]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Michel D. Ramiaramanana. Mangina aho ka tsy milao-bava...

Michel D. Ramiaramanana. Mangina aho ka tsy milao-bava...

« Mangina aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao ». Io ny fehezan-teny iray manontolo azo vakiana ao amin’ny Salamo 39.9.

Tsy hitako tokoa izay ambara mikasika ny fahalasan’i Michel Domenichini Ramiaramanana. Fa izao kosa : tsy ny Covid-19 mihitsy akory no nahalavo azy fa ny aretina « cancer » izay nikika azy efa aman-taonany. Izao no lahatr’Andriamanitra ka dia tsy maintsy manaiky isika zanakolombelona.

Telo taona lasa izay no niaraka nandevina ny rainy, Jean-Pierre Domenichini tany Ambohimanjaka Andramasina izahay (VIDEO ETO). Eto anefa dia miala tsiny amin’ny fianakaviana raha toa ka tsy ho hita aho amin’io andro hanaovam-beloma an’i Michel io. Ataoko fa ho « compréhensifs » ny rehetra amin’ny anton'izany.

Ny azo ataoko, mba ho marika ny fiombonam-po sy saina amin’ny rehetra, dia ny manolotra ny Salamo 39 iray manontolo.

Veloma Michel, mandria am-piadanana.

Jeannot Ramambazafy

+ + + + + +


+ + + + + +

Ny fahatsinontsinon'izao fiainana izao

1. Ho an'ny mpiventy hira. Ho an'i Jedotona Salamo nataon'i Davida. Hoy izaho : hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin'ny lelako ; hasiako fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.

2. Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia ny tsara aza, dia nihetsika mafy ny fanaintainan'ny aretiko.

3. Nafana ny foko tato anatiko ; raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin'ny lelako aho.

4. Jehovah Ă´, ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.

5. Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza.

6. Aloka tokoa no fandehandehan'ny olona; zava-poana tokoa no itabatabĂ ny ; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon'izany.

7. Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo Ă´ ? Hianao no antenaiko.

8. Manafaha ahy amin'ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran'ny adala.

9. Mangina aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao.

10. Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy ; reraka aho azon'ny famelin'ny tananao.

11. Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao ; zava-poana tokoa ny olona rehetra.

12. Mandrenesa ny fivavako Jehovah Ă´,ary mihainoa ny fitarainako; aza mangina amin'ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.

13. Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony.

Salamo 39 : 9

Mis Ă  jour ( Mardi, 21 DĂ©cembre 2021 08:21 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30