
Vao mifoha maraina mijery ity facebook ity dia tena zendana tokoa amin’ireto karazan’olona miseho tena tapi-pahaizana mikasika ny raharaha mampalahelo, mampahonena niseho teny Ambohimalaza teny. Anisan’ny miara-ory amin’ny fianakavian’ireo tanora namoy ny ainy izaho sy ny ankohonako.
Kanefa ny fiainana mitohy ary ny tena mpanao gazety. Izany rahateo no asan’ny mpanao gazety matihanina fa tsy hampiady olona na asain’ny mpanao politika mampiasa voambolana ampisavorika ity fiainana mandalo ity…
Ka indro aloha ny mikasika ny hoe « Secret de l’instruction » na ny Tsiambaratelo momba ny fanadihadiana. Satria tokoa tsy misy olombelona tokony tsy mahalala ny lalana (« Nul n’est censé ignorer la loi »). Ho velabelariko kokoa ratoandro.
Le "secret de l'instruction" à Madagascar, comme dans de nombreux systèmes juridiques en Europe -dont la France-, signifie que les informations relatives à une enquête pénale doivent rester confidentielles jusqu'au jugement. Ce principe vise à garantir le bon déroulement de la procédure judiciaire et à protéger les droits fondamentaux des personnes impliquée.
Eto Madagasikara, toy ny amin'ny rafitra ara-dalà na maro ao Europe misy an’ny Frantsa, ny "tsiambaratelo momba ny fanadihadiana" dia midika fa tsy maintsy mijanona ho tsiambaratelo mandrapaha tontosa ny fitsarana, ny raharaha mikasika ny fanadihadiana heloka bevava.
Ity fitsipika ity dia mikendry ny hiantohana ny fizotra araka ny tokony ho izy ny fitsarana ary indrindrina indrindra ny hiantohana ny fiarovana ny zo fototry ny olona voakasik'izany raharaha izany.
Misy ihany koa ny hoe « Secret de l’enquête » na tsiambarantelon’ny fanadihadiana ho velabelarako araka ny voalazan’ny Lalana velona rehefa avy eo koa.
Jeannot RAMAMBAZAFY - Marainan'ny 21 Jolay 2025
* * * *Â * * *
Le Secret de l’enquête na NY TSIAMBARATELON’NY FAMOTORANA
Tohin’ilay nosoratako ny maraina teo
Eto amboalohany aho dia milaza fa manana Lalà na mifehy ny heloka bevava (« Code pénal ») sy Fehezan-dalà na momba ny heloka bevava (« Code de Procédure pénale ») daholo ny firenen-drehetra. Avy amin’ireo no fototr’izao lahatsoratro izao. Ary misy ny hoe « Nul n’est censé ignorer la loi » na TSY MISY -OLONA- TOKONY TSY HAHALALA NY LALANA.
Tsiahiviko fa mikasika ny resabe manodidina ny « Raharaha Ambohimalaza » no antony. Rehefa nazavaiko ny mikasina ny « Secret de l’Instruction » na NY TSIAMBARATELO MOMBA NY FANADIHADIANA dia ity ny mikasika ny « Secret de l’enquête » na NY TSIAMBARATELON’NY FAMOTORANA. Nataoko teny frantsay arahin’ny dikan-teny malagasy. Ndao ary.
Qu'est-ce que le secret de l'enquête ?
Le secret de l'enquête concerne la phase qui précède l'instruction. Il s'applique aussi bien aux enquêtes préliminaires qu’aux enquêtes de flagrance. Tout comme le secret de l'instruction, il est prévu dans le Code de procédure pénale.
Durant cette phase d'enquête, les officiers de police judiciaire, sous la direction du procureur de la République, recueillent des éléments qui permettront de déterminer si des poursuites doivent être engagées.
* Inona no atao hoe tsiambaratelon’ny famotorana?
