]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Shireen Abu Akleh. Mpanao gazety ao amin’ny Al-Jazeera maty voatifitra teo am-perin’asa

Shireen Abu Akleh. Mpanao gazety ao amin’ny Al-Jazeera maty voatifitra teo am-perin’asa

Shireen Abu Akleh dia iray amin'ireo mpanao gazety malaza ao amin’ny fahitalavitra Arabo Al-Jazeera. Nodimandry ny alarobia 11 mey 2022. Fa inona no nahafaty azy ?


Azo lazaina fa maty teo am-perin’asa tokoa i Shireen satria nandritra ny fitantarany ny fifandonana tao Jenin ao Cisjordanie izy no voatifitry ny bala avy any amin’ny tafika israliana. Nisy mpanao gazety hafa roa naratra tamin’izany fitifirana izany.

Fa iza moa io namana mpanao gazety vehivavy io ?


Shireen Abu Akleh dia mpanao gazety Palestiniana-Amerikana teraka ny 3 Janoary 1971 tao Jerosalemna. Izy dia niasa ho mpanao gazety ho an'ny Radio Monte Carlo (RMC) sy ny Voice of Palestine. Niasa ho an’ny UNRWA (United Nations Relief and Works Agency for Palestine Refugees in the Near East - Office de secours et de travaux des Nations unies pour les réfugiés de Palestine dans le Proche-Orient) koa i Shireen, sy ho an’ny Amman Satellite Channel ary ny fikambanana MIFTAH (Initiative palestinienne pour la Promotion du Dialogue mondial et de la Démocratie) natsangan’i Ramatoa Hanan Daoud Khalil Achrawi ny taona 1998. Lakile no dikan’ny Miftah amin’ny teny arabo.


Tamin’ny taona 1997 i Shireen no niditra niasa tao amin’ny televiziona Al-Jazeera Media Network tsy misy izay tsy mahalala maneran-tany. Sady mpitantara izy ny camerawoman ihany koa. Monina tao Jerosalema Atsinanana izy ary mpitatitra ireo hetsika lehibe mifandraika amin'ny ady Israeliana-Palestiniana. Anisan'izany ny Intifada faharoa, ary mitantara ny politika Israeliana. Matetika izy no nitantara ny fandevenana ny Palestiniana novonoin'ny tafika Israeliana.


Ny 11 May 2022 dia lavon’ny bala teo am-perinasa i Shireen. Izay no anjarany eto amin’ity tany fandalovana ity. Izahay eto amin’ny Madagate dia maneho ny fiaraha-miory ho an’ny fianakavian’I Shireen sy ho an’ny fiakaviam-ben’ny mpanao gazety amin’iny faritra tsy mety mahita masoandro amina resaka ady tsy misy farany tokoa.


Mandrià am-piadanana Shireen, vita ny asanao tety an-tany.

رضي الله عنك (radi allah eank) : qu'Allah le Grand Miséricordieux veille sur toi.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Jeudi, 12 Mai 2022 10:12 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30