Sary toa milaza sy mampiseho fa tsy misy fikarakarana matotra intsony ilay orinasa tokony mampidi-bola be ho an'ny firenena malagasy
Nahazo fampiantsoana avy amin’ny Talen’ny Asa sy ny fampiroboroboana ny zo fototra ireo mpiasa sy mpampiasa ao amin’ny Orinasam-panjakana KRAOMITA MALAGASY, ka tonga tao amin’ny Minisiteran’ny Asa ny roa tonta ny 08 novambra 2019, niaraka amin’ny solotena avy ao amin’ny CFM na «Congrégation des Travailleurs de Madagascar». Fa nahazo izany fampiantsoana («convocation») amin'ny anarany manokana ihany koa ny Tale jeneraly.
Anisan'ny antony nampanantsoina ny Tale Jeneraly dia ny tsy fanajana ny fitsipika anaty sy ny fifanarahana iombonana na « convention collective » ; ny tsy fanajana ny fomba nifanaraha handoavana ny karaman'ny mpiasa ; ny tsy fanajana ny fandraisana an-tànana ireo mpiasa sy ny fianakaviany eo amin'ny lafin'ny Fahasalamana sy ny tontolon'ny fiarovana ny mpiasa am-perinasa ; ny tsy fandoavana ny latsakemboka ao amin'ny CnaPS sy ny fiantohana fanampiny...
Ny dikany, tsy nahomby ny tetika fanakanana ny hetsiky ny mpiasa nataon’Andriamatoa Nirina RAKOTOMANANTSOA, Tale jeneraly amin'zao fotoana izao, sy ny ekipany, fa tafakatra teto Antananarivo ihany ireo solotenan’ny mpiasa hitondra ny fitarainany eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa. Raha ny vaovao voaray avy tamin’ireo solotenan’ny mpiasa dia fandrahonana no nasetrin’ny mpitantana ny fangatahan’izy ireo hamonjy ny fiantsoana avy amin’io minisitera io hihainoana ny fitarainan’izy ireo. Inona marina no tena atahoran’ny mpitantana ao amin’io orinasa io ny hahalalan’ny maro an’isa ny tena zava-mianjady amin’ireo mpiasa ao Brieville ireo? Mahalasa saina hatrany ny ramatahora sy fanambanana fandroahana ireo mpitarika sendikaly izay mitondra ny tena zava-misy marina.
Raha nanontanianay ny solotenan’ireo izay niakatra taty Antananarivo -izay niala vola am-paosy- dia hita soritra tamin’ny endrik’izy ireo sy ny valin-teniny ny tsy fahafaham-po. Nambaran’izy ireo mantsy fa nahilik’Andriamatoa Nirina RAKOTOMANANTSOA sy ireo olona 15 niara-dia aminy nanatrika ny solotenan’ny mpiasa tao amin’ny Minisitera any amin’ny Mpitantana teo aloha sy ny Filan-kevi-pitantanana ary ny Filoham-pirenena ny fikatsoan’ny Orinasa sy ny tsy fahitana vahaolana mandraka ankehitriny. Nambarany, hoy ireo mpiasa, fa tsy nisy voavaliny izay fanontaniana rehetra napetraky ny mpiasa mikasika ireo olana ara-tsosialy tsy mety voavaha hatramin’izao.
Miovaova hatrany, hoy ny mpiasa, ny valin-teny omen’ny mpitantana, nolazaina tany am-boalohany fa efa efa-bolana izay no nanolorana ny “Plan de relance” any amin’ireo Mpikambana any amin’ny filan-kevi-pitantanana saingy tao anatin’ireo fivoriana in-droa miantaona nataon’izy ireo dia tsy mbola nodinihina izany “drafitra” izany ; nolazaina indray avy eo fa efa nankatoavina fa tsy mbola voalamina ny fohy ezaka sy ny lavitr’ezaka. Tsy fantatra marina izay tena antony tsy nahavoaloa ny latsakemboka CNaPS sy ny HAVANA hatramin’ny taona 2016. Miahiahy ireo mpiasa fa nisy nanodinkodina izany vola izany, saingy na dia teo aza ny “État financier” izay nambaran’ny Tale Jeneraly fa ahitana ny anton’ny faty antoky ny Orinasa, dia tsy hita marina hoe natao aiza na natao inona ilay vola tokony ho naloa tany amin’ireo trano fiantohana ireo, nefa esorina isam-bolana ao amin’ny karaman’ny mpiasa hatramin’izay ka hatramin’izao.
