]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une SITENY. Ilay mpamarakin’i Tsianengeha lasa «robot» tsy tompon’ny tenany intsony

SITENY. Ilay mpamarakin’i Tsianengeha lasa «robot» tsy tompon’ny tenany intsony

Tsy fantatro intsony hoe iza no mampalaheho indrindra : ny firenena ve sa ny vahoaka malagasy sa i Siteny tenany mihitsy, mihevitra fa « zavatra » ? Araho ary ny tantara.


Tamin’ny taona 2018, izay taonam-pifidianana toa ity 2023 ity, teto Madagasikara, dia nisy tokoa ireo kandida ho filoham-pirenena nomena teratany rosiana volabe nafahany nandray anjara. Fanta-tsika ny vokany fa 01% daholo -raha be indrindra- no mba vato azony. Fa nampanankarena azy ve izany vola maloto nomena azy ireo izany ? Teo amin’ny valo teo no isany. Tsy ho tononoko eto daholo izy ireo fa nisy fotoana ry zareo no nivory teny amin’ny CCI Ivato… Havoakako ny lisitra raha ilaina any aoriana any.


Fa anisany ingahy pasitera Mailhol izay nanokanan’ny haino aman-jery vahiny lahatsoratra sy vidéo mihitsy. Izao raha fintinina ny zava-nitranga raha mikasika an’ingahy Mailhol izay tsy afaka handaha izany velively :

Sivy volana talohan'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana desambra 2018, nisy teratany Rosiana manam-pahaizana nanana « visa » ana mpizahan-tany tonga hanatevina ekipa ana kandidà. Nanatona mpifaninana teo anelanelan'ny enina sy valo izy ireo. Nampahafantatra ny tenany tamin'ny fanampinanarany izy ireo, nilaza ho manampahaizana manokana amin'ny fifidianana aty Afrika ary nanolotra valopy matevina ihany ho an'ny fampielezan-kevitra ho an'ny antoko « vonona », hanaovany praopagandy.


Anisan’ny lasibatr’izy ireo ny pasitera Mailhol nanangana ny Apokalipsy. Niaiky ity farany fa tsy misy fantany ny momba ireo mpamatsy vola malala-tànana ireo, afa-tsy ny zom-pireneny, dia rosiana. Ary nilaza ingahy pasitera fa nahazo vola 12.000 euros (55.405.931,28 ariary) ho fandoavana ny saram-pisoratana anarana sy vola taratasy 5.000 euros (23.085.804,70 ariary). Ary mbola nomena famatsiam-bola ho an'ny fampitam-baovao sy ny serasera ihany koa izy. « Tsy fantatro hoe iza no naniraka azy ireo, fa ny hany fantatro dia tonga hanohana ahy izy ireo, ka tsy nasiako olana fa noraisiko [ny vola]», hoy ingahy pasiteran’ny Apokalipsy.

Ireo mpanohana azy ireo anefa dia nangataka zavatra iray taminy : ny hanaovany sonia taratasy iray milaza ny andraisany anjara hanohanana ny kandidàn'ny Rosiana izay hiakatra fiodinana faharoa. « Noheveriko fa izaho io kandida io, ka nanao sonia aho », hoy ny pasitera André Christian Dieudonné Mailhol. Lol tokoa izay vao lalina...

Fanta-tsika ny tohiny : nalefa nody ireo rosiana ireo aloha satria mpizahan-tany ve dia hiatrika fivoriana ara-politika tafiditra amin’ny praopagandy mikasika ny fifidianana filohampirenena malagasy ? Ny vato azon’ingahy Mailhol dia 01,27% amin’ny anaran’ny antoko GFFM na Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara. Latsaka izay ny an’ireo ankamaroa’ny kandida « nihinana » ny volan’ireo Rosiana tonga teto ireo.


