Ara-tantara. Taminâny 1993, taorianâny tolo-kevitry ny Unesco taminâny 1991, no nanambaranâny Firenena Mikambana ny 3 May ho « Andronâny Fahalalahanâny Asa Fanaovana Gazety ». Tsiahivina fa taminâny taona 1991 ihany koa no nanambaranâny mpanao gazety avy aminâny kaontinanta Afrikana ny Fanambarananâi Windhoek (« DĂ©claration de Windhoek ») momba ny « pluralisme » (sarotra adika io voambolana io) sy ny fahaleovantenanâny Haino aman-jery. Nanomboka teo, isan-taona, ity datin'ny 03 Mey ity, dia andro natokana kokoa ho amin'ny fisaintsainana lalina fa tsy hoe hanaovana lanonam-pifalifaliana. Ireo zoro efatra fototra tsy tokony hiova mihitsy dia:
âą Fahatsiarovana ireo fitsipika fototry ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety;
âą Fitombanana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety maneran-tany;
âą Fiarovana ny fahaleovantenan'ny haino aman-jery; ary indrindra
âą Fanomezana voninahitra ireo mpanao gazety namoy ny ainy teo aminâny fanatanterahany ny asany.
Tsy adinonâny mpanao gazety eto Madagasikara ny andronâny 03 mey fa rehefa mandeha ny fotoana, dia nankalazaina ao anatinâny filaharana miely patrana, eto sy any aminâny firenena sasany, ary miseho mian-dalĂ na ny fisaratsarahana, mpitoetra eo amboninâny hoe : zarazarao hanjakana, ka izay tena manana ny fahefanâny filazam-baovao sy ny manodidina ny vaovao no manana ny tena fahefana (« qui dĂ©tient lâinformation dĂ©tient le pouvoir »).
Izany, dia amin'ny alalan'ny fandikana izay tiana ny tena zava-nisy sy niseho, tsy misy aro-fanina sy fampiarana ny lalĂ na any ka tao anatin'ny fotoana fohy lavitry ny lalĂ na manan-kery, dia nitsangana etsy sy eroa ny sehatra fampahalalam-baovao (gazety, radio ary fahitalavitra, snsâŠ) mba « hanohitra » bontolo fotsiny ihany, na ho any na tsia, ary tsy misy izany fanamariana (« recoupement ») izany mihitsy fa laizaina marina ny voateny na voasoratra rehetra. Ny sary moa dia ao ilay hoe « Photoshop » hahavitana zava-doza tokoa. Ohatra : olona tsy mba nisotro toaka hatraminâizay niainana no hita misotro toaka anaty « bar » ! Dia mino ny rehetra satria toa izy mihitsy ilay manainga tavoahangy misy marika ana whisky.
Fa nanomboka oviana ny asa fanaovan-gazety no niborioka teto Madagasikara ? Oviana no nirodanany ara-bakiteny ka lasa ny fikaramana anâady no manjaka ? Mila tsaroanâny rehetra izany, indrindra aminâny firongatry ny onjam-peo « manohitra » mahavita mamorona vaovao satria tsy misy bedy⊠Raha ny marina, amin'izao fotoana izao dia mahatsapa ho toy ny « mpanao gazety » daholo ny ao amin'ny Facebook, izay afaka mividy « crĂ©dit » sa « mĂ©ga » moa ? Misy anie ny lalĂ na fa maro no tsy mahalala, ary ditsoky ny kolikoly izay mba mahafantatra.
Ny olana iray koa dia tsy tena nianatra io asa io ny ankamaroanâny tanora aminâizao fa karazana asa hidikidirana fotsiny. Ny manangana orinasa haino aman-jery koa moa tsy dia mijery izay lafiny izay. Rehefa ao izy ireo dia tratry ny « fakam-panahy » satria misy mamporisika milaza fa hoe « fahefana faha-4 ianareo ». Miampy vola atsipy etsy sy eroa dia tsy fanaovan-gazety intsony no misy fa fitadiavam-bola sadasada kanefa mampigadra.
Eto dia tsipihiko fa tsy ny asa fanaovan-gazety no mampigadra fa ny ompa, lainga, fanalam-baraka olona ary fanelezana tsaho no enjehinâny lalĂ na. Tadidio ilay hoe nirodanana ny tonelinanâAmbanidia nampiana sary⊠Misy « vaovao » loza noho iny ao aminâny Facebook ao, ary, indrisy, maro no mino. Ny farany teo moa dia hoe nodimandry i Rajao mpanao hatsikana. Fâinona marina moa ny tombontsoa azo aminâizany « vaovao » izany ?
Io ambany io misy ampahany betsaka mikasika lalĂ na 2020 - 006 mifehy ny tontolonâny haino aman-jery sy ny fanaovan-gazety izany. Ary aminâny teny malagasy.
Tsiahy mikasika ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara na OJM (« Ordre des Journalistes de Madagascar »). Eto aminâity Nosy Lehibe aty aminâny Ranomasimbe Indianina ity, dia fehezinâny OJM ny asa fanaovan-gazety, nanomboka ny taona 1975, ary ara-dalĂ na izany. Azo atao hoe vao aingana ihany io OJM manao aro fanina io rehefa fantatsika fa ny gazety voalohany nisy teto Madagasikara ary aminâny teny malagasy dia ny gazety âTeny Soa Hanalanâ Androâ, nanomboka nivoaka ny taona 1866.
