Ny Filoha Andry Rajoelina sy Mialy, vadiny, teny amin’ny ampahan'ny Velaran-tany fambolena vary safiotra Yuan Longping ao Hunan
Alohan’ny hiresahako ny Fitsidian’ny Filoha Andry Rajoelina tany Huan, mikasika ny vary safiotra, ny 9 Septambra 2024, aleho aloha hahatsiahy ny zava-nisy talohan’izay. Satria mora ny manenjika, indrindra rehefa tsy tena mahalala ny zava-nisy sy misy marina.
Ny volana desambra 2023 dia naneho ny faniriany hanohana ny fampandrosoana an’i Madagasikara amina sehatra maro ny Firenena sinoa, ka anisan’izany ny fambolem-bary.
Nambaran’ny iraka manokan’ny Filoha sinoa Xi Jinping, Andriamatoa Hu Chunhua, nandritra ny fihaonany tamin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ny 22 Desambra 2023 fa : « Manome lanja lehibe ny fampandrosoana ny fifandraisan’ny Sinoa sy ny Malagasy i Shina sady vonona ny hiara-hiasa amin’i Madagasikara amin’ny fampitomboana ny fifanakalozana sy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa. Raha momba ny fambolena sy ny vary safiotra (« riz hybride »), dia nilaza ity iraka manokana ity fa « hanafaingana ny fahatanterahan’ny tanjon’ny firenena malagasy amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ny alalan’ny famokarana vary safiotra ny Firenena sinoa ». Nanomboka teo izany dia nandrasana ny drafitry ny hetsika hanafaingana ny tetikasa fiaraha-miasa vaovao. Marihina fa solontenan’ny Filoha Xi Jinping tamin’ny fianianan’ny Filoha Rajoelina faharoa, tao Mahamasina, ny 16 Desambra 2023, Andriamatoa Hu Chunhua.
Taorian’izay dia nitsidika ny toeram-pambolena vary safiotra efa natao andrana ao Andranovaky Mahitsy ity iraka manokan’ny Filohan’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina Xi Jinping ity. « Hanohana ny fampivoarana ny vary safiotra eto Madagasikara i Sina », hoy i Hu Chunhua, rehefa nahita nivantana ny fahombiazan’ny fambolem-bary safiotra teny amin’ity toerana andrana ao Mahitsy ity. Marihina fa ny vondrona STOI (« Société trading de l’océan Indien ») tarihin’ny Filoha Tale Jeneraliny, Tovonahary Rabetsitonta, no tompon’antoka amin’ny fampiroboroboana ity vary safiotra iy eto Madagasikara.
Andriamatoa Tovonanahary Rabetsitonta sy Ramatoa Tahian'ny Avo Razanamahefa
Hoy i Ramatoa Tahian'ny Avo Razanamahefa, Tompon’andraikitry ny Seraseran’ny STOI, tamin’io fotoana io : « Miara-miasa amina tantsaha mpiara-miombon’antoka maherin’ny 2.500 miparitaka manerana ny faritra valo ny STOI. Efa nahatratra 850 ha ny velaran-tany nampiasaina tamin’ny fambolena vary safiotra nandritra ny taom-bokatra 2022-2023. Nahatratra 8 taonina/ha ny salan'isa vokatra azonay. Ho an’ny fampielezan-kevitra manaraka dia ny hanitarana ny fambolem-bary amin’ny velaran-tany 1.000 ha no vinavinay. Ao anatin’izany dia hifarana tsy ho ela ny famokarana masom-bary hybride amin’ny 30 ha ao Iharana (Vohémar) ». Marihina f'efa tamin'ny taona 2020 io resaka vary safiotra io no nandramana teto Madagasikara, saingy tonga ny covid...Â
Mazava, araka izany fa tsy tao amin’ny FOCAC 2024 no nipoitra io resaka vary safiotra io, izay sehatra natao laharam-pahamehana sy nitadiavana fiaraha-miasa nandritra ny fandraisana anjaran'i Madagasikara tamin’iny fihaonan’ny firenena afrikana sy sinoa iny, tao Beijing, ny 4 ka hatramin’ny 6 septambra teo.
