Tsy asian-tsika resabe fa ity manaraka ity ny kabary iray manontolo nataonâny Filoha Andry Rajoelina teny aminâny Rovanâi Manjakamadiana, androany Alakamisy faha-11 Aprily 2019.
« Ianareo raiamandreny lehibe isan-tokony, araka ny fiandrianany avy ;
Ianareo lehibenâandrim-panjakana isan-tokony ;
Andriamatoa sy Ramatoa isany mpikambana ao anatinâny governemanta ;
Andriamatoa sy Ramatoa isany masoivoho vahiny monina sy miasa eto Madagasikara ;
Ry Malagasy Namana ;
Tsaratsara Tompokolahy, Arahaba Tompokovavy.
Eto anaty Rova, faritra avo indrindra eto Analamanga no tafavory isika rehetra ankehitriny. Raha mitodika mianavaratra-atsinanana isika, dia mifankahita aminâAmbohimanga ; raha mitopy miankandrefana kosa isika, dia tazana ny vohitrâAmbohidratrimo ; raha mitodika mianatsimo, dia tazana ny tapinâAmbatofotsy ; raha mitodika miantsinana dia tazana Angavokely.
Izany hoe : eto aminâity toerana misy antsika ity no ivo sady avonâAntananarivo ary izany no isanâny nosafidiananâireo Mpanjaka fahiny azy ity nanorenana ny RovanâAntananarivo. Toerana niorenanâny Fanjakana, nisandratanâny Fiandrianam-pirenena ; toerana notantanana anâi Madagasikara ho nosy iray tsy mivaky anatinâny fahasamihafana ka nampiray ny Malagasy tsy vaky volo.
Tsaroako etoana manokana ny teninâAndrianampoinimerina hoe : « Ny ranomasina no valam-parihiko ». Fa izaho kosa eto, androany, dia manambara amintsika hoe : hatreny aminâny faravodilanitra midadasika no hibaliaka ny tanamasoandro hitondra hazavana sy ho avy mamiratra ho anâny isan-tokan-trano, ka izany no hiteraka hafanana indray, hamelona ny ambo-po-pirenena sy ny fitiavana tanindrazana hiredareda ao am-po-ntsika tsirairay avy.
Manana ny lanjany manokana ity toerana ity satria teto no nametrahana ny fahefanâi Madagasikara taminâny andronâny faha mpanjaka. Teto anaty Rova no niorina sy nisandratra ny fiandrianam-pirenana mariky ny firaisam-pirenena. Koa noho izany dia rariny loatra, ary ataontsika, nataontsika ary ho ataontsika laharam-pahamehana ny famitĂ na ny fanarenana ity Rova ity.
Koa anio Alakamisy 11 Aprily 2019 no natokantsika ho fanomboana ny asa famitĂ na ny fanarenana ny Rova eto Antananarivo ahitana anâi Besakana, ny Lapanâi Manjakamiadana ary ireo vakoka rehetra mandrafitra ity toerana ity izay manana ny lanjany manokana eo aminâny Tantaranâi Madagasikara. Izay indrindra no isanâny nanaovan-tsika teto aminâity fiangonana ity, taminâny 17 Janoary 2019 lasa teo, ny fangataham-pitahiana ho anâny Tanindrazana ary nitrotrona am-bavaka ny Firenena raha vatany voatafajoro ny governemanta, ary nametraha-ntsika ny fanamby hamitana ny asa fanarenana ny Lapanâi Manjakamiadana sy ny Rova iray manontolo.
Roa volana sy tapany aty aoriana, dia tonga eto isika anio. Koa atombontsika ny famitĂ na anâny Lapanâi Besakana. I Besakana izay anisanâny Lapa tranainy indrindra teto, ary ny mpanjaka Andriamasinavalona no nanorina azy ho tandroky ny tany sady ondam-panjakana hoy ilay tononkalo malaza. Ny famitan-tsika ity anaty Rova ity dia anandratan-tsika ny Fiandrianam-pirenena, ary amelomana indray ny ambo-po-pirenena ao anatin-tsika entina hanavotana sy hampandrosoana anâi Madagasikara ilay nosy malalantsika.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Semban-drahona tokoa mantsy ny firenena raha taminâny 6 Novambra 1995 rehefa may ny Rova ary nitomany i Madagasikara iray manontolo. Ankehitriny, raha mijoro eto anoloanareo aho, dia tsy manao fanambarana fotsiny fa anao velirano fa tsy maintsy ho vitain-tsika mialohanâny fankalazana ny faha-60 taona niverenenanâny Fahaleovantenantsika, ity vakoka goavana manana ny hasiny eto aminâny Firenena ity.
Raha tsy mametraka fanamby isika mantsy dia tsy handroso mihitsy ny Firenena. Raha hifampitsikera ihany koa, dia manao amina toerana foana lava izao. Raha ny famitĂ na ity Rova ity, raha ny famitĂ na ity Lapanâi Manjakamiadana ity dia afaka ataontsika hoe afaka 10 taona vao mety ho vita. Fa isika miasa aingana ary izay teny nolazain-tsika tsy maintsy ho tanterahana. Ary izay no noteneniko hoe : afaka iray taona ho reharehanâny Malagasy, dia ho vita ity Lapanâi Manjakamiadana sy ny Rova eto ity.
