Nanomboka ny fitsidihana ofisialy voalohany any Korea Atsimo ataon’ ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny Mialy R. Rajoelina. Izany dia ao anatin’ny fandraisan’anjaran’ny Firenena malagasy amin’ilay Fihaonana an-tampony voalohany eo amin’ny Korea atsimo sy Afrika, ny 4 sy 5 Jona 2024. Ity fitsidihana ity dia hanamarika kihon-dalana eo amin’ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Korea atsimo, miaraka amin’ireo fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasan’ny Firenena roa tonta mikendry ny hampiroborobo sehatra lehibe maro.
Ny minisitry ny Raharaham-bahiny Koreana Lee Moon-hee no nitsena ny filoha Andry Rajoelina mivady tonga ao Korea Atsimo, ny 2 Jona 2024, niaraka tamina delegasiona misy mpikambana ao amin’ny governemanta malagasy. Fotoana stratejika hanamafisana ny fifandraisana ara-diplaomatika sy ara-toekarena eo amin'ny firenena roa tonta ny fandraisan'ny Firenena malagasy anjara amin'ny fihaonambe Korea atsimo-Afrika, izay hatao ao amin'ny Kintex Convention Center ao Seoul.
Teo ampahatongavana dia nohamafisin’ny Filoha Rajoelina ny maha zava-dehibe izao fitsidihana izao. Nanambara izy fa laharam-pahamehana ny famokarana entana ilain’ny Malagasy ao Maagasikara ihany. Ankoatra ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny indostria, ny asa, ny fambolena, ny harena an-kibon’ny tany ary ny teknolojia vaovao, ho lohahevitra lehibe amin’ny dinika ihany koa ny famatsiana rano fisotro. Hitsidika ny tobim-pamokarana rano voadio ao Seoul ny filoham-pirenena malagasy mivady hahitany maso ireo vahaolana amin’ny resaka rano fisotro eto Madagasikara.
Ny hanamarika ihany koa ny fitsidihan’ny Filoha Rajoelina any Korea atsimo ny fanaovan-tsonia fifanekena roa lehibe. Ny voalohany dia ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny Indostria ary ny Angovo ao Korea atsimo sy ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Io fiaraha-miasa stratejika io dia ahafahan’i Madagasikara mahazo tombony amin’ny fahaiza-manaon’ny Koreana atsimo eo amin’ny fitrandrahana sy ny fitantà nana ny harena an-kibon’ny tany.
Hiompana amin’ny fanatsarana ny voka-bary eto Madagasikara ny fifanaraham-piaraha-miasa faharoa izay soniavin’ny minisitry ny Fambolena Malagasy sy ny Koreana atsimo mpiara-dia aminy. Tafiditra ao anatin’izany fiaraha-miasa izany ny fananganana tobim-pamokarana vary amin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta ; ny fanatsarana ny rafi-pamokarana masomboly ary ny fampivoarana ny fahaiza-manaon’ireo matihanina amin’ny fambolena Malagasy, amin’ny alalan’ny fiofanana sy fifanakalozana fahalalana.
Eo anilan’ilay fihaonana an-tampony dia nihaona tamin’ireo Malagasy ampielezana any Korea Atsimo ny Filoha Andry Rajoelina mivady. Nampahafantarina ny fiaraha-monina malagasy any Korea, indrindra ireo mpianatra injeniera sy misionera ara-pivavahana, ny amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha farany eto Madagasikara sy ny ho avy. Ny tanjona tamin’ity fihaonana ity ny nanamafisana ny fifandraisan’ny fanjakana malagasy sy ny olom-pireneny any ivelany, hanasongadinana ny maha zava-dehibe ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fampandrosoana ny Firenena niavihana iombonana.
Araka ny angom-baovao voaray sy mari-pototra dia teratany malagasy manodidina eo amin’ny efapolo no monina ao Korea atsimo, ka 14 amin’izy ireo dia manana kara-pifidianana. Mpianatra injeniera sy misionera ara-pivavahana izy ireo.
Tsiahivina fa nanomboka tamin'ny taona 1960 ny fifandraisana misy eo amin'i Madagasikara sy Korea Atsimo. Nitsahatra izany noho ny zava-niseho tamin’ny taona 1972 teto amin'ny Nosy ary ny taona 1993 vao niverina nitohy izany fifandraisana izany.
Ankehitriny dia ny orinasa Koreana no anisan'ireo mpampiasa vola be eto Madagasikara, raha tsy hiteny afa-tsy ny Korea Mine Rehabilitation and Mineral Resources Corporation (Komir) izay nampiasa petra-bola (« actions ») 2 miliara dolara ao amin'ny orinasa Ambatovy (27,5% petra-bola rehetra).
Eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana eto Madagasikara indray, dia tazana ihany koa ny Korea Atsimo, amin’ny alalan’ny « Agence coréenne de coopération internationale » na Koica. Raha eo amin’ny lafiny varotra indray dia tafakatra 78,230 tapitrisa dolara ny fanondranana entana avy aty Madagasikara ho any Korea Atsimo tamin’ny taona 2017, raha 61,850 tapitrisa dolara ny fanafarana entana avy any Korea Atsimo ho aty Madagasikara..
Farany : tsiahivina eto fa adiny enina ny elanelan'ora (« décalage horaire ») eo amin’i Madagasikara sy Korea atsimo. Izany hoe raha amin’ny 12 h atoandro eto amintsika dia efa amin’ny 18 h ny any.
Nangonin’i Jeannot Ramambazafy