Amin’izao taona 2023, taonan’ny fifidiana filohampirenena, dia toa karazana andrana iny fividianana kandida tamin’ny taona 2018 iny. Nandritra izany dimy taona izay, ny Rosiana dia nitady olona « apetraka » ho filohampirenena malagasy ary nahita. Aza manofy atoandro isika fa tsy tongatonga ho azy amin’izao ataony izao akory izany Siteny Thierry Randrianasoloniaiko izany fa izy tokoa ilay hoe dokafana dia manitsaka. Indrindra moa fa voafidy solombavambahoaka tamin’ny anaran’ny vondronda politika IRD (Isika Rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina), ny taona 2019. Efa voafidy solombavambahoaka izy ny taona 2013 fa amin’ny anarana « indépendant », izany hoe tsy miankina. Izy izany ilay lasa ambodia nitafy volon-janakondry tafiditra tao am-balan’i Andry Rajoelina, nampiasa ny fahefana rehetra nanamorana ny fivezivezeny etsy sy eroa na teto Madagasikara na tany ivelany. Loko volomboasary kouh !...


Nanomboka teo anefa dia niketrika indray ry zalahy Rosiana, na dia tsy hita sy tazana toa tamin’ny taona 2018. Mpanao judo ny lehilahy efa nanomboka tamin’ny faha-12 taonany. Isaorana eto i Maître Ashik Houssen Mamodaly na koa Me Aski. Nianatra ny lafin’ny serasera (« télécommunication » sy « médias ») tao Afrika atsimo i Siteny ary tao no nahitany ny vadiny, Nelly Mileva, avy any Bulgarie, ny taona 2001. Nanambady izy roa ary dimy izao ny zanak’izy ireo amin’izao fotoana izao. Tsy miditra amin’ny fiainany manokana mihitsy aho fa mila fantatra tsara mihitsy ity judoka 6è dan ity, hanakevitra ny hitondra ny firenena malagasy.

Na dia voafafa daholo ny mikasika ny orinasa Liberty Madagascar, io ambony io no porofo fa nifandray i Siteny sy ny zanak'i Marius Vizer izay niala tsy ho tomponandraikitra ao amin'io resaka Teqball maneran-tany io intsony. Tontosany ny tena "mission" teto Madagasikara?

Vetivety dia niroborobo ny sehatra nidiran’i Thierry Siteny : mpandraharaha, mpanao politika, Filohan’ny « Fédération malgache de Judo » sy ny « Comité olympique malgache ». Hatreto izany, raha tarafina avy aty ivelany dia olona « OK » i Siteny ary deraina ny dingana vitany. Saingy asa raha mpiray tsikombakomba ny lehilahy na « paiso » araka ny fitenin’ny zatovo, na mihevitra fa fetsy lahy, fa efa teo amboniny ny tandidon’ireo Rosiana mitady olona apetraka eo amin’ny fitondrana ny firenena malagasy. Eo anilan’izay koa anefa dia im-betsaka koa i Siteny no « nitsidika » ny Etazonia. Ary amin’izao ady misy eo amin’ny Russie sy Ukraine dia arahi-maso izy fa mety tsy fantany akory izany. Asa ?


Ny 16 febroary 2023 ary dia namoaka tatitra momba azy ny fikambanana « Global Initiative Against Transnational Organised Crime » (Hetsika Maneran-tany miady amin'ny heloka bevava voarindra iraisam-pirenena), milaza ny fihaonana teo amin'i Siteny sy Rosiana iray « recruiter » na « mpandray mpiasa » mifandray amin'i Wagner. Ity farany dia Vondrona fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe PMC Wagner, ChVK Wagner, na CHVK Vagner. Fikambanana mpikarama an’ady isan-karazany sivily sy miaramila izay miasa mba hiantohana ny fiarovana ny tombontsoan'i Rosia ivelany. Ny 1 mey 2014 io Wagner io no noforonin’ny mpandraharaha Evgueni Prigojine izay olona akaikin’ny Filoha rosiana Vladimir Poutine.


Tany am-piandohana dia naseho toy ny orinasa rosiana tsy miankina mamatsy mpikarama an'ady izy io, alohan'ny hidirany amin'ny fikatsahana harena ankibon'ny tany sy ny fitrandrahana ny harena voajanahary isan-karazany, indrindra fa aty Afrika. Ny governemanta Rosiana sy ingahy Prigojine dia nandà ny fifandraisana amin'ny vondrona Wagner tamin'ny voalohany. Fa tamin’ny taona 2022 dia niaiky ihany Evgueni Prigojine fa izy no namorona ny vondrona Wagner. Navitrika tokoa izy io nandritra ny ady tao Donbass sy ny ady an-trano tao Syrie, ary tany amin'ny faritra misy ady hafana namoizana ain’olona…


