" (...) Ny aretina poliomyélite dia tena mampitondra takaitra ary mety hitarika hatramin'ny fahafatesana. Mifindra amin'ny alà lan'ny piti-drora, ny fifampikasoana amina olona mitondra ny tsimok'aretina, ny atsembohona, ny diky, ny fihinana sakafo tsy voaaro... Ora vitsy monja aorian'ny fidiran'ny aretina ao anatin'ny rafi-pitatitra na ny "système nerveux", dia tratry ny fahalemena tsy azo sitranina, "paralysie irréversible", ny zaza na ny olon-dehibe izay tafiditry ny polyo-virus.
Tsy ny fahalemena ihany fa miteraka olana eo amin'ny taova pisefoana, "problèmes respiratoires", sy fainain-tainan'ny hozatra, "douleurs musculaires" ihany koa ny aretina polyomiélite. Ary mety ho voan'ny lefakozatra ihany koa na ny ankizy na ny lehibe ary tsy misy fitsaboana mahasitrana azy, hatreto, fa ny fiarovana no lalan-tokana hiadina aminy, dia tsy inona izany fa ny vaksiny irery ihany.
Voaporofo ihany koa fa ny famerenena ny vaksiny, na ny "rappel", mandritra ny fahazazana, dia ampy hiaro ny ankizy amin'ny androm-piainany ka azo antoka fa tsy ho voan'ny polyomiélite izy.
Tsara ny manamarika fa azo atao vaksinin'ny polyomiélite foana ny zaza mandritra ny hetsika faobe, na dia ireo efa nahazo izany tamin'ny vaksiny tany aloha aza.
Ao anatin'izao hetsika vaksiny faobe atombontsika androany izao, dia ho amafisina ny fanatanterahana izany eo anivon'ireo CSB sy any an-tsekoly. Tsapa ary fantatra ihany koa fa matetika ianareo dia voatery mandeha tongotra lavitra vao mahita toeranam- pitsaboana. Ka noho izany, dia nosafidian-tsika ny nitondra ny vaksiny manĂ tona ny vahoaka anamorana ny fankasitrahan'ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka vaksiny.
Koa mamporisika ny ray aman-dreny rehetra aho mba hahay andray ny tombontsoa avy amin'izany fanakekezan'ny mpiasan'ny fahasalamana eto aminareo izany. Entano ny mpiara-monina sy ny manodidina ary ampahafantaro azy ireo fa hitondra soa sy hitsinjo ny fahasalaman'ny zanan-tsika no atongavan'ireo mpanao vaksiny.
Nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy
Hitsan-tsika mijoro manolohana antsika eto, ry zareo mpanao vaksiny. Maro ireo faritra eto Madagasikara efa nahavita namongotra ny polyomiélite. Ho antsika eto Ampanihy kosa, dia mila amafisina ny ezaka ary mampirisika sy mampahery ireo mpanabe rehetra ny tenako, tsy hikely soroka amin'ny fanatanterahana ny fanaovanam-baksiny any an-tsekoly.
Manentana ny ray aman-dreny ihany koa aho, hanaraka an-tsakany sy an-davany ny tetiandro voafaritra anaovana ny vaksiny (...)".
Â