“Parc de voitures légères” amin'izao fotoana izao
Isan’ny fototry ny fahasorenan’ny mpiasa ny nahafantarany fa nisy ady varotra teo amin’ny mpitantana ny Kraoma S.A sy ny Kraoma Mining, ka nakarina 200.000 dolara ny vola omena isam-bolana ny Kraoma S.A, ary nakarina 30% ny anjarany amin’ny tombony; ny mahagaga anefa raha ny filazan’ny mpiasa dia tsy mba nojerena ny momban-dry zareo mpiasa. Fanaovana tsinontsinona ve sa fanadinoana?
Tamin’ny fotoana nidirany teo amin’ny fitantanana dia nampanantena Andriamatoa Tale Jeneraly fa hisy fanadihadiana lalina ny antony nahatonga izao olan’ny Orinasa izao, saingy na dia natao aza ny “Audit interne”, ary narahin’ny “Audit” hafa nataon’ny “Cabinet International PWC”, dia tsy hita izay tena tompon'andraikitra amin’ny fandrendrehana ny Orinasa Kraomita Malagasy. Raha any amin’ny minisitera sy sampan-draharaham-panjakana hafa anefa dia ny mpitantana teo aloha efa naiditra am-ponja sy miandry fitsarana. Fa ireo mpitantana izay heverin’ny mpiasa fa namotika ny Orinasa Kraomita Malagasy kosa dia mbola miriaria amim-pilaminana. Isan’izany ny Tale Jeneraly teo aloha, Arsène RAKOTOARISOA, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany, Henri RABARY-NJAKA, ny Filohan’ny Filankevi-pitantànana Eric RANDRASANA.
Maro ihany koa, raha ny fantatra, ny afera maloto ataon’ny mpitantana ankehitriny, saingy tsy misy mpanelingelina. Eo, ohatra, ny fitrandrahana an-tsokosoko ny volamena ao Maevatanàna, Betsiaka sy ao Brieville. Eo koa ny tsy fangaraharana eo amin'ny fanondranana ny “chrome”.
Izao no tazana sy hita ao amin'ny “Parc de voitures poids lourds” na VPL
Zary lasa zohy fieren’ny jiolahy ny Orinasa Kraoma. Ireo teo aloha toa afa-maina, ireo tato afara toa milamin-tsaina, manao izay tiany atao. Asa na minia tsy mahita na mpiray tsikombakomba amin’izao raharaha izao ny Minisitera sy ny Filohan’ny Filankevi-pitantànana... Ny tena tiana ambara eto dia izao : hafa ny voalaza amin'ny haino aman-jery eto Antananarivo ary hafa mihitsy ny zava-misy any an-toerana. Fa lasa ozona mihitsy ve ilay toetra tsy mahafehy tena rehefa injay voatendry amina toerana ambony ny Malagasy e ? Toa zary lasa fanamparam-pahefana no mitranga hatrany. Marihina fa azo porofoina daholo izany rehetra voalaza izany. Misy ny sary ary indrindra indrindra horonam-peo mampibaribary fa mivadi-dela matetika ingahy Tale jeneraly ankehitriny.
"Atelier de maintenance” tsy zarizary
Tsy izy velively akory no enjehina eto, sanatriavin'ny vava, fa manaraka ny tenin'ny Filoham-pirenena izay nilaza vao tsy ela fa “mila mahalala ny zava-misy marina ny vahoaka”. Ka an'izay mitsivalana an'izany zava-misy sy iainan'ireo mpiasa ao amin'ny orinasa Kraoma S.A no manome porofo tsy azo hivalozana fa tena tranon-dainga izaho. Tantara mbola hitohy satria aina no fetrany ary izay mpitantanana rehetra nifandimby tao nanomboka ny taona 2014 fotsiny dia toa vao mainka nandrendrika ilay orinasa “malagasy” toa ny hafa... Sa izany mihitsy no tena tanjona dia izaho fotsiny no adala mikikiaka ireny an'efitra ?
Jeannot Ramambazafy - Lahatsoratra hita ihany koa ao amin'ny "La Gazette de la Grande île", sabotsy 16 Novambra 2019