Taorian'ny fitsabahan'ny Rosiana tamin'ny fifidianana teto Madagasikara tamin'ny taona 2018, dia manambara mazava ihany koa ny tatitra nataon’ny « Global Initiative Against Transnational Organized Crime » (GI-TOC) fa « mbola mitady kandidà ho filohampirenena malagasy ny Rosiana izay afaka hanome tambiny ara-bola mba hivelarany eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ». Rehefa avy mamaky ireto manaraka ireto koa ianareo mpamaky hajaina dia hazava aminareo fa tsy kisendrasendra no nahalany an’i Siteny ho filohan’ny (UAJ) (Vondrona Afrikanina eo amin’ny taranja Judo) ary filoha lefitry ny IJF (« Fédération internationale de Judo ») ihany koa. Efa Talen’ny Fampivelarana (Directeur du Développement) raha teo izy tao amin’io IJF io…

Folo taona lasa izay dia nanangana ny orinasa « Liberty Madagascar » ingahy Siteny, niaraka tamin’izany Marius Vizer Jr izany, avy any Roumanie. Io orinasa io dia mividy sy manondrana mineraly indostrialy (chrome, mica, cuivre…), vatosoa (saphir, rubis, diamant…), ary koa volamena. Raha mikasika ny chrome manokana dia nolavahan-dry zalahy mihitsy ny orisanam-panjakana malagasy KRAOMA tamina « magie-magie » nataon-dry Henry Rabary Njaka sy ry Jaobarison Randrianarivony… (ireo ihany aloha no anarana avoakako eto). Izany dia tamin’ny alalan’ny orinasa Kraoma Mining. Ary talohan’ny nikatonan’io orinasa io, dia vitan-dry zalahy no nanao sonia fifanarahana « momba ny fambolena sy fiompiana », tamin’ny taona 2018, niaraka tamin’ny Rosiana Ferrum Mining.


Nitsoaka nandositra ao Frantsa moa ingahy Rabary-Njaka fa ny KRAOMA dia io, miandry ny PCA Dina Andriamaholy, araka ny baikon’ny Filoha tamin’izy nandalo tao Morarano chrome, ny tapaky ny volana febroary 2023 lasa teo. Resaka hafa mihitsy koa io…


Ny 18 mey 2021, tao Dakar any Sénégal, dia voafidy ho Filohan’ny (UAJ) (Vondrona Afrikanina eo amin’ny taranja Judo) i Thierry Siteny ary lasa Filoha lefitry ny IJF (« Fédération internationale de Judo ») ihany koa. Arahabaina ianao Andriamatoa ! Resiny tamina latsa-bato 51 ny mpifandriana azy, i Abakar Djermah, avy ao Tchad (nahazo vato 42).

Fa iza, hoy ianareo, ny Filohan’ny IJF (« Fédération internationale de Judo ») ? Ingahy Marius Vizer (65 taona), rain’i Marius Vizer Jr (39 taona) voaresaka etsy ambony. Izy ity dia olona akaiky dia akaikin’ny Filoha Poutine izay mpikatroka judo ihany koa.

Mbola misy mino ihany fa kisendrasendra daholo izany rehetra izany ?


Rehefa nanontaniana moa ingahy Siteny dia nanambara fa « ny orinasa Liberty Madagascar dia efa nikatona.  Tsy manampy aho ara-bola ny Rosiana ary ny fifandraisako amin’ny Marius Vizer rainy dia eo amin’ny lafiny ara-panatanjahantena fotsiny ihany ». Fa iza moa no sahy hilaza fa misy inona moa ny inona ? Ho azy izany, ary raha tarafina avy aty ivelany, dia mpanefoefo izy satria manana ny « Fondation Siteny » (izany karazana orisana izany aloha tsy natao hampidi-bola), tompon’izany « British School of Madagascar » ao Ivandry Antananarivo (misy « écolages » aloha izany), manana ny radio sy televiziona Siteny (misy vola kely ihany ny dokam-barotra) izy ao Toliara. Mikasika io orinasa Liberty Madagascar io dia tsy hita n’aiza n’aiza amin’izao fotoana izao. Maro anefa no miresaka momba azy ao amin’ny Internet. Fa nisy izy io matoa resahin’i Siteny nilaza « f’efa nikatona ». Malaza koa aloha ny Rosiana raha hamafa tahiry informatika…


