]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche OJM Madagasikara. Voafidy ho Filoha ara-dalàna i Monica Rasoloarison

OJM Madagasikara. Voafidy ho Filoha ara-dalàna i Monica Rasoloarison

FAMPITAM-BAOVAO

Ny Voamiera itambarana misahana ny fikarakarana ny fifidianana ny birao maharitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, dia miarahaba ny mpanao gazety nahatontosa ny fifidianana izay natao ny sabotsy 16 oktobra 2021teo, manerana ny Nosy.


Maneho etoana ny fankasitraha antsika mpanao gazety rehetra manerana ny Nosy ary mankasitraka manokana ireo mpikamban’ny Voamiera teny anivon’ny faritra izay niandraikitra arak’izay voalazan’ny didy aman-dalàna nybiraom-pifidianana teny amin’ny faritra.

Toa io manaraka amin’ny sary io ny vokatr’iny fifidianana iny, arak’ireo fitanana an-tsoratra :


Ireto indray kosa ny antsipirihiny isam-paritra :


Arak’izany, ny Voamiera itambarana misahana ny fikarakarana ny fifidianana sy ny Birao maharitra ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM), dia manambara fa voafidy ho mpikambana ao amin’ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara ny lisitra tarihin-dRamatoa Rasoloarison Harimbola Monica.


Ho fampitahana dia ampahafantarina amintsika fa tamin’ny taona 2014 dia mpanao gazety 557 tamin’ireo 2013 voasoratra anarana no tonga nifidy. Izany hoe : 46,30% ny taham-pandraisana anjara. 376 no nifidy ny Filoha Gérard Rakotonirina tamin’izany. Izany hoe : 31,26%-ny mpanao gazety ary ny fotoam-piasany dia tapitra tamin’ny taona 2017. Kanefa tsy nikarakara fifidianana vaovao mihitsy ny OJM hatramin’io 16 Oktobra 2021 io.

Ampahan'ny lahatsoratro tamin'ny 13 Desambra 2014, efa ho fito taona lasa izay

Izany hoe,teo anelanelan'ny taona 2017 sy 2021 5mandat iray izany) dia Filoha vonjimaika fotsiny ihany Atoa Gérard fa ny fampandehanan-draharaha ihany no nosahaniny. Ny fanontaniana mipetraka izany dia ny hoe : iza no nanolotra an’i Marc Antoine Klimchand ho mpisolo ny mpanao gazety malagasy eo anivon’ny CENI ?

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mercredi, 20 Octobre 2021 15:07 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...