]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche OJM Madagasikara. Voafidy ho Filoha ara-dalàna i Monica Rasoloarison

OJM Madagasikara. Voafidy ho Filoha ara-dalàna i Monica Rasoloarison

FAMPITAM-BAOVAO

Ny Voamiera itambarana misahana ny fikarakarana ny fifidianana ny birao maharitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, dia miarahaba ny mpanao gazety nahatontosa ny fifidianana izay natao ny sabotsy 16 oktobra 2021teo, manerana ny Nosy.


Maneho etoana ny fankasitraha antsika mpanao gazety rehetra manerana ny Nosy ary mankasitraka manokana ireo mpikamban’ny Voamiera teny anivon’ny faritra izay niandraikitra arak’izay voalazan’ny didy aman-dalàna nybiraom-pifidianana teny amin’ny faritra.

Toa io manaraka amin’ny sary io ny vokatr’iny fifidianana iny, arak’ireo fitanana an-tsoratra :


Ireto indray kosa ny antsipirihiny isam-paritra :


Arak’izany, ny Voamiera itambarana misahana ny fikarakarana ny fifidianana sy ny Birao maharitra ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM), dia manambara fa voafidy ho mpikambana ao amin’ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara ny lisitra tarihin-dRamatoa Rasoloarison Harimbola Monica.


Ho fampitahana dia ampahafantarina amintsika fa tamin’ny taona 2014 dia mpanao gazety 557 tamin’ireo 2013 voasoratra anarana no tonga nifidy. Izany hoe : 46,30% ny taham-pandraisana anjara. 376 no nifidy ny Filoha Gérard Rakotonirina tamin’izany. Izany hoe : 31,26%-ny mpanao gazety ary ny fotoam-piasany dia tapitra tamin’ny taona 2017. Kanefa tsy nikarakara fifidianana vaovao mihitsy ny OJM hatramin’io 16 Oktobra 2021 io.

Ampahan'ny lahatsoratro tamin'ny 13 Desambra 2014, efa ho fito taona lasa izay

Izany hoe,teo anelanelan'ny taona 2017 sy 2021 5mandat iray izany) dia Filoha vonjimaika fotsiny ihany Atoa Gérard fa ny fampandehanan-draharaha ihany no nosahaniny. Ny fanontaniana mipetraka izany dia ny hoe : iza no nanolotra an’i Marc Antoine Klimchand ho mpisolo ny mpanao gazety malagasy eo anivon’ny CENI ?

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mercredi, 20 Octobre 2021 15:07 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30