amin’ity orinasa ity no nahavitana izany.

Ny boky dia ho hitanao amin’ny fivarotana gazety « La Gazette de la Grande Ile » eto Antananarivo sy ao amin’i Foiben’ny gazety ao amin’ny « Villa Pradon» etsy Antanimena.

Ny mpiara-miasa ao amin’ny « La Gazette de la Grande Ile »

Mis à jour ( Samedi, 05 Juin 2021 07:10 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024