Fa ireto avy ny Filohanâity OJM ity, hatraminâny namoronana azy ka hatraminâizao:
+Ralaiarijaona, gazety âMaresakaâ, (1975-1977);
+ Mompera RĂ©my Ralibera, gazety âLumiĂšreâ sy âLakroanâi Madagasikaraâ (1977-1991);
Anicet Andriantsalama, Radiom-pirenena Malagasy - RNM (1991-1993);
James Ramarosaona, gazety âMadagascar Tribuneâ, (1993-2004), avy eo âLa Gazette de la Grand Ăleâ talohanâny naha-freelance azy;
Ruffin Rakotomaharo, fahitalavitra Tvm-Rnm (2004-2014) ;
GĂ©rard Rakotonirina, gazety âBasy Vavaâ (2014-2021)Â ;
Monica H. Rasoloarison, mpanao gazety tao aminâny Radiom-pirenena Malagasy (2021 ka hatraminâizao 03 mey 2024 izao).
Io 03 Mey 1999 io no vita sy notokanana ny tsangambato ao Soaroano Antananarivo
Raha jerena ireo daty eo ambony ireo dia teo ambany fahefanâi James Ramarosaona, Filohanâny Ojm, ny andro nankatoavanâny Firenena Mikambana ny Andro maneran-tany ho anâny Fahalalahanâny Asa Fanaovan-gazety.
Taminâizany fotoana izany dia « ara-dalĂ na » ny zava-drehetra, izany hoe tena niasa tamim-pahatsorana tokoa i James mba hanatsarana ny Tontolonâny asanâny mpanao gazety malagasy. Tadidiko fa nataonâingahy Rahaga Ramaholimihaso (nodimandry ny 10 desambra 2013) « mise Ă pied » (izany hoe natsahatra taminâny asany) i James satria niaro ny tombontsoanâny mpanao gazety tao aminâny « Madagascar Tribune » izay anisany ahoâŠ. Fa rehefa voafidy Filohanâny OJM i James dia naverina niasa ary niady mafy izy ka nahazo tombontsoa tsy nananany teo aloha izahay mpanao gazety taminâizany vaninandro izany. Ary lazaiko marina aminareo fa ny OJM teo ambaninâny fiahinâi James Ramarosaona no nanampy tena nanampy ahy taminâizaho saika tapaka lalan-drĂ ny volana desambra 1999.
I James Ramarosaona sy Daniel Rakotoseheno, antsoina hoe Dany Be, mpanao gazety mpaka sary (« photojournaliste »), (nodimandry ny 02 Septambra 2021) no nanome alĂ lana ny fananganĂ na ny Media Resource Center (« Centre de Ressources des Media » na CRM) izay hita tao aminâny CITE (« Centre d'Information Technique et Economique ») Ambatonakanga teo aloha. Mbola tany am-piandohany ny Internet eto Madagasikara. Tsy nisy izany facebook izany. Araka izany, maro ireo mpanao gazety no tonga tao aminâny CRM noho ny fandraisana sy ny fifandraisana ary ny rivo-piainana am-pirahalahiana nanjaka tao.
Dany Be sy Jeannot Ramambazafy. Sary nalain'i Rado Rakotoseheno, zanak'i Dany
Â
Tao amin'ny CRM CITE no nahatsiarovana ny andronâny 3 mey ofisialy rehetra, teo aminâny samy mpanao gazety. Tsy nisy fanaraha-maso avy aminâny fitantanan-draharaham-panjakana izay nipetraka ho vahiny nasaina ihany ireo solontenany, tsy nanana fahefana manokana ireo solontena ireo. Araka ny sary ao ambony, taminâny andronâi James Ramarosaona no namboarina, ny taona 1999, ny tsangambatonâny OJM eo anoloanâny garanâi Soarana, eto Antananarivo. Nohavaozina ho fahatsiarovana ny 3 mey 2011 izany, ka i Harry Laurent Rahajason na i Rolly Mercia no Minisitra tomponâandraikitra taminâizany fotoana izany.
Aiza ho aiza isika izao aminâity 03 Mey 2024 ity ?
Tetsy aminâny tranombakoky ny Haina aman-jery Havoria etsy Anosy, no notanterahana ny hetsika nitondra ny lohahevitra hoe: « Ny asa fanaovan-gazety manompo ny planeta: krizy ara-tontolo iainana sy fahamehanâny asa fanaovan-gazety ».
Araka ny nambaranâny Filohanâny OJM, Ramatoa Monica Rasoloarison dia hamafisinâny Holafitra ny maha zava-dehibe ny fampandrosoana maharitra ao anatinâny drafitra stratejikany. Hoy indrindra izy : « Ny Holafitra dia manohana am-pahavitrihana ihany koa ireo hetsika mikendry ny fiarovana ny tontolo iainana, indrindra ao anatinâny firenentsika izay iharan'ny fiovaovan'ny toetr'andro ihany koa ».
Hoy kosa, ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana, Ramatoa Rafaravavitafika Rasata : « Miantso ny feon'ny fieritreretanâny mpanao gazety aho satria manana andraikitra lehibe ianareo aminâny fampahafantarana ny olom-pirenena izao fiovĂ na ara-tontolo iainana mivoatra miantraika eto amintsika izao. Ny gazety dia manana fahefana hanasongadina ireo tantara tsy dia fantatra loatra momba ny fiarahamonina miasa amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ». Noho izany dia nanao antso avo aminâny mpanao gazety izy mba ho tonga saina aminâny fitaomana ny olom-pirenena sy ny andraikitra aminâny fitandroana ny ho avinâny tontolo iainana eto Madagasikara. Nanentana ny haino aman-jery ny minisitra Rafaravavitafika mba ho mailo sy hanome fifandanjana aminâny vaovao diso ho fanamafisana ny fitokisanâny vahoaka.
Arahabaina isika mpanao gazety rehetra ao aminâny Faritra miisa 23 misy eto Madagasikara !
Jeannot RAMAMBAZAFY â 03 Mey 2024