]
Les quotidiens du 12 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

Eo amin’ny folo (10) eo aloha no vita boky, androany zoma 11 avrily 2025, momban’ny asam-pikaroana nataoko, mikasika ny fitrandrahana harena an-kibon-tany eto Madagasikara.

Tao amin'ilay trano printy nomerika

Tontosako avy hatrany ny laharam-pahamehana, dia ny nanatitra boky ho an’ny tranom-bokim-pirenena (« Bibliothèque nationale ») ao Anosy, sy ho an’ny tranom-boky monisipaly (« Bibliothèque municipale ») ao Analakely. Vakian’ireo mpianatra eo an-toerana izy ity. Mbola ho any Ankatso koa aho fa tsy adinoko akory ianareo eny amin’ny anjery manontolo manerana an’i Madagasikara.


Ny tanjona dia ny mba halalan-dry zareo ny zava-misy marina sy azo hamarinina, fa tsy hihaino feon-dakolosy sy tsaho fanaratsiana rano fotsiny fa tsy mandinika ny ho avin’ireo tanora maro an’isa eto Madagasikara mangetaheta firenena mandroso ho an’ny taranak’izy ireo.


Hatreto aloha, ireo mitabataba, mandainga, manaratsy ny hafa vao misoka-bava dia tsy nisy foto-drafitrasa vitany mba ho tadidin’ny Tantara fa aotra toa ny entiny any ankoatra any rehefa tonga ny ora sy fotoana handaozan’ity tany fandalovana ity ao anatin’ny indray mipi-maso.


Ny dingana manaraka ? Dia hanatonta boky eo amin’ny zato eo tonga dia alefa any amin’ireo tranom-boky sy sekoly misy ao Toliara ao. Ho tontosa io na dia miala vola am-paosy aho. Tsy hangoron-karena ny anton-diako eto an-tany, satria koa tsy omby fasana izany fiara 4X4 izany na izany villa luxe be izany.


Fa manana adidy hahatonga ny tanora ankehitriny ho ray aman-dreny mendrika ao anatin’ny fahamarinana sy ny fanajana ireo nialoha azy ireo. Ho tsapany fa aleho mifanena amina mpamosavy toa izay mifanena amina mpandainga mpanozon-tena.


Ireo boky nosoratako ka azo jifaina ao aminy Amazon (https://www.amazon.fr/s?k=jeannot%20ramambazafy...) dia porofo fa marina tokoa ny lazaiko matetika : ny fahavalon’ny Malagasy dia Malagasy toa azy ihany. Ny sisan’izay dia fiatsarana ivelan’ny tsihy.


Ka dieny izao, omeo « relais » (fomba fiampitana) mifototra amin’ny tsara sy ny marina ny taranakareo rankizy satria tsy maintsy ho faty daholo isika zanakolombelona ao anatin’indray mipi-maso. Indrisy fa mbola misy no tsy mino izany. Asa, voavidiny koa angaha Rafahafatesana ?

Jeannot RAMAMBAZAFY

Mis à jour ( Samedi, 12 Avril 2025 07:12 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina