]
Les quotidiens du 21 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Madagasikara sy ny Solombavambahoakany. Modiana tsy resahina ny lalàna misy sy ny tena tanjona

Madagasikara sy ny Solombavambahoakany. Modiana tsy resahina ny lalàna misy sy ny tena tanjona

Asa raha tokony hiomehezana na tokony atao inona ireo « Malagasy » minia manesika lainga sy fanovana ny zava-misy amin’ny anaran’ny « Fahafahana maneho hevitra », na am-bava na an-tsoratra. Amin’izao andron’ny tambazotra toa ny facebook izao dia io farany io no tena miasa mafy dia mafy.

Rehefa zohina anefa dia fankahalana olona rano fotsiny no mameno ireny tambazotra ireny. Mandoa 2.000 ariary dia mihevitra fa afaka manompa, manaratsy, manao tsinontsinona sy manambany ny hafa, tsy ampiheverana, satria entin’ny saina tsy ampy fahalalàna ka rehefa nisy nanoratra hoe " nirodana ny tonelina ao ambanidia " dia maro izy ireo no nino. Tratra moa ilay namoaka izany, afahana manaporofo ity : matoa tsy mbola tratra ianareo minia manao tsinontsinona ny hafa dia satria tsy tadiavina. Ka tohizo fa aza malaky mifompona rehefa tratra.


Izaho aza notoriana Solombavambahoaka mpanao « chèques sans provision ». Tratry izy kanefa nahazo fahafahana vonjy maika dia tsy hita izay tohiny. Ary dia nilatsaka soa aman-tsara ho fidiana Solombavambahoaka indray teo, saingy tsy ampy ilay vola 20 tapitrisa ariary tokony naloa. Ramahatodisolomanana Voanalaroy Randrianarisoa no anarany ry zareo a ! Ary notendren’ingahy Hery Rajaonarimampianina ministry ny Asan-tànana, ny Kolontsaina sy ny Fananam-pirenena.


Ny olana eto Madagasikara dia izao : misy lalànany daholo ny sehatra rehetra fa misy ampiarina misy tsy ampiarina. Fa maninona ?

Amin'ny fanaovan-gazety moa dia misy ny hoe : « Les faits sont sacrés, les commentaires libres ». Izany hoe malalaka ny fanehoan-kevitra fa kosa miala amina tranga sy/na zava-misy izay masina. Izany hoe tsy azo ovana na foronina. Ireto manaraka ireto izany « faits sacrés » izany, miala avy ao amin’ny Lalampanorenena’ny Repoblika faha-4.


Tsetsatsetsa tsy aritra : misy koa ny fiteny hoe : « Nul n’est censé ignorer la loi » na hoe tsy misy olom-pirenena na iray aza tsy hahalala ny làlana manan-kery. Manomboka eto dia mandringa koa ny eto Madagasikara mikasika izany. Raha haino aman-jery tsy miankina dia azy ny manely izay saim-pantany fa tsy tokony adinony fa tsy misy ambonin’ny làlana ka rehefa tratra dia toa mamo miantso polisy. Ireo haina aman-jerim-pirenena RNM sy TVM no omeko tsiny eto. Satria tsy mba manokana fandaharana matihanina momba io Lalampanorenana io mihitsy ka aiza moa no hafantaran’ny vahoaka any ambany ravin-kazo any ny azony sy ny tsy azony atao ? 584.000 km², tompoko ity nosintsika ity… Ary mbola misy aloha ny vokatra vonjimaika havoakan'ny CENI izay vao hivoaka ny vokatra ofisialy avy any amin'ny HCC. Io ambony io izany dia tena "beaucoup de bruit pour rien". Dia faly ry tsy ampy fahalalana manao "commentaires" mampiady olona. Mino aho fa izay no tena tanjona. Fa iza aloha aminareo ireo no tsy ho faty ary tsy hanana taranaka e ? Izao ve no lova apetraka ?

Izay no ela fa aleho amin’izay aho hanazavan’ny sainan’ny rehetra.

Raha mikasika ny fifidianana farany teo, mikasika ny Solombavambahoaka na Depiote (29 May 2024), dia mahavariana aho ireto miseho azy tena tampi-pahaizana amin’ny fanaovana politika. Toa tsy fantany akory aza no tena dikan’io teny io. Mahavariana ahoana moa fa tena mahatalanjona sy mampitampim-bava no voambolana tena milaza ny rediredy avoakan'izy ireo.

« Naharesy an’i Anona i Anona ». « Poa-droa »… « Nisy hala-bato tery sy teroa ». « Tsy hanaiky hatramin’ny farany ». Ireo tafiditra ao amin’ny sokajin’ny Mpanabe moa -ny mpanao gazety sasany indrindra indrindra- dia mahita lazaina hatrany. Fa ny tena tokony ho fantatry ny vahoaka malagasy dia adino tanteraka.


Eto Tsiadana aho no monina efa 24 taona. Fokontany ao amin’ny boriboritany faharoa eto Antananarivo izy io. Izany hoe efa tamin’ny andron’ny Filoha Didier Ratsiraka no teto. Efa tamin’ny fotoam-pitondran’ny antoko Arema farany no lasa roa ny isan’ny Solombavambahoakanay satria efa nitombo ny mponina, ary efa ho 4 tapitrisa (4.000.000) mahery no isany eto Antananarivo Renivohitra fotsiny, amin’izao volana Jona 2024 izao, raha toa ka 250.000 tamin’ny taona 1960 (Tsindrio eto).

Raha io resaka mponina io indray sy ny isan’ny Solombavambahoaka dia izao no toa tena tsy fantatr’ireo tampi-pahaizana amin’ny famadian-dresaka.


MINISITERAN'NY ATITANY

Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana famenon’ny didim-panjakana laharana faha 2019-189 tamin’ny 20 febroary 2019 mamaritra ny isan’ny mpikambana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, sy ny fitsinjarana ny toerana (répartition des sièges) manerana ny firenena malagasy, ary ny fomba famaritana ny fari-pifidianana ho an’ny fifidianana solombavambahoaka.

Ny distrika tsirairay avy no mirafitra ho fari-pifidianana ary tahaka izao ny famaritana ny isan’ny solombavambahoaka isaky ny fari-pifidianana :

  • Ny boriborintany 6 izay mirafitra ho distrika 6 eto Antananarivo renivohitra dia manana solombavambahoaka 2 avy isaky ny boriborintany, amin’ny maha-renivohitr’i Madagasikara
  • Ny distrika renivohim-paritany 5 hafa koa dia manana solombavambahoaka 2 avy.
  • Ny distrika manana isan’ny mponina mihoatra ny 310.000 dia manana solombavambahoaka 2 avy
  • Ary ny distrika manana isan’ny mponina latsaka ny 310.000 dia manana solombavambahoaka 1 avy.
  • Na manahoana na manahoana kosa dia tsy misy distrika manana solombavambahoaka mihoatra ny 2

Voafaritra ho 163 araka izany ny isan’ny solombavambahoaka manerana an’i Madagasikara nofidiana tamin’ny fifidianana tamin’ny 29 mey 2024. Hiampy 12 isa izany raha ampitahaina amin’ny tamin’ny 2019 noho ny fitombon’ny isan’ny mponina.

Ireto avy ny distrika lasa hanana solombavambahoaka miisa 2 hofidiana ao aminy ankoatra ireo efa nanana 2 hatramin’izay:

  • Ambatolampy – Vakinankaratra
  • Betafo – Vakinankaratra
  • Antsirabe I – Vakinankaratra
  • Ambalavao – Matsiatra Ambony
  • Ihosy – Ihorombe
  • Toamasina II – Atsinanana
  • Mahanoro – Atsinanana
  • Mandritsara – Sofia
  • Betioky Atsimo – Atsimo Andrefana
  • Amboasary Atsimo – Anosy
  • Ambilobe – Diana
  • Antalaha – Sava

Izay no zava-misy araka ny lalàna (« Faits sacrés »). Ny sisa dia resaky ny minia manaparitaka tsaho sy lainga. Mbola ho tratra fa tohizo foana e !