Ny tsiambaratelon'ny famotorana dia mahakasika ny dingana mialoha ny fanadihadiana voalohany ataon’ny tribonaly. Izy io dia mihatra amin'ny fanadihadiana savaranonando sy ny fanadihadiana amina fahatratrana eo ambodiomby. Tahaka ny tsiambaratelon'ny fanadihadiana, dia voarakitra ao amin'ny Fehezan-dalà na momba ny heloka bevava io tsiambaratelon’ny famotorana io.
Mandritra io dingana amin'io fanadihadiana io, ny polisy ara-pitsarana, eo ambany fitarihan'ny mpampanoa lalà na, dia manangona porofo izay hanampy amin'ny famaritana raha tokony hanomboka ny fanenjehana na tsia.
Le secret de l'enquête poursuit des objectifs similaires au secret de l'instruction :
-Garantir l'efficacité des investigations policières
-Éviter la destruction de preuves ou la concertation entre suspects
-Préserver la réputation des personnes concernées avant toute mise en examen
-Protéger les témoins et les victimes d'éventuelles pressions
*Ny tsiambaratelon'ny fanadihadiana dia mikatsaka tanjona mitovy amin'ny tsiambaratelon’ny famotorana:
- Miantoka ny fahombiazan'ny fanadihadiana ataon'ny polisy
- Miaro amin’ny famotehana porofo na firaisana tsikombakomba eo amin'ireo olona ahiahiana
- Mitandro ny voninahitr’'ireo olona voarohirohy alohan'ny fiampangana rehetra
- Miaro ny vavolombelona sy ny niharam-boina amina tsindry sy na fanerena mety hisy
Qui est concerné par le secret de l’instruction et le secret de l’enquête ?
Pour le secret de l'instruction :
Le secret s'impose à toutes les personnes participant à la procédure à titre professionnel : le juge d'instruction, le procureur de la République, les policiers ou gendarmes, le greffier, les experts ou interprètes ainsi que tout agent de l'État intervenant dans l’affaire.
*Iza no olona voakasika momba ny tsiambaratelon'ny tsiambaratelo momban’ny fanadihadiana sy ny tsiambaratelon'ny famotorana ?
-Mikasika ny tsiambaratelo momban’ny fanadihadiana :
-Ny tsiambaratelo dia takiana amin'ny olona rehetra mandray anjara amin'ny fitsarana amin'ny sehatra matihanina : ny mpitsara mpanao famotorana, ny mpampanoa lalà na, ny polisy na ny zandary, ny mpiraki-draharaha, ny manam-pahaizana na ny mpandika teny, ary koa ireo solontenam-panjakana rehetra voakasik'ilay raharaha.
Pour le secret de l'enquête :
Il concerne principalement : les officiers et agents de police judiciaire, le procureur de la République et ses substituts, le personnel administratif des services d’enquête, les experts sollicités pendant l’enquête.
-Momba ny tsiambaratelon'ny famotorana:
Ireto avy ny sokajin’olona tsy maintsy mitana io tsiambaratelo io : ny polisy sy ny fitsarana, ny fampanoavana sy ny lefiny, ny mpiasam-panjakana ao amin'ny sampan-draharaham-pamotorana, ary ireo manam-pahaizana nantsoina nandritra ny fanadihadiana.
*La violation de ces secrets est une infraction pénale. Toute personne tenue au secret qui en révèle volontairement le contenu s'expose à un an d'emprisonnement et à une amende, stipulés dans le Code pénal.
*Ny fandikana ireo tsiambaratelo ireo dia heloka bevava. Izay voafatotry ny tsiambaratelo kanefa mamoaka azy an-tsitrapo ny ao anatiny dia migadra herintaona an-tranomaizina sy mandoa lamandy, araka ny voalazan’ny Lalà na mifehy ny heloka bevava.
-Dans les cas plus graves, notamment lorsque la révélation vise à entraver le déroulement des investigations, la peine peut être aggravée à cinq ans d'emprisonnement et une forte amende (Code pénal).
-Amin'ny tranga mamavesatra na lalina kokoa, indrindra rehefa natao hanakanana ny fandrosoan'ny famotorana ny fampahafantarana ny tsiambaratelo, dia afaka hampiakarina ho dimy taona an-tranomaizina sy lamandy mavesatra ny sazy ary miatra avy hatrany (araka ny Lalà na momba ny heloka bevava).