Notsindrian'ny Filoha Andry Rajoelina izany tamin'ny fandraisam-pitenenany nandritra ny Fivoriana fara-tampony, ny alakamisy 5 septambra. Mbola namafisiny izany nandritra ny fihaonany tamin'Andriamatoa Xi Jinping, Filohan'ny Repoblika entim-bahoakan'i Sina, ny zoma 6 septambra 2024.
Ny fahatongavana amin'ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy amerenana indray an'i Madagasikara ho sompitry ny ranomasimbe Indiana sy Afrika mihitsy, no tanjon'ny fampivoarana ny Fambolena katsahan'ny fitondra-panjakana malagasy ankehitriny. Nasiana tsindrim-peo manokana tamin'izany ny fambolem-bary amin'ny alalan'ny Fambolena ny vary safiotra na « riz hybride ».
Mifandray amin'izany indrindra ny fitsidihana nataon'ny Delegasiona malagasy, ny alatsinainy 9 septambra 2024, tao amin'ny Mozean'ny Foibe Fikaroana sy Fampivelarana ny vary safiotra (« Centre de recherches et de développement du riz hybride ») sy teny amin’ny Velaran-tany fambolena vary safiotra Yuan Longping, mirefy 100 hektara, ao amin’ny kaominin’i Lukou, Faritan’ny Hunan, ao atsimon’ny Sina. Mirefy 210.000 km² ity faritany ity ary misy mponina 65 tapitrisa mahery.
Andriamatoa Yuan Longping (13 aogositra 1929 – 22 may 2021), izay akademisiana sinoa, dia manam-pahaizana manokana amin'ny tontolon’ny fambolena na « agronomie ». Izy no namorona ny vary safiotra. Izay no antony niantsoina azy hoe « Père du Riz Hybride » na Rain’ny Vary safiotra. Tao Hunan izy no nampianatra sy nanao ny asa fikarohany izay natombony ny taona 1964. Nifanojo tamin'ny fotoan-tsarotra nolalovan'ny firenena Sinoa izany. Satria tokoa, tamin’ireo taona 1950 sy 1960 dia nisedra tsy fanjarian-tsakafo tsy roa aman-tany ny mponina maro tao Sina izay mirefy 9,60 tapitrisa km2 sy manana morontsiraka mirefy 18.000 km.
Noho izany, tamin’izany vanim-potoana izany, resy lahatra Andriamatoa Longping fa ny fikarohana vary mora vokarina an-taoniny maro sy mahazaka tsara ny toe-tany sy toetrandro no vahaolana handresena ny tsy fanjarian-tsakafo. Taorian’ny andrana am-polony nisesy dia nahita ny fomba mahomby amokarana ny vary safiotra i Yuan Longping. Nanomboka teo dia natao ny fambolena io karazam-bary io amina velaran-tany lehibe manerana an'i Sina.
Noho ny fambolena io vary safiotra io dia nahavita nanova ny tantarany i Sina. Satria dia nahatratra ny fahavitan-tenany ara-tsakafo, na dia izy no firenena maro mponina indrindra eran-tany (1 milliara sy 500 tapitrisa mahery amin’izao taona 2024 izao). Ary ny firenena sinoa, ankehitriny, no manondrana (« exportation ») vary be indrindra maneran-tany. Raha ny fanazavana nandritra ny fitsidihana ny Mozean'ny vary safiotra, dia mitombo 2,5 tapitrisa taonina isan-taona ny vary safiotra vokarina any Sina. Izany dia ahafahana mamaly ny filana ara-tsakafo ho ana olona 80 tapitrisa.
Hatreto dia manodidina ny 8 hatramin'ny 12 taonina isaky ny hektara iray ny vokatra azo avy amin'ny fambolena vary safiotra. Ny tanjon'ireo mpikaroka sinoa moa dia ny hazoana 18 taonina isaky ny hektara iray. Tratran-dry zareo io tanjona io tamin'ny taom-pamokarana 2023. Ankehitriny dia mitady ny fomba mba itazomana an'io taham-pamokarana avo dia avo mandritra ny taona maro io ireo mpikaroka.