Raha ny eto aminay boriboritany faharoan’Antananarivo izany dia tsotra : telo ny kandida nilatsaka. Izany Longin izany, tsy fantatry ny mponina mihitsy fa hoe mpanafoefo manana tranobe etsy Ampasanimalo. Ka na « resy » na « mandresy » na i Rastany na i Lanto Rakotomanga dia Solombavambahoakan’i Madagasikara ihany no anaran’ireo kandida roa ireo eny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena etsy Tsimbazaza. Satria ireo kandida roa ireo no hisolotena anay ao. Tsy misy izany voalohany izany ary tsy misy izany « Premier tour dia vita » -tena reko tao amina vidéo ao amin’ny facebook- izany ny fifidianana Solombavambahoaka eto Madagasikara. Asa raha mazava.


Inona marina moa no tanjona amin’ny hazoana maro an’isa ao amin’ny Antenimpierampirenena eto Madagasikara ?

Toy ireo firenena maro nozanahan’ny fitondrana frantsay teo aloha, ny fandaminana sy ny tombontsoan’ny Antenimierampirenena Malagasy dia tena aingam-panahy avy amin’ny Antenimierampirenena frantsay ihany. Ny mpikambana miisa 163 ao aminy, izay solombavambahoaka no anarany, dia voafidy alalan'ny fifidianana amina latsa-bato mivantana (« suffrage universel ») hiasa mandritra ny dimy taona.

Io fe-potoana hiasan’ny Solombavambahoaka io na « mandat parlementaire » dia mandrara azy ireo hisahana asa hafa (« mandat exclusif »), ankoatra ny eo amin’ny fampianarana. Ny Antenimierampirenena malagasy dia manana Filoha, Filoha lefitra enina ary « questeurs » roa (aiza ianareo ao Akademia malagasy amin’ny fandikana io voambolana io ? Misaotra mialoha). Mivory mandritra ny fotoam-pivoriana tsotra (« sessions ordinaires ») roa mandritra ny enimpolo andro, amin'ny volana Mey sy Oktobra, ary afaka manao ny fivoriana tsy ara-potoana (« sessions extraordinaires »), araka ny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Antenierampirenena.

Mizara anjara amin’ny mpikambana ao amin’ny Antenimieran-doholona sy amin’ny Praiminisitra ny ao amin’ny Antenimieram-pirenena, raha mikasika ny lalàna rehetra. Izy ihany koa no manamafy ho ara-dalàna ireo volavolan-dalàna momba ny fitantanam-bola isan-taona, ary manana amina latsa-bato (« vote ») amin'ny fidirana na tsia amina ady (« guerre »), ka mivory ao amina Kongresy miaraka amin'ny Antenimieran-doholona hanatontosana izany.

Ny roa ampahatelon'ny maro an'isa ao amin’ny Antenimierampirenena dia afaka misafidy ny hanameloka sy ampitsahatra ny governemanta amin’ny asany. Ny mifanohitra amin’izany kosa dia afaka mandrava ny Antenimierampirenena ny filohan’ny Repoblika izay lasa hisahana ny fahefan’ireo Solombavambahoaka.

Ary ahoana tokoa moa ny mikasika ny fanendrena ny Praiminisitra malagasy ?

Araky ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalampanorenan’i Madagasikara 2010 dia :

Andininy faha-54 : Ny Filohan’ny Repoblika no manendry ny Praiminisitra araka ny tolotry ny antoko na vondrona antoko maro an’isa ao amin’ny Antenimierampirenena.

