]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antananarivo. Iza moa Monseigneur Jean de Dieu RAOELISON, mandimby an’i Monseigneur Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA lasa Évêque Émérite ?

Antananarivo. Iza moa Monseigneur Jean de Dieu RAOELISON, mandimby an’i Monseigneur Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA lasa Évêque Émérite ?

Ny 5 jona 2023 dia neken’ny Papa François ny fametraham-pialan’i Monseigneur Odon Marie Arsène Razanakolona amin’ny fitantanana pastoraly ny Arsidiosezin’Antananarivo.

Niaraka tamin’izany dia notendreny ho Arsevekan’Antananarivo i Monseigneur Jean de Dieu Raoelison, evekan’Ambatondrazaka hatramin’io daty nanendrena azy io.

Monseigneur Jean de Dieu Raoelison dia teraka tao Arivonimamo, ny 31 jolay 1963.

Ny 7 septambra 1996 izy no nohamasinina ho pretra

Ny 25 marsa 2010 izy no voatendry ho eveka mpanampy ho an’ny Diosezin’Antananarivo ary nohamasinina ho eveka, teo amin’ny Kianja malalaky ny Kolejy Masina Misely Amparibe, ny 13 jona 2010

Voatendry ho evekan’Ambatondrazaka izy ny 11 aprily 2015

Ny fiofanana narahiny

Nanao ny fianarana fanabeazana fototra tao amina Sekoly Katolika iray, talohan’ny nidirany tao amin’ny Seminera Zandriny ao Ambohipo (1981-1986).

Ny taona 1987 - 1988, stage tao amin’ny Distrika misioneran’Ambohitsoabe

Ny taona 1988 hatramin’ny 1991, nianatra ny Filozofia tao amin’ny Seminera Zokiny rezionaly tao Antsirabe

Ny taona 1993 hatramin’ny 1996, Nianatra ny Teolojia tao amin’ny Seminera Zokiny ao Ambatoroka Antananarivo

Nahazo ny mari-pahaizana Licence momba ny Teolojia tao amin’ny Institut Catholique de Madagascar (ICM, UCM ankehitriny), tamin’ny taona 1998

Ny taona 2004 hatramin’ny 2008 : Nanohy fianarana tany amin’ny Faculté théologique de Lugano (Suisse), nahazo ny Doctorat en Théologie dogmatique


Ireto avy ny toerana nanirahana azy tao aorian’ny nanamasinana azy ho pretra :

1996 - 1998 : vikera tao amin’ny Paroasin’ Ilanivato

1998 - 2000 : curé tao amin’ny Distrikan’i Fenoarivo

2000 - 2003 : Mpanabe tao amin’ny Seminera Zokiny Manantenasoa Antsirabe

2003 - 2004 : pretra "Fidei Donum " tao amin’ny Paroasin’i Lamoli-Urbino (Italie)

2008 - 2009 : Nampianatra ny Teolojia tao amin’ny Seminera Zokiny ho an’ny Teolojia ao Faliarivo sady secrétaire de coordination-n’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara ary talen’ny Famoahana ny Gazety Lakroan’i Madagasikara

2010 – 2015 : Eveka mpanampy tao amin’ny Diosezin’Antananarivo

2015 hatramin’izao nanendrena azy izao : Evekan’ny Diosezin’ Ambatondrazaka

Mis à jour ( Mardi, 06 Juin 2023 09:12 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30