Zava-dehibe izao lanonana atrehin-tsika androany izao satria fanajana ny fototra ary fanomezan-kasina ny loharano niaviana. Ny tenako manokana dia tia mandalina ny Tantara ary ny taranaka Malagasy dia tokony mahafantatra sy mahalala ny tantaranâny Firenena ihany koa mba afahantsika mibanjina ny ho avy. Tsy afaka handroso mihitsy mantsy isika raha tsy mahafantatra ny hoe : avy aiza isika ary ho aiza isika ?
Raha mahakasika anâAnatirova manokana dia fanta-ntsika fa ny mpanjaka Andriamanjaka (Ttf: Andrianjaka no tianâny Filoha ho tenenina, izay nanjaka teo anelanelanâny taona 1610 sy 1630) no nanorina ny RovanâAntananarivo voalohany ary notohizanâireo mpanjaka rehetra nifandimby ny fanorenana sy ny fanatsarana ireo Lapa mandrafitra azy. Taty aoriana dia ny Mpanjakavavy Ranavalona I no nampanorina ny Lapanâi Manjakamiadana izay ato aorianako ato. Ka ny mpahay tao-trano Jean Laborde no niandraikitra ny maharo ny tranon-dapa izay nahorina tamina hazo, ny taona 1839.
Nohavaozinâny Mpanjakavavy Ranavalona II izany ho rafi-bato arakâizao endrika ahitana azy izao, ny taona 1869, ka ny mpahay tao-trano James Cameron indray kosa no nanamboatra azy taminâizany fotoana izany. Ny taona 1895 kosa dia notafianâny Frantsay i Madagasikara ary notifirina tamina tafondro ny Rova ary nanomboka teo dia voazanaka i Madagasikara.
100 taona katroka taty aoriana, ny alinâny Asabotsy 6 Novambra 1995, dia afo niredareda no tazana tety. Difotry ny setroka ny lanitranâAntananarivo, taitra ny rehetra, latsaka ny ranomaso satria may ny Rova. Fandoroana tsy fanta-pihaviana ve ? Fandoroana niniana ve sa tahaka ny loza rehetra ? Mbola mipetraka ny fanontaniana ankehitriny. Fa dia niteraka ratra am-po sy adin-tsaina ary adim-panahy ho anâny Malagasy izany toe-javatra izany.
Ratra lalina satria ny maha-izy azy ny Firenena no simba, rava ary lasa lavenona. Ankehitriny, indreto isika mianakavy ary ho vitain-tsika tanteraka ny Rova aminâny taona ho avy, izany hoe 25 taona aty aorianâny naha may azy.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,
Eto aminâity toerana manerinerina ity no hibanjinan-tsika ny ho avinâny Firenena. Ho averin-tsika aminâny endriny taloha ny Rova ary hapetran-tsika ho isanâireo vakoka manan-danja maneran-tany na ho angatahan-tsika ho atao « patrimoine mondial » ity toerana ity. Ho ampiasain-tsika ny teknolojia maoderina mba hampahafantaran-tsika sy hampiainan-tsika ho anâny taranaka fara aman-dimby ny tantaranâireo mpanjaka nifanesy aminâny alĂ lanâny fampiasana « projection » sy fampiasana « hologramme ».
Izany hoe, any aminâny rihana faha-3 dia toa ireo mozea maneran-tany, dia ho alain-tsika ny horonan-tsary na hoforonintsika indray ny endrika, ny fomba na ny fiteninâireo mpanjaka nifandimby izay nanamarika anâny Tantaranâny Firenena. Ho ataon-tsika maoderina, ho ataon-tsika miverina ohatry ny taminâny teo aloha ity Rovanâi Manjakamiadana ity. Tsy ho avelan-tsika ho fahatsiarovana fotsiny izany, izany hoe AnatirovanâAntananarivo izany fa ho antsangan-tsika eto indray, araka ny endriny fahiny.
Ary ny afo izay nandoro azy dia ho solon-tsika ho Afonâny Fitiavan-tanindrazana ao am-pontsika tsirairay. Koa ho tontosain-tsika ao anaty fotoana fohy, hoy aho, araka ny nolazaiko teo, mba ho reharehanâny Malagasy aminâny fankalazana ny faha-60 taona niverenanâny Fahaleovantena izany asa ho tanterahantsika izany.
Tsy maintsy ho tafarina ny Firenena. Tsy maintsy mandroso ary ho sangany i Madagasikara, koa ho firenena misandratra handry fahizay ny Nosintsika.
Masina ny Tanindrazana, ho sambatra i Madagasikara.
Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy ».
Nandika ny kabary ho soratra mitoetra : Jeannot Ramambazafy
Sary : Harilala Randrianarison
Antananarivo, faha-11 Aprily 2019