]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Maitre WILLY "OLALA" RAZAFINJATOVO. NODIMANDRY NY TALATA 25 JANOARY 2022

Maitre WILLY "OLALA" RAZAFINJATOVO. NODIMANDRY NY TALATA 25 JANOARY 2022

Samy taitra daholo na izahay havany (zanakolompirahavavy izahay), na ny mpiara-miasa aminy, na ny tapaka na ny namana na ireo olona rehetra narovany amin'ny maha mpisolo vava ("avocat") azy.

Fito polo taona mahery (76 no tena marina) izy izao lavon'ny aretina covid-19 izao, teny amin'ny hopitaly manara-penitra etsy Andohatapenaka.

Efa niomana ny hody any an-tranony izy kanjo... Izay tokoa no lahatra.


Raha tsiahivina dia tamin'ny tolon'ny mpianatra tamin'ny volana mai 1972 i Me Willy no nomenay mpianatra io anaram-bositra "Olala" io. Satria isaky ny niteny izy, rehefa nanetana teo amin'ny kianja filalaovam-baolina kitra ao Ankatso dia tsy maintsy asiana "Oh la la ! " hatrany ny fehezan-teniny. Raiki-tampisaka io anarana tsy ho adino mandrakizay.


Taty aoriana dia isan-taona no tsy maintsy mametraka fehim-boninkazo eo amin'ny kianjan'ny 13 May eo Analakely i Willy Olala, miaraka amin'ireo mpikambana ao amin'ny "Hetsika 13 Mai 72".

Mba ho fahatsiarovan-tsika sy hanomezako voninahitra farany an'io zokiko io, dia ireo ny sary sy ilay video mirakitra ny fanambazany teo amin'io toerana io, tamin'ny 13 mai 2013, efa ho sivy taona lasa izay.


Tsy aiko ny mamangy tena fa eo anilan'i Caya vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ao am-po sy ao am-panahy izaho sy ny ankohonako eto an-toerana, ary koa ireo ankizy any andilambato any.

Ny alarobia 26 janoary i Me Willy Olala no nalevina eny Ivandry.

Mandria am-piadanana Willy a !


Jeannot Ramambazafy mianakavy sy ny mpiara-miasa eto aminy madagate

Mis Ă  jour ( Mercredi, 26 Janvier 2022 19:11 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...