]
Les quotidiens du 26 Sep 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Madagasikara Kolikoly. Hetra, faktiora sy ny tariny. Hatramin’ny oviana aho no hiomehy ?

Madagasikara Kolikoly. Hetra, faktiora sy ny tariny. Hatramin’ny oviana aho no hiomehy ?

TSINDRIO ETO

Efa 40 taona mahery aho no mpanao gazety ary tsy mitsahatra amin’io asa masina io raha tsy any am-pasana. Ho any daholo isika fa aza mamorom-porona resabe indray ny sasany…

Ny fihetsik’ingahy Marc Ravalomanana no nahatonga ahy nanoratra ity fampahatsiahivana ity. Tsy inona izany fa ny fomba ratsy ataon’ny sasany amin’ny Malagasy voafidy na voatendry amina toerana ambony eto amin’ny firenena. Tsy hidirako eto (aloha) ny resaka fiara raitra vaovao toa lasa mari-pankasikatraha kanefa ny asa atao aza mbola tsy ay na ho tontosa na tsia. Ny an’ny sasany aza efa « plaque rouge », mbola atao « plaque noire », ka na amidy amin’izao na tena efa « pièces détachées » sisa no tavela. Mila asiana fiheverana io, Andriamatoa Praiminisitra Ntsay Christian. Satria lasa « idée bonne, note zéro » ho anao io resaka « plaques rouges » naverinao io noho ny gaboraraka miala avy amin’ny kolikoly mamotika ny firenena iray manontolo. Kanefa… Ndao, ary vakio tsara ireto manaraka ireto.

Misy lalin-tsaina mihitsy eto Madagasikara

Nisy ny "garage provincial" fahiny fa tsy ao amina tokontanin'olona toa izao no hiafaran'ny volam-bahoaka nividianana ireto fiara raitra lasa zaoridira ireto...

Ny resako eto dia ilay mametraka ny fanambarana tombam-pananàna (« Déclaration de patrimoine ») eny amin’ny BIANCO (« Bureau Indépendant Anti-Corruption » izay nahazo Tale jeneraly vaovao) sy eny amin’ny HCC (« Haute Cour Constitutionnelle » - Fitsarana avo momban’ny Lalampanorenana), araka ny andininy faha 40 sy 41 ao amin’ny Lalampanorenan’ny Repoblika malagasy sy araka ny andininy faha-2 ao amin’ny Lalàna laharana 2016-020 tamin’ny 22 Aogositra 2016 momban’ny amin’ny kolikoly.

Ireo olona voakasika izany dia manana telo volana aorian’ny naha voatendry, na naha voafidy azy, araka ny andininy faha-3 ao amin’ny Lalàna laharana 2016-020 tamin’ny 22 Aogositra 2016.

Ao no tsy miandry izany fa atao mipoapoaka mihitsy ny fanaovana fametrahana izany « Déclaration de patrimoine » izany, ary dia mameno gazety mihitsy ny ampitsony.

Fa izao : manakory kay rehefa injay izy tsy ao amin’ilay toerana intsony ? Na niala, na nesorina, na tapitra ny fotoana niasana (« fin de mandat ») ?

Tantara be raha soratako eto daholo. Indrindra moa mikasika an’ ingahy Ravalomanana Marc. Voafidy Filoham-pirenena fanindroany izy ny taona 2006. Hoy izy, mikasika ity « Déclaration de patrimoine » ity : « Efa nametraka aho tamin’ny teo aloha maninona no mbola hametraka ? ». Dia io fa nanao toa izany koa izy tamin’ny resaka hetra tsy nalohany, amin'ny nivarinany ho kandida fidina ho Ben’ny Tanànan'Antananarivo. Baraka, henatra, tahotra an’Andriamanitra : nariany daholo izany. Azy ny azy fa tsotra : dadabe tia tena, tsy mahalala mionona, mangetaheta fahefana tsy nahasoa vahoaka, any ka « Boay kely Dj » (filazan-dry GTT sy ny tariny) no nampipitika azy. Adinony hatramin’ny voambolana «Fahamasinana» rehefa nariany ny «Fahamarinana».