F’izany fananany izany ve ampy nanaovana ireny fitsenana nakotrokotroka tao Toliara, tamin’izy niverina avy any Dakar iny ? Ampy ve amin’izao tsidi-paritra (« MIHAVA Tour ») ataony izao mandeha angindim-by sy manatobaka T-shirts mavo adala ? Iza marina no tena ho diso fanantenana afaka volana vitsy ? Ireo Rosiana ireo efa mahalala tsara ny toetran’ny mpanao politika malagasy. Vao mahare fotsiny fa « manam-bola i Siteny » dia tena manary lamba tsy tahotra tsy henatra mihitsy. Misy mantsy no namoaka vaovao fa hoe ny Frantsay no nanome volabe an’i Siteny. Toa hoe « 12.000.000 euros » (12 tapitrisa euros na 54.822.915.756,00 ariary, eo amin’ny 270 milliards fmg latsaka kely). Vola anie izany ry zalahy a ! Na marina na tsia dia ny vola moa tsy misy fofona (« l’argent n’a pas d’odeur »). Fa avy amin’ny vondrona politika inona moa ireo manara-body an’i Siteny ireo ? Tena tsy mamaky ny tantaran’i Jodasy tokoa va re ry zalahy ireo, nefa ny taona efa mandroso ? Ho velona amin’ny lainga sy fanaratsiana ny hafa izany mandrapahafatiny ? Soa aloha fa efa nambaran’i Jean Jacques Rabenirina fa efa tafita any Andafy daholo ny zanany. Fa izany angaha manakana ny ozona atao amin’izao ? Tsy aiko, iza marina no adala.


Fa ny fitetezam-paritra ataon’i Thierry Siteny sy ry mpamadika lany henatra kosa tsy bôjô an ! Mbola niampy an’i Norbert Lala Ratsirahonana, manam-pahaizana amin’ny fandotoana rano. Ianareo ve dia hino, amin’ny taonany izao (85 taona izy amin’ny 18 novambra 2023), fa resaka fitiavan-tanindrazana ny azy miaraka amin’ny « Asa Vita Ifampitsarana » ? Sssss. Io AVI io aza nosoloina hoe « Ainga Vao Ifotony ». Ary nampiany amin’ny hoe : « Ireo kandida rehetra notohanako, nanomboka ny taona 2002 dia lany daholo ». Volabe ho azy aloha no nitenenany izany fotsiny. Izy izay tsy hahita ny fandrosoan’i Madagasikara velively satria efa akaiky ny fe-potoana handaozany ity tany fandalovana ity. Tsy manozona aho, Tompoko, fa ny fatapahan’ny lalàn-drà dia tsy mampilaza rehefa « senior » be toa azy. Ho lavalava ihany ny ferapara sy ireo mpiatsara ivela-tsihy hanao fara veloma azy. Isika malagasy koa tsy miady amin’ny maty izany e !


« Mihaino antsika vahoaka » no dikan’ilay MIHAVA. Ity soratako manaraka ity tadidio alohan’ny faran’ny taona 2023. Rehefa handresy lahatra io vahoaka io ingahy Thierry Siteny dia tsy haharitra ka hiteny hoe : mbola tsy nisy olona avy aty atsimo lasa Filoham-pirenena izany teto Madagasikara. Tsy hahagaga satria ry Jean-Jaques Rabenirina sy Voninahitsy Jean Eugène no mpanolo-tsainy ao.

TSINDRIO ETO RAHA LIANA AMIN'NY TANTARAN'I MADAGASIKARA

Ka ho avy izany, rehefa hitsidika any ivelan’ny Nosy ny hoe : « Je suis le Président Vezo de Madagascar » ? Hatreto aloha, mbola tsy nisy mihitsy ny Filohampirenena malagasy niteny hoe : « Je suis le Président Tsimihety de Madagascar », na « Je suis le Président Betsimisaraka de Madagascar », na « Je suis le Président Antankarana de Madagascar » na « Je suis le Président Merina de Madagascar ». Firenena (« Nation »), Tompoko no entina fa tsy fiaviana mihitsy. Dia ny Firenena malagasy misy mponina 30 tapitrisa latsaka amin’izao fotoana izao.

