Ity mihitsy ilay ohatra aminâilay fitenenana hoe « mamo miantso polisy ». Izy mpitsara voaraoka nandositra ao Frantsa indray no miseho manome lesona aminâizao fotoana izao ! Efa tsy to-teny intsony fa e e e ! Ny « camouflage » (fa tsy « maquillage » intsony) no atao bobaka be dia miseho azy ho virginy. Ireto ary misy fampahatsiahivina. Toa adino fa « le temps nâeffacera jamais les crimes commis ». Fa tsy atao mahagaga raha mbola misy mihaino sy mino azy hatrany satria izay ilay toe-tsain-dRaolombelona malagasy : tsy ny fiainany no atao izay mahatsara azy fa ny anâny olona hatrany no hidirana. TSIAHY.
Arakâilay fitenenana hoe : « ela notoratorahana ka nahavoa masonâangatra ». Niampy ny ahy izany ny fitoriana anâi Ramatoa Fanirisoa Ernaivo, Filohanâny Sendikanâny Mpitsara eto Madagasikara teo aloha na SMM. Satria tokoa dia nitory azy ny Ministeranâny Filaminam-bahoaka taorianâireo fanambarana tena mahamenatra sady mahatofoka nataony teo Mahamasina, ny 30 Oktobra 2018. Maro dia maro no nahita ary, indrindra indrindra, nandre fa toa mandeha ho azy ohatry ny karatrâi Naivo ny rediredinâity mpitsara mba nanana ny naha izy azy ihany teo aloha teo. Tena tomponâny tenany tokoa ve izy iny ?...
Mbola tsy azo natao nâinona nâinona aloha izy satria « kandida filoham-pirenena ». Fa rehefa vita ny fifidianana, any isika mahita azy, hoy Jaojoby izay. Tsiahivina fa nitsangana ihany koa ny Ministeranâny Fitsarana sy ny Filankevitra ambonâny Mpitsara na CSM (« Conseil SupĂ©rieur de la Magistrature »). Hiala tsiny ? Hifona ? Mety ho tsara fa ho tara daholo izany. Ireo ary ny fanambaranâny Ministeranâny Filaminam-bahoaka, ny anâny Ministeranâny Fitsarana ary ny anâny CSM. Tsia, tsy mampalahelo velively izy fa manafintohina. Rehefa nanozona tsy niambahamba ary nihantsy ny mpitandro filamina dia tsotra ny aminâity mpitsara may vava loatra ity: « Malheur Ă celle par qui le scandale arrive ».
Vita ary ny fifidianana fiodinana voalohany taminâny 7 Novambra 2018
00,28% no isan-bato azonâny kandida Fanirisoa Ernaivo, taminâny anaranâny ZAMA-PATRAM (ZAnakâi MAdagasikara-Parti. TRAvailliste Malagasy) tsy fantatra hoe taiza hatraminâizay, ary tsy hita nâaiza nâaiza intsony aminâizao fotoana izao. Marihina fa 36 no isanâny kandida taminâio fifidianana filoham-pirenena taminâny 2018 io.
Ny volana novambra 2019, rehefa nandinika ny momba ny teny navoakanâny vavany tao Mahamasina, ny 30 oktobra 2018, dia nanapakevitra ny Filan-kevitra ambonâny Mpitsara (CSM) fa tsy isanâny Mpitsara malagasy intsony i Fanirisoa Ernaivo manomboka io fotoana io. Ireo ny porofo rehetra fa izaho tsy toa azy mpamoron-dainga sy mpanompa sy mpanozona olona toa azy mandrakizay.
Ireto ny teny navoakanâny vavany tsy voafehy. Mody nifona izy fa avy eo lasa nitsoaka any France. Manantena hahazo zo ana mpialokaloka ara-politika (« rĂ©fugiĂ©e politique »). Nefa ompa sy ozona ny mpitandro filaminana malagasy no nataony fa TSY NISY FANJAKANA NANENJIKA AZY MIHITSY ARY TAMINâNY FITONDRANâNY FILOHA HERY RAJAONARIMAMPIANINA IZANY. Koa inona no mahatonga azy manompa anâny Filoha Andry Rajoelina raha vao mihiratra ny masony ? Vakio tsara, miampy io video ambony io. Fa tsy afa-bela aminâny Tantara ikalakely maivana be ity :
« Ianareo mpitandro filaminana ireo, ekeko fa dia hoe baiko ny anareo fa misainĂ ihany, tena marina. Aiza ianareo no tsy vonovonoanâny olona. Saika nalahelo ihany aho nahita anâireo polisy notontanâny olona « moĂ«llons », mampitehiteny hoe : tsara ho azy izay. Tena marina e ! Mbola hahazo anareo rehetra izany. OZONOKO MIHITSY. Tena marina izany. Izaho tena nalahelo nahita ireo polisy telolahy nozeranâolona « moĂ«llons ». Fa inona no nahatonga izany ? Izao ataonareo izao. Mampahatezitra olona ny zavatra ataonâny miaramila, polisy, « gendarmes ». REHEFA TSY FALY, TONGAVA ETO DIA SAMBORY AHO ! Fa mbola ho hitanareo izany. Mbola telo iny no tratra. Fa raha tratranâny olona ianareo NA NY FATINAREO HALEVINA AZA TSY HO HISY. Izaho tsy te-hahalala izany fa sambory aho raha mahasahy. Sady tsy azo hitondrana vehivavy any Tsiafahy. SSSsssss. Mahatsiravina a ! (Dia mbola nihomehy ihany izy) »./.
Tohizo hatrany aza manantena ho afa-bela. « On peut pardonner mais lâHistoire nâoubliera JAMAIS ! ».
Dossier : Jeannot RAMAMBAZAFY