]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche DIDIER RAMANOELINA. NANDAO ANTSIKA OMALY 5 NOVAMBRA 2021 NY ZANDRY NAMAKO SARIAKA LAVA. TENA ONTSA NY FOKO.

DIDIER RAMANOELINA. NANDAO ANTSIKA OMALY 5 NOVAMBRA 2021 NY ZANDRY NAMAKO SARIAKA LAVA. TENA ONTSA NY FOKO.

Aty New York aho no nisy nampandre fa hoe « lasa »  i Didier. « Didier iza dia lasa aiza », hoy aho nanontany. Didier Ramanoelina no valiny.


Didier Ramanoelina ? Izy ilay mpanao gazety tsy dia fantatry ny olona satria tsy be sehoseho fa olona tsotra fanahy, tso-piainana. Zandriko heritaona izy ary maro ny gazety niasany. Mifankalala tsara izay ary ho adinoko mihitsy ny fomba fitsikiny sy ny fomba fihomehiny. Somary misompirana izay.

Ingahy Rivo Rakotovao be hambo-po diso toerana no nampalaza an'i Didier tampoka. Nisy lahatsoratra mitondra ny lohatany hoe : « Les Messieurs du Bois De Rose » nivoaka tao amin'ny gazety « Madagascar Matin » ny sabotsy 12 jolay 2014. Izy io dia mpamaky nanao sonia amin'ny anarana mazava hoe : Mirado RASOLOFOMANANA, Sociologue, no nanoratra azy ary tao amin'ny hoe « Courrier des lecteurs » no nivoaka. Io lahatsoratra io koa avy eo, vetivety dia niparitaka tao amin'ny Internet. Ity ampahany manaraka ity anefa no tsy levon'ny vavon'ingahy Rivo Rakotovao :

(...) Et que dire ce comitĂ© interministĂ©riel dont tous les membres civils sont des membres actifs du HVM. Il ne reste plus qu’à y intĂ©grer RaBekonetaka (Rivo Rakotovao), un autre porte valise d’Eric Nazaraly sur les affaires douaniĂšres du temps oĂč il Ă©tait Conseiller de Hery Rajaonarimampianina et la boucle est bouclĂ© (...).

I RaBekonetaka moa tamin'izany dia « ministre d’État chargĂ© des Infrastructures, de l'Equipement et de l’AmĂ©nagement du Territoire » notendren'ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ka dia nametraka fitoriana izy izay niafara tamin'ny fanagadrana tsy nisy atakan'andro an'i Jean-Luc Rahaga, Directeur de publication, sy Didier Ramanoelina, RĂ©dacteur en Chef-ny gazety « Madagascar Matin ». Efa tsy ara-dalana ny mikasika an'i Didier.

Avy hatrany dia nalefa tany Antanimora izy roalahy ary nijanona tao 4 alina sy telo andro. Satria dia ilay Filoha nanendry azy no nanery an'i RaBekonetaka hanala ny fitoriany izany tsy mitombina velively. Izao manaraka izao tokoa no niseho mantsy :

Le 24 juillet 2014, voici la teneur d’un communiquĂ© Ă©manant de la PrĂ©sidence de la RĂ©publique :

« Sur ordre express du PrĂ©sident Hery Rajaonarimampianina, Monsieur le ministre d’État chargĂ© des infrastructures, de l'Ă©quipement et de l'amĂ©nagement du territoire Rakotovao Rivo, a retirĂ© sa plainte contre les deux journalistes placĂ©s en dĂ©tention prĂ©ventive ».

Asa raha izany no atao hoe afa-baraka na tsia. Kanefa dia io olona io ihany no « voafidy » ho Filohan'ny Antenimieran-doholona ka nisolo toerana vonjy maika io Filoha 08% nametra-pialana io. Tantara marina fa hafa.


Izay no nampalaza tampoka an'i Didier Ramanoelina izay mbola nijanona niasa ho mpanao gazety hatrany na dia efa nahatratra ny taona hisotroan-dronono.

Tamin'ny herintaona dia notoloran'ny ministeran'ny Serasera ny mari-boninahitra « Chevalier de l'Ordre national malagasy » izy noho ny asa vitany teto sy ho an'ny Firenena amin'ny maha-mpanao gazety azy ny namako Didier Ramanoelina.

Vitsy anefa no nahalala fa efa nokikisana aretina izy efa ela ihany. Ny fankahitanay farany dia tamin'ny nandevenana ny zokibe Daniel Rakotoseheno tany Ambohimanga, ny 05 septambra 2021.

Mpikambana mavitrika ao amin'ny CJD (fikambanan'ny mpanao gazety zokiolona i Didier Ramanoelina. Anisan'ny namangy aho tao amin'ny Clinique Saint Paul, niaraka tamin’ny mpaka sary Fidisoa Ramanahadray, i Didier, tamin'izaho tratry ny « insuffisance respiratoire sĂ©vĂšre » (fa tsy Covid-19 akory) tamin'ny taona 2020 lasa iny.

Lasa i Didier ! Ho entina any Fandriana tanindrazany ny nofo mangatsiakany rehefa avy nandrasana ao Anosisoa Ambohimanarina (jereo ny ferapara asa fady indrindra). Izaho moa dia mbola eto New York ka tsy afaka manatrika izany akory. Malahelo tokoa ny fo fa tsy maintsy mitraka ary indrindra tsy maintsy mijoro mankahery an-tsaina ny vadiny ny ireo zanany vavy roa : Tsy irery akory ianareo telo mianaka sy ny fianakaviana iray manontolo, fa miray fo aminareo ny tenako.

Mandrapihoana Didier a !

Jeannot Ramambazafy

New York, faha-6 Novambra 2021


Mis Ă  jour ( Samedi, 06 Novembre 2021 13:59 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...