Ny Filohan’ny Repoblika no mampitsahatra ny Praiminisitra amin’ny asany, aorian’ny fanolorany ny fametraham-pialàn’ny Governemanta, na vokatry ny fahadisoana goavana, na noho ny tsy fahombiazana azo tsapain-tànana.

Ny Filohan’ny Repoblika no manendry ny mambra ao amin’ny Governemanta sy mampitsahatra azy ireo amin’ny asany, araka ny tolokevitra avy amin’ny Praiminisitra.


Inona marina izany hoe Antenimierampirenena eto Madagasikara ? Ireto no voalazan’ny Lalampanorenana fa tsy izay soratan’ny miseho zavatra ao aminy facebook. Asa raha mba namaky ireto ihany dia manao fanahy iniana na tsia.

Andininy 69. Fidin’ny daholobe hiasa mandritry ny dimy taona amin’ny alàlan'ny latsabato mivantana ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena ka izay mahazo vato be indrindra no lany.

Ny fomba fanatanterahana ny latsabato dia ferana amin’ny alàlan'ny lalàna fehizoro.

Ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena dia mitondra ny anarana hoe: « Solombavambahoakan’i Madagasikara ».

Andaniny 70. Didim-panjakana raisina eo amin’ny Filankevitry ny Minisitra no mametra ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena, ny fitsinjarana toerana manerana ny tanim-pirenena sy ny fizarazarana ny fari-pifidianana.

Andaniny 71. Tsy azo ampirafesina amin’ny andraikitra hafa maha-olom-boafidim-bahoaka sy izay mety ho fisahanana asam-panjakana hafa ankoatra ny asa fampianarana ny andraikitry ny solombavambahoaka.

Miato avy hatrany amin’ny maha olom-boafidy azy ny solombavambahoaka voatendry ho mpikambana ao amin’ny Governemanta. Ny mpisolo toerana no misolo azy.

Manatanteraka ny asany araka ny feon’ny fieritreretany ary ao anatin’ny fanajàna ny fitsipika fototra voafaritra araka ny fomba voadidy arahina ao amin’ny andininy faha-79 etsy ambany ny solombavambahoaka.

Andaniny 72. Mandritra ny fe-potoana iasany, ny solombavambahoaka dia tsy afaka miova vondrona politika mba hiditra any aminà vondrona vaovao, ankoatra ny anaran’ny vondrona izay nahavoafidy azy, raha tsy izany dia aongana.

Raha misy ny fandikàna ny andàlana etsy aloha, dia ambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny sazy fanonganana.

Ny solombavambahoaka voafidy ka tsy avy aminà antoko iray dia afaka miditra ao amin’ny vondrona parlemantera araka ny safidiny eo anivon’ny Antenimiera.

Ny fanonganana Solombavambahoaka iray dia azon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana anaovana fanambarana ihany koa, raha toa izy ka mivoana amin’ny làlam-pitondran-tenan’ny vondrona parlemantera misy azy.

Ny fomba fanonganana sy ny fitsipika momba ny toetra fototra ary ny fitandroana ny hasin’ny asa dia faritana amin’ny alàlan’ny lalàna mikasika ny antoko politika sy ny didy amam-pitsipika mikasika ny famatsiam-bola ny antoko politika.


Izay no tokony fantratry ny olompirenena malagasy 18 taona mihoatra. Matoa tsy fantatr’izy ireo dia satria tsy misy manoro. Tsotra. Any amin’iza amin’izay ary ny tsiny raha manararaotra toa banga mihomehy ao anaty aizina ireo mametraka lova ratsy indrindra ho an’ny taranany ? Dia ireo tsaho sy lainga ary famoronana tranga tsy nisy, tsy misy ary tsy hisy ?

Jeannot Ramambazafy

Antananarivo 02 Jona 2024

Mis à jour ( Dimanche, 02 Juin 2024 17:51 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024