Eto aho dia manambara fa tsy resaka fanakanana an’ingahy Thierry Siteny hilatsaka akory no nanoratako ity lahatsoratra ity fa mba hahatonga saina ny Malagasy, indrindra fa ny tanora toa lasa zatra toloram-potsiny ka na ny Tantaran’i Madagasikara azy tsy fantany. Izany Siteny izany anie mbola tsy teraka akory tamin’ny Kolonely Richard Ratsimandrava nisy namono e ! Iza aminareo no anaiky izany hoe kandida robot ana firenena mamono ho faty sivily noho ny fitiavana fahefana be loatra ? Izany, Tompoko, no mitranga any Ukraine, ka mahatonga koa ny vidin-javatra miakatra izay tsy izy maneran-tany. Mandinihy tena tsara mihitsy ny tsirairay. Izay namadika indray mandeha dia hamadika mandrapahafatiny. Tsy hisy na « rouble » iray aza entina any ambany rangolahy. Ny taranaka hatrany no hampahonena.


Eo afovoan’izany dia ny Filoha am-perinasa, Andry Rajoelina. Toa tsy maka sarotra kanefa, na tiany na tsia, avy any aminy ihany no mahatonga izao fivadiana palitao etsy sy eroa. Toa voan’ny masobe tsy mahita ataon’ny sasany eo amin’ny manodidina azy izy. Ny tsapa aloha dia izao : efa lavitr’ilay rafitra IEM daholo ireo nomeny fitokisana ireo. Mila miverina mitodika amin'ireo tena nitolona, ireo mahatoky ("fidèles") hatramin'izao ary tena tia tanindrana mahalala ny zava-misy sy ny maharary ny valalabe mandry. Amiko manokana dia tsotra (fa sarotra hampiarina ve?): aleoko lavitra manome andraikitra tantsaha mahalala tsara ny tolon'ny fambolena sy fiompiana eto Madagasikara ka avy hatrany dia mahita vahaolana, toa izay olona be diplaoma kanefa tsy manana traikefa fa vao mahazo toerana dia mibaiko sy manindry ihany, fa rehefa tonga ao an-dapa dia "oui, Monsieur le Président", no atao litanie. Nefa ny villa sy ny 4X4 no laharam-pahamehana ao an-doha ao.

Fa iza marina ny olona manome hevitra an'ny Filoha eo amin'ny fanendrena tomponandraikitra ? Inona no maso sivana ? Sa rehefa be diplaoma dia mety ?

Mila ohatra ve ? Iray ihany : ingahy Vonjy Andriamanga. Nanana ary mbola manana toerana tsara izy ao amin'ny GDRF (Gaz Distribution Réseau France). Notendrena minisitry ny Angovo izy ny volana janaoary 2019, tsy nahomby. Mbola notendrena Tale jeneralin'ny Jirama "mpisolo toerana" avy eo: vao mainka tsy nahomby nampian'ny fahafahambaraka amina resa-behivavy. Fatiantoka amina miliara no navelany. Dia izao lasa 4.000 miliara ny trosan'ny Jirama. Vola anie izany !


Raha resaka jiro ihany dia mila deraina eto kosa aloha ilay tetiky ny Filoha Andry Rajoelina tonga dia manamora ny fampiasana ny angovo azo avy amin'ny masoandro sy ny rivotra ary ny rano (efa mian-dalàna). Fianaviana iray tapitrisa aloha ni hisitraka izany. Veloma atreho izany ny labozia sy ny solitany ! Misy no mitsiky tsy raviny, maneso mihitsy aza, hatrany am-pasana maizim-be any...

Izany fitiavana tanindrazana izany moa dia teatra sisa. Ny loza dia izao : olona iray tsy manana fototra ara-tantara politika no voatendry -noho ny taratr’ireo diplaoma mipoapoaka tsy misy dikany satria tsy ampy traikefa eo amin’ilay toerana sahaniny (fa faly mibaikobaiko hoe : « hoy ny Filoha »), olona efa am-polony no voasolo any anaty ministera any, izay tsy hahalala hafa-tsy ny fahasalaman’ny paosiny. Indrindra moa fa volana vitsy sisa… Dia samy miandry ny baiko avy any amin’ny Filoha vao mody miasa. Any ka very ny fitokisana amin'ireo manambony tena manambany olona ireo, ka na dia olana vitana sefo fokontany aza dia any amin’ny Filoha Rajoelina daholo no mitaraina mivantana ao amin’ny Tvm. Misy tsy milamina ao... Raha tomponandraikitra no manara-po tsy misy manoro symiteny dia hivarina an-kady na ela na aingana. F'ity resaka firenena an !