*Existe-t-il des exceptions à ce secret ?
-Le Code de procédure pénale autorise le procureur de la République à communiquer certains éléments objectifs tant de l'enquête que de l'instruction à titre exceptionnel, si cela est nécessaire à l'intérêt de la procédure (par exemple, pour éviter la propagation de rumeurs ou calmer un trouble à l'ordre public).
Cependant, cette communication doit, selon les termes stipulés par le Code de procédure pénale :
• Se limiter à des faits vérifiés et objectifs
• Ne contenir aucune appréciation sur la culpabilité
• Respecter la présomption d'innocence et les droits de la défense
*Misy maningana ve ny mikasika ity tsiambaratelo ity?
-Ny Fehezan-dalà na momba ny heloka bevava dia manome alalana ny mpampanoa lalà na hamoaka ireo singa tanjona sasantsasany ao amin'ny fanadihadiana sy ny fanadihadiana mialoha ny fitsarana amin'ny fototra manokana, raha ilaina izany ho tombontsoan'ny fitsarana (ohatra, mba hisorohana ny fielezan'ny tsaho na hampitoniana ny mety fikorontanan'ny filaminam-bahoaka).
Na izany aza, ny fampahafantarana dia tsy maintsy, araka ny fepetra voalazan'ny Fehezan-dalà na momba ny heloka bevava ka :
• Voafetra amin'ny zava-misy voamarina sy tsy mitongilana.
• Tsy misy fanombanana ny meloka
• Manaja ny fiheverana ny tsy voaheloka ary manaja ihany koa ny zon'ny fiarovana.
*Quelle est la position des médias face au secret ?
Bien que les journalistes ne soient pas directement tenus au secret de l'instruction ou de l'enquête, ils peuvent être poursuivis pour recel de violation de secret professionnel s'ils publient des informations obtenues par l'intermédiaire d'une personne ayant elle-même violé ce secret (voir Code pénal). Certes, la liberté de la presse et le droit à l'information sont des droits universels. Mais qui dit droits dit devoirs.
Aussi, une mise en balance doit être nécessaire entre :
-Le respect du secret de l'enquête et de l'instruction
-La liberté d'expression et le droit à l'information
-La présomption d'innocence
-La protection de la vie privée
* Inona no toeran’ny haino aman-jery mikasika ny tsiambaratelo ?
Na dia tsy voafatotra mivantana amin'ny tsiambaratelon'ny fanadihadiana na ny tsiambaratelon’ny famotorana aza ny mpanao gazety, dia azo enjehina izy ireo noho ny fitehirizana vaovao halatra raha mamoaka vaovao azo amin'ny alalan'ny olona iray izay nandika izany tsiambaratelo izany ihany koa (jereo ny Lalà na momba ny heloka bevava).
Azo antoka fa zo maneran-tany ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny zo hahazo vaovao. Kanefa ny zo dia tsy misaraka amin’ny adidy sy andraikitra.
Noho izany dia tsy maintsy misy fifandanjana eo amin'ny:
- Ny fanajana ny tsiambaratelon'ny fanadihadiana sy ny tsiambaratelon'ny famotorana
-Ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zo hahazo vaovao
-Ny fiheverana ny tsy manan-tsiny
-Ny Fiarovana ny fiainana manokana
Izay ry zareo no tokony ho fantatry ny rehetra. Ka mamerina indray aho : NY ZO, TOMPOKO, TSY AFA-MISARAKA AMIN'NY ADIDY SY ANDRAIKITRA.
Saika adinoko : raha mikasika ny mpisolo vava dia misy ny hoe « Secret professionnel » na tsiambaratelo fehezin’ny asa. Farany dia farany : TSY MISY NA IRAY AZA NO AMBONIN'IO LALANA IO !
Jeannot RAMAMBAZAFY – Antananarivo, 21 Jolay 2025, 13h



