]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Michel D. Ramiaramanana. Mangina aho ka tsy milao-bava...

Michel D. Ramiaramanana. Mangina aho ka tsy milao-bava...

« Mangina aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao ». Io ny fehezan-teny iray manontolo azo vakiana ao amin’ny Salamo 39.9.

Tsy hitako tokoa izay ambara mikasika ny fahalasan’i Michel Domenichini Ramiaramanana. Fa izao kosa : tsy ny Covid-19 mihitsy akory no nahalavo azy fa ny aretina « cancer » izay nikika azy efa aman-taonany. Izao no lahatr’Andriamanitra ka dia tsy maintsy manaiky isika zanakolombelona.

Telo taona lasa izay no niaraka nandevina ny rainy, Jean-Pierre Domenichini tany Ambohimanjaka Andramasina izahay (VIDEO ETO). Eto anefa dia miala tsiny amin’ny fianakaviana raha toa ka tsy ho hita aho amin’io andro hanaovam-beloma an’i Michel io. Ataoko fa ho « comprĂ©hensifs » ny rehetra amin’ny anton'izany.

Ny azo ataoko, mba ho marika ny fiombonam-po sy saina amin’ny rehetra, dia ny manolotra ny Salamo 39 iray manontolo.

Veloma Michel, mandria am-piadanana.

Jeannot Ramambazafy

+ + + + + +


+ + + + + +

Ny fahatsinontsinon'izao fiainana izao

1. Ho an'ny mpiventy hira. Ho an'i Jedotona Salamo nataon'i Davida. Hoy izaho : hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin'ny lelako ; hasiako fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.

2. Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia ny tsara aza, dia nihetsika mafy ny fanaintainan'ny aretiko.

3. Nafana ny foko tato anatiko ; raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin'ny lelako aho.

4. Jehovah ĂŽ, ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.

5. Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza.

6. Aloka tokoa no fandehandehan'ny olona; zava-poana tokoa no itabatabĂ ny ; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon'izany.

7. Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ĂŽ ? Hianao no antenaiko.

8. Manafaha ahy amin'ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran'ny adala.

9. Mangina aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao.

10. Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy ; reraka aho azon'ny famelin'ny tananao.

11. Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao ; zava-poana tokoa ny olona rehetra.

12. Mandrenesa ny fivavako Jehovah ĂŽ,ary mihainoa ny fitarainako; aza mangina amin'ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.

13. Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony.

Salamo 39 : 9

Mis Ă  jour ( Mardi, 21 DĂ©cembre 2021 08:21 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...