Fa raha mikasika ity « Déclaration de patrimoine », vontoatin’ity lahatsoratra ity, misy lavaka be ny lalàna malagasy momban’ny ady amin’ny kolikoly dradradradraina isak’izay mahatsiahy. Ary raha olona tsotra tsy hahatrakatra izany. Ny tena marina dia ao ambonimbony sy manodidina ny ambony be ao no tena toeran’io kolikoly io eto Madagasikara. Ary ny ao amin’ny tokony hiady aminy mihitsy no rakotr’izany kolikoly izany. Any ka lasa fahazarana efa amam-polo taona no mitondra vola rehefa ho amina biraom-panjakana. Na ministera io, na hopitaly io, eny na biraom-pokontany mihitsy aza, mba « hanomezana kely ».

Dia mbola misy gaga ihany amin’ireo manao ny tsy fanao eraky ny « avenue » eto Antananarivo… Inona tokoa no tsy vitan’ny vola. Izany moa ? SSSssss…

Io ambony io no porofo fa tsy misy fanaraha-maso mihitsy rehefa tsy eo amin'ny toerany intsony ilay olona voafidy na voatendry. Loza be anie izany ry ireto a !

Raha mikasika ny « Déclaration de patrimoine » aloha dia sarimihetsika ihany. Satria tsy misy mihitsy, hatreto aloha, lalàna manery ireo nanao fanambaram-panànana hanao izany rehefa tsy eo amin’ny toerany intsony. Mazava io ampahana tatitra eo ambony io.


Ary ianareo ve dia hino fa tsy « nitombo » ny fanany izy ireo raha oharina tamin-dry zareo nandray fahefana ? Tsy izy rehetra aloha… Kanefa raha misy ny olona tsara sy mahitsy, ao koa ny olona tena « gangsta » mpiray tsikombakomba amin’ireo tokony mampiatra io lalàna io, fa nivily làlana. Inona moa, ohatra, no mba vitan’izany Henry Rabary-Njaka izany ho an’ny firenena malagasy ? Mpitondra ny sakaosin’ingahy Hery Rajaonarimampianina izy taloha kanefa mba « avocat au barreau de Paris » ihany, nanomboka ny 4 desambra 1996. Natao « Directeur de Cabinet de la Présidence » aloha rehefa lasa Filoham-pirenena ingahy expert-comptable. Avy eo dia natao « minisitre des Affaires étrangères », dia lasa « ministre chargé des Mines et du Pétrole ». Vao tsy lany intsony ingahy Rajaonarimampianina, ny taona 2018, dia iny ingahy Rabary-Njaka fa nitsoaka ara-bakiteny -tsy nisy nanenjika fa tsy mandry ny eritreriny- ivelan'i Madagasikara, ary tsy re intsony hatramin’izao. Izaho mahalala ny misy azy fa misy fotoanany ny zava-drehetra…

Fa iza avy moa ireo tsy maintsy manao fanambaranam-pananàna araka ny andininy faha 40 sy 41 ao ny Lalampanorenanan’ny Repoblika malagasy ?

SOKAJY VOALOHANY : Ny Filoham-pirenena, ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, ny Minisitra, ny Sekretaram-panjakana, ny Solombavambahoaka, ny Loholona, ny Mpikambanana ao amin’ny HCC.

Iza kosa ireo tsy maintsy manao izany fanambaranam-pananana, araka ny Lalàna laharana 2016-020 tamin’ny 22 Aogositra 2016 momban’ny amin’ny kolikoly ? Tena aleho avela teny frantsay fa maro izy ireo. Azonareo an-tsaina sy amin’ny teny malagasy hoe iza ireo. Mino izany aho :

SOKAJY FAHAROA : Magistrats de l’ordre judiciaire, administratif et financier quel que soit leur grade et leur fonction ; Chefs de province, Commissaires généraux des provinces, préfets de région, chefs de région, chefs de district et maires ; Tout agent public occupant des postes de haute responsabilité de niveau égal ou supérieur à celui de directeur de ministère ; Membres des Corps d’Administrateurs, d’Inspecteurs et de Commissaires dans l’Administration publique ;

Chefs de formation militaire supérieure à l’échelon compagnie ; Inspecteurs de l’Inspection Générale de l’Etat, de l’Inspection Générale de l’Armée Malagasy et de l’Inspection Générale de la Gendarmerie Nationale ; Toute personne exerçant les fonctions d’officier de police économique ou judiciaire ;

Toute personne exerçant les fonctions d’ordonnateurs et comptables publics ; Dirigeants sociaux qui siègent au sein des établissements publics, des sociétés à participation publique.