Noho izy mamokatra betsaka, nefa koa azo andrafetana masomboly mifanaraka amin'ny toe-tany sy ny toetrandro amin'ny alalan'ny fikaroahana, dia maro ireo firenena miara-miasa amin'i Sina, eo amin’ny fizarana ny fahaiza-manao momba ity vary safiotra ity. Isan'izany i Etazonia sy Bangladesh, ary i Mozambika raha aty Afrika. Ankoatra ny vokatra isan'hektara ambony, raha oharina amin’ny vary tsotra, dia tsara ho an'ny fahasalamana ihany koa ny vary safiotra izay mahavoky eo amin’ny 20% ambon’ny vary tsotra.
Ramatoa Tahian'ny Avo Razanamahefa, vao notendrena Sekreteram-panjakana misahana ny fandrianana ara-tsakafo ("Secrétaire d'État auprès de la Présidence, chargée de la Souveraineté alimentaire") sy Yuan Dingan Longping, zafikelin'i Yuan Longping, Mpitantanana ny orinasa « Yuan’s Seed » no nanao sonia ny fifanarahana
Ary dia aikitra ka « tsa mipody » intsony ! Ny 9 septambra 2024 io ihany dia nosoniavina ny Fifanarahana roa mifandraika amin’ny vary safiotra ity, eo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny orinasa « Yuan’s Seed ». Izany no vokatry ny fitsidihan'ny Filoha Andry Rajoelina tany Hunan. Tsara lazaina eto fa ny Mpitanana io orinasa « Yuan’s Seed » mpamokatra masomboly ana vary safiotra io dia tsy iza fa i Yuan Dingan Longping, zafikelin'i Yuan Longping.
Volana May 2021 no tsapa fa mahomby ny fambolena vary safiotra. Fa mbola tsy nisy ny fifanarahana matotra...
Anisan’ny tena ifantohan’ireo fifanarahana nosoniavina ireo ny famokarana, eto Madagasikara, ny masomboly vary safiotra, indrindra ireo atao hoe « semences parentales » azo adika hoe « voa avy amin’ny ray aman-dreny », mba tsy hiankin-doha amin’ny fanafarana. Hatsangana araka izany ny toerana manokana fambolena ny masomboly ana vary safiotra (« Parc de culture de la semence de riz hybride ») eo amina velaran-tany mirefy 2.000 hektara. Izany dia any amin’ny faritra Betsipotika, akaikin’i Morondava. Ny masomboly vokarina ao amin’io toerana io avy eo nohozaraina isam-paritra, ao anatin’ny Fanampariahana ho an’ireo mpamboly tsy an-kanavaka ny fambolem-bary safiotra (« vulgarisation à grande échelle de la culture du riz hybride »).
Nanambara ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina fa « hanao izay rehetra azo atao izahay mba hahatanteraka ireo fifanarahana izay nosoniavinay teto ». Ary nanamafy ny Filoha malagasy ny fanirian’ny fanjakana hambolena haingana ny vary safiotra eto Madagasikara. Ny vokatry ny fikarohana nataon’ny foibem-panandramana any Mahitsy, tohanan’ny orinasa « Yuan’s Seed », dia mampiseho fa tena azo ambolena tsara eto Madagasikara ny vary safiotra.
Ny zavatra dia mahavariana ry mpamaky hajaina dia ity : Efa nanomboka ny taona 2007 no niara-niasa tamin’i Madagasikara tamin’ny teknolojiam-bary safiotra i Sina. Manodidina ny 20 eo ho eo ireo manam-pahaizana momba ny fambolena avy ao amin’ny Faritanin’i Hunan any Shina no nitsidika ny ala tropikaly, ny afovoan-tany sy tany amin’ireo faritra mamokatra vary rehetra eto Madagasikara, namafy masomboly ana vary safiotra avy any atsimon’i Sina ary nanampy ny vahoaka Malagasy hanatanteraka ny nofinofiny momba ny fizakan-tena ara-tsakafo.
Taorian'ny revolisiona volom-boasary, inona marina ny nataon'ny fitondranan'ingahy Hery Rajaonarimampianina nandritra ny 5 taona ? Satria tsy nisy covid-19 nanelingelina mihitsy ny fotoam-piasany. Mbola hisy hilaza ihany fa adala ny vahoaka malagasy ?...
Jeannot RAMAMBAZAFY