]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Raharaha Lola Rasoamaharo. Raharaha ivelan’ny asan-gazety, mikasika fitakiana vola mitentina 885.000.000 ariary (4 miliara 452 tapitrisa iraimbilanja) miampy fandrahonana isan-kazarany

Raharaha Lola Rasoamaharo. Raharaha ivelan’ny asan-gazety, mikasika fitakiana vola mitentina 885.000.000 ariary (4 miliara 452 tapitrisa iraimbilanja) miampy fandrahonana isan-kazarany

 

Ramatoa Victoire Brigitte Razaka eo amin'ny micro

Tsy asiako resaka be fa adikako eto io ny taratasy amin’ny teny frantsay nozaraina tao amin’ny Hotely Radisson etsy Ambodivona io, ny tolakandron’ny Alahady 26 Marsa 2023.

Niatrika ny mpanao gazety dia Ramatoa Victoire Brigitte Razaka sy ny mpisolovavan’ny fianakaviany, Me Andriamparanirina Fanja.


Fanambarana ho an'ny mpanao gazety ny 26/03/2023 momba ny fitoriana an'Atoa Lola Rasoamaharo

Me Andriamparanirina Fanja eo amin'ny micro

Ny zava-misy dia mihodinkodina amin'ny fikasana haka vola an-keriny, fandrahonana, fanalam-baraka, fanevatevana ary firaisana tsikombakomba.

Noho ny fifanarahana mazava tsara nifaonaovan’ny roa tonta tamin’ny taona 2019 izay, mandrak’ankehitriny, mamela ny andaniny bokan’ny trosa dia hanery an’ity farany handoa vola 885.000.000 Ar, Atoa Lola Rasoamaharo.

Io Volabe takiany io dia sady tsy ara-dalàna no tsy nanomezan’Atoa Lola Rasoamaharo fanamarinana na kely aza; na dia nisy aza ny fangatahan’ny mpitory matetika ny momba izany.

Fa fandrahonana sy finiavana hanimba ny mpitory sy ny lazany ary ny fianakaviany eo anivon »ny fiarahamonina ihany no valin-tenin’Atoa Lola Rasoamaharo.

Koa satria efa tsy mistery ho an’iza na iza intsony ny fanaony sy ny fomba fiasany, dia lava ny lisitr’ireo niharam-boina taminy. Ary dia notanterahan’Atoa Lola Rasoamaharo tokoa ny fandrahonana nanomboka ny herinandron’ny 05 febroary 2023: fanaratsiana ao amin’ny facebook, fanambaniana sy fanaratsiana amin’ny alalana soratra eny amin’ny rindrin’Antananarivo, faneriterena ara-môraly amin’ny alalan’olon-kafa, fanohitohinana ara-moraly tsy nitsaha-nitombo am-bava sy an-tsoratra...

Voatery norakofan’ny mpitory loko mainty ireo graffiti miisa 40 natao teny amin’ny rindrina eto Antananarivo. Tsy nahasakana an’Atoa Lola Rasoamaharo nampanoratra graffitis vaovao miisa 50 tamin’ny 22 martsa 2023, tamina lokofotsy teo ambon’ny loko mainty nataon’ny mpitory. Izany fomba izany noheveriny fa hahatonga ny mpitory handoany aminy ny volabe 885.000.000 Ariary izay tsy misy fanazavana sy fanamarianana ny antony tokony andoavany izany.

Tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny nametraka fitarainana momba ny fiarovana azy sy ny ankohonany ny mpitory.

Nentina teny amin’ny fitsarana ny raharaha izay tsiahivina eto mazava fa olona roa ihany no mifanandrina ka ao anatina sehatra manokana na « cadre privé ». Natao izany fanambarana izany mba hialana amin’ny fikasana hamoaka vaovao diso sy fanodinkodinana ny zava-misy./.

Noraisin’i Jeannot Ramambazafy

Sary : Andry Rakotonirainy sy Harilala Randrianarison

Mis à jour ( Dimanche, 26 Mars 2023 14:41 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...