Io fehin-teny nataoko lohaten io dia hita ao amin’ny Baibolin’ny kristianina ao aminy Marka 12 : 17; Matio : 20 : 22 ary Lioka 20 : 25.
Raha atao tsotsotra ireo teny ireo dia midika fa mila averina tsara amin’izay tompony ny teny voalohany tena nolazainy. Asa aloha raha tsy mahazo teny frantsay tsara ny mpanao gazety sasany sy ireo mitonona ho « lanceurs d’alerte » fa raha ny taratasy -AMIN’NY TENY FRANTSAY- navoakan’ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Mamy Raou Ravelomanana, dia tsy nilaza mihitsy izy fa « Hakatona ny sekoly ambony politeknika eny Votonvorona ». Io fandrarana io dia mikasika ireo mpianatra efatra voalaza fa nitarika ny fitokonana. Tsy hidirako ny fanompana natao tamin’ny Filoham-pirenena satria ampahafirin’ny ataon’ny La Gazette de la Grande île azy isan’andro vaky izao...
Izao no voasoratra ao amin’ilay taratasy -AMIN’NY TENY FRANTSAY- navoakan’Andriamatoa Ravelomanana : « l’accès de l’enceinte de l’Université, tous les sites, LEUR est interdit » (ho azy efatra) . Fa tsy hoe « l’enceinte de l’Université, tous les sites, EST INTERDIT » (ho an’ny mpianatra rehetra). Samy hafa be.
Io 09 marsa 2023 io ihany dia namoaka fanambarana ny ministera mpiahy (MESUPRES) nilaza -AMIN’NY TENY MALAGASY- fa, araka ny filazan’ny tomponandraikitra eny Votonvorona : « misy ny fahalalahana feno hijanona amin’ny faritry ny Cite VONTOVORONA rehefa manaja ny filaminana ary tomponandraikitra izay manao ny fanakorontanana » .
Ny ampitsony 10 marsa 2023 dia nisy fanambarana iombonana -AMIN’NY TENY FRANTSAY (hanairana ny France24 sy ny forongony angaha)- navoakan’ireo fikambanana ana mpianatra nosoniavin’ny Filoha miisa valo. Niodina ny resaka niodina fa niafara tamin’ny hoe : « Nous condamnons fermement la fermeture de l’École Polytechnique Votonvorona. Nous suivons de tres près la situation des étudiants convoqués » etsetra etsetra. Tsy adikako io sady feno diso koa ny manaraka.
Mazava fa misy mpanao politika ao ambadik’ireo fanambarana amin’ny teny frantsay ireo.
Araka ny mpandinika ny fiainam-pirenena tsy misorona izay -tsy ho lazaiko eto ny anarany araka ny fangatahany- dia izao no teti-dratsy :
« Vao nilatsaka ilay fanapahan-kevitra dia nisesisesy avy any ny hoe mihetsika ny fikambanan’ny mpianatra, ny mpanao politika avy amin’ny fanoherana samihafa mandrirotra ilay resaka.
Ankoatra izay, ny resaka vatsim-pianarana na « bourses » : mahalala tsara ny fandehany ireo mpianatra ka tsy tokony hisy antony nitokonana mihitsy fa niniana noforonina ilay hetsika, nokaramaina ireo mpianatra nitarika korontana teny. Na ny fanamboarana ny trano fonenana sy ny resaka jiro aza efa hain’ny mpianatra fa ao anatin’ny fikarakarana amin’izao fotoana izao fa tsy azo atao barofo satria « marchés publics » no resaka ka misy pitsopitsony tsy maintsy hajaina sy arahina ».
Ny harivan’ny 10 Marsa 2023 dia nanao fanambarana -AMIN’NY TENY MALAGASY- ny minisitra mpiahy, Ramatoa Assoumacou Elia Beatrice, tao amin’ny fandaharana « Tsy ho tompon-trano mihono » vokarin’ny Rnm sy Tvm isaky ny zoma. Toa izao izany fanambarana izany raha fintinina:
« Afaka mipetraka ankalalahana eny amin'ny trano fonenany ny mpianatra rehetra ary tsy mikatona ny sekoly ambony eny Vontovorona . Ny minisitera sy ny CROUA no tomponandraikitra voalohany amin'ny fanesorana ny mpianatra na tsia amin'ny trano fonenany. Tsy nisy ny taratasy avy amin'ny minisitera na avy amin'ny CROUA manala ny mpianatra eny amin'ireo trano fonenany ireo. Ankoatra izay dia tsy manara-dalà na ny fanakatonana ny sekoly fampianarana ambony eny Vontovorona. Fanapahan-kevitr'olon- tokona ary tsy nandalo teo anivon'ny filankevi-pitantanan'ny oniversite ny naoty nivoaka omaly ary nahabe resaka ».
Iza marina ary no nanely fa « nakatona ny sekoly ambony eny Vontovorona » ? Azy ny azy, fa izao -ary mpianatra tao Ankatso ny tenako nanoratra, ny taona 1972, fa tsy nety voarebirebin’ireo mpanao politika izahay tamin’ny tolonay fa ireo farany ireo no nisisika, rehefa avy nitifitra sy namono ho faty ny namanay sasany teo anoloan’ny Lapan’ny Tanana, ny Sabotsy 13 Mey 1972- :
Aza mety rebirebena amina vola maloto ianareo rankizy ! Ianareo matoa nalefa nianatra any amina sekoly ambony dia antenaina hitondra ity firenena iombonana ity any amin’ny tsaratsara hatrany. Aza manaiky atao sorona sy tohotohotra fiakaran’ireo hanadino anareo rehefa hihevitra ho tafita izy ireo. Ho tavela eo ianareo.
Ny tena mampalahelo amin’ity resaka ity anie dia izao e : amin'izao fiandohan'ny volana marsa 2023 izao, maro ireo mpiray tanindrazana ao anaty fasahiranana noho ny rivodoza Freddy -ny ao Toliaraan'isany-, izay tsy fantatra hoe ho aiza marina sy rahoviana vao ho levona rehefa avy any Mozambika fanindroany, kanefa dia misy mpanao politika sasany tsy mitsahatra miketrika afatsy korontana hamotehana ny firenentsika. Maro tamin’ireo milaza fa "mpanao politika" no nitondra kanefa inona no vitany teo hafa-tsy ny fikarakarana ny fahasalaman’ny paosiny sy ny an’ny fianakaviany ? Mahantra ihany anefa avy eo…
Tongava saina rankizy fa ny nenina any afara handatsa. « Ny vola fitady ny herim-po fanary ka mba fidifidio ny namana rehefa handany ny efa hary ».
Jeannot RAMAMBAZAFY