]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Sylvain Willy Rabetsaroana. Mahay zavatra mihitsy ireo tsy tia Tanindrazana

Sylvain Willy Rabetsaroana. Mahay zavatra mihitsy ireo tsy tia Tanindrazana

Marina fa nataon’ny sasany teny frantsay hatrany ny « amelezana » an’i SylvainWilly Rabetsaroana amin’ny hoe « La population n’a plus rien à attendre de ce régime ». Asa, mila manao tatitra any amin’ny reny malala angaha ? Saingy izao : ny marina iray sy tokana ihany ary miala avy amina tahiry tsy azo foronina sy tsy azo fafàna na dia mihezaka manao izany ireo « sasany » ireo, na avy amin’ny « fanoherana », na avy ao akaikin’ny fitondrana mihitsy aza. Inona moa no mahagaga amin’izany ?

Raha ny marina izany dia tokony nataoko teny frantsay ity lahatsoratra ity. Kanefa miantefa any amin’ireo Malagasy nandany fotoana namoaka io lahatsoratra izay tsy mifanitsy amin’izao vanim-potoana izao mihitsy. Tsy dia ny anatratrarana azy ireo no tanjoko -hitsingidina ho azy eo ihany ny nanao azy io ami’ny fotoana tsy hampoiziny-. Ny tanjoko dia ny hamerina amin’ny laoniny ny tranga tena nisy. Ndao ary.


Aty Toamasina moa somary tara ny gazety vao tonga, indrindra rehefa faran’ny herinandro. Any ka ao amin’ny Internet no malaky raha te-hanaraka ny vaovao misy eto an-tanindrazana sy any ivelany. Sendra nijery ny gazety « Madagascar Matin » ary aho omaly zoma, ary io ambany io no hitako :


Raha adika io lohateny io dia hoy i Sylvain Rabetsaroana hoe : « Tsy misy n’inona n’inona andrasan’ny vahoaka amin’izao fitondrana izao ». Ary na dia tsy voasoratra mazava aza, avy hatrany dia any amin’ny fitondrana Andry Rajoelina no mby ao an’eritreritry ny rehefa amin’io lahatsoratra nosoniavin’i Ariane Valéry izay tena mpanao gazety ao amin’ny « Matin » tokoa. Fa mino aho fa tsy misy adisoany mihitsy no nipoiran'io lahatsoratra io tampoka teo. Ao raha...

Fa ho an’ny ankamaroan’ny mpamaky izay tsy dia zatra mikaroka dia midika ho « famadiana » an’ny Filoha Andry Rajoelina io voalaza io. Rehefa navadibadiko ilay lahatsoratra dia toa misy zavatra efa novakiako mitovy amin’io mihitsy fa tamin’ny taona 2016 tany ho any. Inona tokoa moa fa dia izay mihitsy no hitako.

Raha ny fijery azy dia tamin’ny alakamisy 20 oktobra 2022 no nivoaka io lahatsoratra io, izay milaza fa niseho ingahy Sylvain Rabetsaroana « taorian’ny nananganany ny vondrona « Mitsanganà ry Malagasy ». Ary hoe « complètement révolté » hono izy. Anjanarao mpamaky no mandika io.

Nikaroka tao amin’ny tahiriko aho ary dia tena diso daty sy fotoana io lahatsoratra io satria ny « Mitsanganà ry Malagasy » dia ny taona 2016 no niorona. Ka raha taorian’izany no nanao ireo fanambarana ireo Andriamatoa Rabetsaroana dia miantefa any amin’ny filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina io hoe « Tsy misy n’inona n’inona andrasan’ny vahoaka amin’izao fitondrana izao », fa tsy any amin’ny filoha Andry Rajoelina izay ny taona 2019 vao nandray ny fahefana feno, rehefa voafidy filoham-pirenena ny volana desambra 2018.

Ireo ambany ireo ny porofo momba izany fa tsotra no amaranako ity lahatsoratro ity : mbola mitoetra hatrany ny « zarazarao anjakana » nolovain’ny sasany avy any amin’i Joseph Gallieni. Na Malagasy ireo na vahiny.

Aiza ho aiza izao ny toeran'ireo nanao sonia tamin'io 02 Septambra 2016 io ?

Mila mailo fatratra ny filoha Andry Rajoelina satria efa azo lazaina fa ankatoky ny fifidianana filohampirenena tokoa i Madagasikara izao ka hitady ny fomba rehetra hisian’ny ady an-trano ao amin’ny fitondrana ireo « mpanohatra ». Fa tsy latsa-danja koa anefa ireo nahazo seza tsy nitolona na iray segondra aza, ka hanao vy very ny ainy mihitsy sao ho very kapoaka eo… Tsy fitiavanana Tanindrazana daholo izany.

Fa an’iza tokoa moa ny gazety « Madagascar Matin » ?...

Jeannot Ramambazafy

22 Oktobra 2022

Mis Ă  jour ( Samedi, 22 Octobre 2022 16:03 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024