Ireo sokajin’olona ireo, raha mitady ho anan-karena tampoka, dia voafehin’ny lalàna 183.1 ao amin’ny «code pénal» malagasy, mikasika ny hoe « Enrichissement illicite » na koa « Fananàna harena tsy ara-dalàna » satria tsy fanta-mpiaviana na tsy mazava.

« L’enrichissement illicite constitue une infraction continue caractérisée par la détention du patrimoine ou l’emploi des ressources illicites. Les preuves de l’origine licite de l’enrichissement ou des ressources pourront être rapportées par tous moyens ».

Izao raha adika amin’ny teny malagasy : Ny fananàna harena tsy ara-dalàna dia fandikan-dalàna tsy misy fitsaharany, amin'ny fananàna harem-be na fampiasana loharanon-karena tsy ara-dalàna. Ny porofon'ny niandohan'ny ara-dalàna ny fananan-karena na ny loharanon-karena dia tsy maintsy karohina amin'ny fomba rehetra.

Ny fanontaniana mipetraka dia ity : iza marina no manetsika ilay fanenjehina ? Aiza ny « décret » fampiarana io lalàna io ? Mino va ianareo fa hisy hilaza tsy anontaniana raha mikasika izany harem-be izany ?

Tsy nisy henatra mihitsy ity Hajo andrianainarivelo ity. Nihino tokoa ve fa ho lany Filoham-pirenena amin'izao fomba fisehosehoana izao ? Manao ny vahoaka malagasy ho badrahodra, hoy Pr Zafy izay

Ny ohatra iray dia ingahy Hajo Andrianainarivelo, efa ho folo taona no minisitra nisahana ny fanajariana ny tany. Niala izy ary nirotsaka ho kandida Filoham-pirenena tamin’ny taona 2023. Toa lasa aretina mihitsy ho an’ny Malagasy sasany ny hoe : rehefa manam-bolabe (avy aiza aloha ?) dia hiditra ho fidina, na Ben’ny tanàna aza, hazahoana fahefana. Ary tsy menatra misehoseho mihitsy. Dia io tsy nisalasala namoaka -ara-bakiteny- fiara GMC mitenina any amin’ny 600 tapitrisa Ariary ny vidiny. Mety nisy nanontany tany ho any, fa… Maty lolo e ! Mahajamba ny volaben’ny… sasany. Fa tsy nankaiza ingahy Hajo ! Ary tsy nasehony intsony ilay fiara lafo vidy.

Onitiana Realy tao amin'ny HCC, ny 30 janoary 2015. Vonona ery, kinanjo...

Ny mikasika an’i Ramatoa Onitiana Realy no mahazendana. Vao lany minisitry ny Mponina izy, ny 25 janoary 2015 dia ny 30 janoary 2015 ihany izy no tonga nanatitra ny Fanambarana ny fananam-pananany tao amin’ny HCC ao Ambohidahy. Roa taona fotsiny taorian’ny naha minisitra azy dia nitsangana ny Real Tv. Na dia tsy ao aza ny anarany tamin’ny fanoratana io Real Tv io ao amin’ny EDBM (« Economic Development Board of Madagascar » - Sampanana misahana ny fanoratana ny anaran’ireo orinasa fandraharahana eto Madagasikara), izy no tena tompony. Na dia ilay anarana hoe Real Tv fotsiny aza ve tsy mazava aminareo ? Fa i Briand no tena « kapiteny ».


Tsy nisy nanontany moa hatramin’izao mihitsy ny momban’io Real Tv io… Saingy izao : rehefa tsy minisitra intsony izy dia namoahana IST (« Interdiction de sortie du territoire ») na didy mandràra tsy hivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara. Voapanga ho nanodina vola 5 lavitrisa Ariary i Onitiana Realy fony izy minisitry ny Mponina. Io vola io dia ampahan’ny 35 tapitrisa dôlara amerikana nomen’ny Banky Iraisam-pirenena nanitarana ilay praograma « Vatsin’Ankohonana » ho an’ny mpiray tanindrazana any Atsimo, tratra ny Kere noho ny hain-tany nentin’ny El Nino (toetran’andro avy any amin’ny ranomasimbe Pacifique, mampiakatra be ny mari-panan’ireo faritra lalovany).