Ary dia misokatra midanadana ny varavaran’ny fanantenana ho ana olona toa i Siteny izay tsy misalasala mihitsy manaratsy ny vondrona nahalany azy Solombavambahoaka. Inona marina moa izany no mba etika ananany sa izany no ampianaran’ny vadiny, Nelly, ao amin’ny British School of Madagascar ? Tia vola, tia vao ny Afrikana ankapobeny. Nenina koa moa any aoriana foana no tonga, handatsa. Fa dia io aloha i Thierry Siteny, vonona satria misy ny volabe tsy nisasarana hafafy etsy sy eroa. Mbola aiza rehefa tena praopagandy !? Vakio tsara io ambany io, na dia tena frantsay aza. Aza mihevitra mihitsy fa fitiavana anao manokana no efa nanomezana vola ho anao. Vola 30 « deniers » no azon’i Jodasy. Toa ny niafarany no miandry ny mpamadika rehetra. Mba vakio ny tantarany ao anaty Baiboly, na dia tsy kristianina aza. Tsy mety fay mihitsy ny zanakolombelona sasany.


Farany : ireo vahiny fotsy hoditra ireo aloha tsy hiseho mivantana intsony. Efa hita mantsy ny tsy maha mety izany tamin’i pasitera Mailhol. Fa n’inona n’inona aloha vola mitobaka eo dia ny maha olombelona ny mpifidy no tsy ho voafehin’ireo mpanome tapany handoavana erany. Tsy hisy andaha fanomezana mihitsy amin’izao andro sarotra izao fa efa manana ny safidiny ny olona tsirairay. Mikasika ny hoe « doublons », natevenan’ny sasany hoe « triplons », izay "sanganasan"'ingahy Thierry Manantsoa Rakotonarivo, Filoha lefitry ny CENI teo aloha, napetra-pialana (fihetsika tsy dia mahazatra eto Madagasikara) : nisy nanome vola izy nandotoana rano ny fifidianana, hisian’ny famerenana isa toa tamin’ny 2002. Mazava izany tsy ilaina porofo. Izao izy tsy hita tsy re fa any ho any mihevitra ho sambatra amina vola maloto. Tandremo, Ramose, ny eritreritra. Mampamono tena izy ireo indraindray… Izao mbola asesika ihany izany resaka izany kanefa ny praopagandy ofisialin’ny fifidianana aza mbola tsy nanomboka akory, fa aletika ao an-tsain’ny mpifidy fa hoe hisy ny hala-bato. Tsy vitan’ny vava (Premier tour dia vita !) intsony izy ity fa misy lalàna izay tsy mbola mahazatra ny Malagasy koa ny manaja azy.


Mbola ho avy daholo izany fa isika aloha izao dia « firenena soavaly tapaka kofehy » : ny atsy mbola tsy nampiarina amin’ny tokony ho izy, ny eroa vao foronina indray. Manjary ilay fiarahamonina mihitsy no tsy mety miravona hitovizan’ny Malagasy rehetra. Soa fa tsy misy tompony io rivotra ("oxygène") iainan’ny zanakolombelona io. Raha tsy izany efa dangy daholo isika ka na ity lahatsoratra ity aza tsy nisy. Kanefa koa, etsy andaniny, ny olombelona ihany no mampihena io "oxygène" io, amin'ny doro-tanety sy ny setroka aterak'ireo fiara sy ozinina tsy manara-penitra.

Noho izany : mahaiza miaina ry zalahy isany fa zava-poana daholo anie ny ety amban’ny masoandro e ! Sao misy mihevitra hitondra volabe any ankoatra any ? Izay indray no tsy fantatro.

Jeannot Ramambazafy - Alahady 19 marsa 2023

Mis à jour ( Mardi, 21 Mars 2023 05:12 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024