Araka ny fanazava vokatry ny fikaroana, dia namorona anaran’olona maro dia maro izy sy i Briand Andrianirina (izay voalaza fa manana fahaizana amin’ny fandoavam-bola elektronika) nangalana tsikelikely io vola be io. Fa dia tafaporitsaka ry zareo e ! Eto aho dia zendana toa ny maro ihany. Efa fantatra izany, maninona no tsy nogejaina aloha ny Real Tv ? Nilaina fantarina, tamin’izany, hoe vola avy aiza (10 tapitrisa ariary no petra-bola na «Capital» no voasoratra ao amin’ny Rdbm) no nananganana azy ?

Ny fanampin’izany, ingahy Briand Andrianirina koa tafiditra ao amin’ny sokajin’ireo tokony manao fanambaram-panana ihany koa. Satria efa Tale jeneralin’ny ANRE (« Agence Nationale de Réalisation de l’E-gouvernance ») izy. Ary naharitra ela teo amin’io toerana io satria 2009 ka hatramin’ny 2017 (taona nanambadiany an’i Onitiana Realy).

Avy eo dia nahazo IST toa ny vadiny koa i Briand satria volaza fa nanodina vola 4 lavitrisa Ariary, rehefa avy notendren’i Jean de Dieu Maharante, minisitry ny Paositra, amina fomba tsy ara-dalàna, ho Filohan’ny filan-kevim-pitananana ny ARTEC, ny 25 septambra 2018. Io ambany io izany fanendrena tsy ara-dalàna izany.

Note de service ve no anendrana olona ambony ? Izany ve dia ara-dalàna ry "Bevata" ?

Ny ARTEC moa lasa natao hoe FDTIC (« Fonds de développement des technologies de l’information et de la communication »). Izany hoe karazana fitehirizana vola hampiroboroboana ny teknolojian’ny fampitam-baovao sy ny serasera. Aiza izay teo ?

Fa tetika nahazoan-dry zareo nanodina io volabe io (natao « réquisition ») io FDTIC io. Nahazo IST ihany koa ingahy Maharante « Bevata ». Fa raha nody ity farany, ingahy Briand kosa dia mbola any ampita ary migalabona izay tsy izy mihitsy, miaraka amin’ny madama sy ireo zanany. Ary tsy ao Europa…

Araka ny soratra dia tany Moscou, ny 5 avrily 2024 no nalaina io sarin'i Briand io. Tsy maintsy mipoera va ny mpangalatra ?

Tsy ny vola tokoa no tsy misy. Ary tena maty eritreritra tokoa ry zareo, satria mino fa tsy hisy hahita, tsy hisy hanenjika. Izany an ?...

Ireo ry Rotary mianakavy. Tsy misy tranon-kenatra mihitsy e !

Marihina fa tamin’ny fitondran’ny Praiminisitra Olivier Mahafaly sy Jean Ravelonarivo no naha minisitra an’i Ramatoa Onitiana Andrianirina teraka Realy. Ny Jeneraly Ravelonarivo koa tokony nanao ilay « déclaration de patrimoine ». Tampoka teo anefa dia lasa nitsoaka any ivelany ity Praiminisitra nandimby an’ny Dokotera Kolo Roger ity, taorian’ny namoahana IST ihany koa. Ny 27 septambra 2021 dia voaheloky ny fitsarana higadra mandritran’ny 5 taona ity Praiminisitra teo aloha ity, manala baraka ny Rotary Club International, satria nanodikodina volabe mivantana tsy ara-dalàna (« bénéficiaire direct de contrats frauduleux ») tao amin’ny CNAPS (« Caisse Nationale de Prévoyance Sociale »), teo anelanelan’ny taona 2015 sy 2016. Tsy niatrika io fitsarana io izy ary tsy hita popoka fa tafaporitsaka tatsy Mayotte ary tonga soa aman-tsara tany Suisse. Dia mandrak’ity ny androany tsy hita ny lehilahy.


Torak’izany koa ingahy Raoul Arizaka Rabekoto, Tale Jeneralin’ny CNAPS, tokony nanao io « Déclaration de patrimoine » io. Fanampin’izany dia Filohan’ny FMF (« Fédération Malagasy de Football ») ingahy Harizaka tamin’io vaninandro io. Na dia nisy ihany koa ny IST, dia tafaporitsaka ingahirainy. Ny 17 febroary 2020 izy dia nandray sambo kely (« vedette ») tao Ambanja nihazo ny nosy Mayotte. Avy eo izy dia nandray raoplanina tao La Réunion ho any Eoropa. Mahavariana fa tsy nisy nihetsika na ny mpitandro filaminana na ny fanjakana malagasy sy Frantsay. Ny zava-bitan’ingahy Raoul Arizaka Rabekoto ? « Détournements de fonds (eo amin’ny 14,6 milliards Ariary no nahodiny), abus de fonction, corruption, enrichissement illicite, favoritisme et blanchiment ». Tsy hita ihany koa izy hatramin’izao.

Ny mahavariana dia tsy misy nanome ny sarin'io Louis Ranjeva io mihitsy hatreto, na ny fianakaviany aza...

Io volabe io nahodin'i Harizaka tao amin'ny CNAPS dia mampahatsiahy an’ingahy Louis Ranjeva. Ny an’ity Tale jeneralin’ny Banky Foibe (« Banque centrale ») ao Manakara ity dia tena efa ny atidohany mihitsy no nampiasainy nanaovana ratsy. Ny taona 2009 no niseho io halatra be ana 12,6 lavitrisa Ariary io. Voaheloka hanao asa an-tery vozona mandritra ny 15 taona izy. Fa tsy ay na maty na velona any amin’izay misy azy any. Io ambony io ny momba azy amin’ny tena frantsay. Mba mpampiasa saina koa ianareo mpamaky hajaina mandika e ! Misaotra anareo.

Tena mahas...osotra ! Ny taona 2011  ny CSI no niasa farany momban'ny "Déclaration de patrimoine" ! Loza ho an'ny firenena anie izany e !

Izay sy izay no tsara ho fantatreo, ry mpamaky hajaina. Misy olon-kafa any nanao toa izany fa ireo aloha no nalaza... Fa ianareo ve tsy hahatsapa fa mora anie no miady amin’ireo fomba ratsy ireo raha… misy ny finiavana marina avy amin’ny tena tomponandraikitra ara-baki-teny.

Hatreto aloha dia mbola sarimihetsika sy ny « manomboka izao » no manjaka aorian’ireo fivoriana etsy sy eroa tsy mitondra mankaiza, fa mbola mitohy mandrak’izao. Toa manjaka loatra ny hoe : « rehefa tsy namanay dia fahavalonay ». Ka inona na iza marina no tena fahavalom-pirenena eto Madagasikara ? Tsy mbô izaho aloha, matoa aho manoratra ary mbola hanoratra hatramin’ny farany. Fa ny tena fandrosoana toa manalavitra ny fotoana sisa hiainako raha mbola mitohy izao kolikoly izao.

Jeannot RAMAMBAZAFY – 24 Septambra 2024

Mis à jour ( Mardi, 24 Septembre 2024 14:30 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024

 

« LA TRAVERSEE DES VALLEES MA.FA.NA », UN PROJET DE MA.FA.NA ANTANANARIVO POUR LES VALLEES MANAGNANO – FAROGNY - NAMOROGNA

 

ALAIN DELON. DECEDE CE 18 AOUT 2024 A L'AGE DE 88 ANS

 

ROMI VOOS ANDRIANARISOA. LA VERITE VRAIE ET OFFICIELLE SUR LE CAS DE CETTE FRANCO-MALGACHE

 

Toamasina, 26 juillet 2024. Journée mondiale contre le travail des enfants à Madagascar

 

Madagascar : Application des lois. Un jour viendra le Développement, si…, par Jeannot Ramambazafy

 

Madagascar. Justin Tokely, élu Président de l’Assemblée nationale