
Araka ny fikarohana ankapobeny, ny Facebook, toy ny tambazotra ara-sosialy (« réseaux sociaux ») hafa, dia mety hiteraka eritreritra tsy milamina amin'ny alàlan'ny fitomboan’ny tebiteby, ny fahaketrahana ary ny fitoka-monina ara-tsosialy eo amin'ny mpampiasa sasany, indrindra ny tanora sy ireo tsy afaka manamarina izay mivoaka ao amn’ny Facebook amin’ny alalan’ny Google, ohatra.
Eo anilan’izany, ny fikarohana hafa dia milaza fa tsy misy porofo ofisialy momba ny fiantraikany ratsy amin'ny ankapobeny ary mety hisy fiantraikany tsara mihitsy aza ho an’ny mpampiasa sasany. Ny voapaorofo kosa dia izao : ny lafiny ratsy dia ratsy ateraky ny tambazotra ara-sosialy dia Facebook, dia miala avy amin'ny fiparitahan'ny fampielezan-kevitra diso, ireo fanehoan-kevitra tsy mendrika, na ireo fampitahana ara-tsosialy izay mety hiteraka fialonana eo anivon’ny mpampiasa ny Facebook.

Ny fiantraikany ara-tsaina sy ara-tsosialy
Fanahiana, fahaketrahana ary fitoka-monina
Misy fikarohana mampifandray ny fampiasana tambazotra sosialy amin'ny adin-tsaina, ny tebiteby ary ny fahaketrahana, ary koa ny fahatsapana fitoka-monina, indrindra eo amin'ny tanora.
Fiankinan-doha
Ny toetra mampiankin-doha entin’ny fampiasana ny tambazotra sosialy dia afaka mamelona ny rafitra misy ao amin'ny atidoha, hiteraka fiankinan-doha.
Fampitahana ara-tsosialy
Ny fisehosehoana amin'ny lahatsoratry sy/na ny hafa dia mety hiteraka fialonana sy fampitahana ara-tsosialy eo amin’ny lafiny ratsy, izay hitondra fiantraikany eo amin'ny fahasalamana.
Ny lafin’ny faharatsian’ny fampielzan-kevitra sy ny fifandraisana aminy
Fanentanana voarindra amina tranga tsy marina iniana atao hanalam-baraka olona.
Facebook peut être un vecteur de diffusion de rumeurs et de campagnes négatives qui peuvent avoir un impact sociétal.
Ny Facebook dia mety ho fitaovana hanaparitahana tsaho, hevi-diso sy fanentanana ratsy mety hisy fiantraikany eo amin'ny fiaraha-monina.
« Commentaires » lavitry ny zava-nisy na misy marina
Ny Facebook dia mety hanimba ny lazan'ny hafa (olona, orinasa...) na handratra ny mpampiasa hafa amin’ny alalan’ireo tsikera na fanehoan-kevitra tsy voamarina, sy ny hevitra mipetraka eo amin’ny fanavakavahana isan-karazany (fiavihana, finoana…).
Ny tsy fahampian'ny fifandraisana na serasera
Ny tsy fahampian'ny famantarana tsy am-bava amin'ny fifandraisana an-tserasera dia mety hitarika amin'ny tsy fifankahazoana ka hanamafy ny fifandirana amina resaka matetika tsy mitombina.
Ny ohatra tokony hampisaina ny mampiasa ny Facebook, indrindra ny Malagasy eto Madagasikara dia ny « loza » nisy namoaka ny taona 2017.

Io ambany io no nosoratan'ny gazety “Ao Raha”, ny sabotsy 27 May 2017 :
« Azo heverina ho asa fampihorohoroana sy fanakorontanana ny filaminam-bahoaka ihany koa, ka inoana fa tsy hoe ela dia voasambotra ny tompon’antoka. Raha ny resaka an-tariby nifanaovana tamin’ny mpitandro ny filaminana dia efa eo am-panaovana fanadihadiana mikasika ity fanelezana tsaho ity izy ireo amin’izao fotoana. Ho avy ny hazalambo. Maro amin’ireo mpikirakira ny “internet” sy ny “facebook” no mihevitra fa tsy ho tratra saingy tsy sarotra intsony ny mamantatra ny olona niaingan’ny hafatra mitory fandikan-dalàna toy izao noho ny fandrosoan’ny teknolojia ».
Inona no niafaran’ilay mpanelo tsaho ? Nigadra… Ary ny mpaniraka tsy nivaky loha taminy mihitsy. Tsy izy irery no tavela rehefa tratra... Amin'izao taona 2025 izao dia mbola mitohy ihany ny karazana tsaho toa io ary mihinana am-bolony ireo tsy afaka manamarina. Ny kaonty fako moa tsy resahina intsony...
Taloha, nanahirana, tena tena nanahirana be tokoa, ny mikaroka ireo manoranoram-poana ao amin’ny Facebook, ankoatra ireo ao anatin’ny rafi-mpikarohana nokaramaina… Fa amin’izao vaninandro izao, namorain’ny mpanorina ny Facebook izany fikarohana izany. Indrindra taorian’ny namoahan’ny Firenena Mikambana (ONU), ny 24 desambra 2024, ny « Convention internationale générale sur la lutte contre l'utilisation des technologies de l’information et des communications à des fins criminelles ».

Koa tohizo ry zatran’ny lalan-dririnina fa aza miantso vonjy sy manao mampalahelo rehefa tratra. Ary tsy maintsy tratra.

Farany : misy ireo dia manadino mihitsy fa Madagasikara anie tsy fokontany iray e ! Mirefy 587.041 km² ny Nosy faha efatra lehibe indrindra maneran-tany, aorian'ny Australie, Groenland, Nouvelle-Guinée sy Bornéo; Lehibe noho ny France, Belgique sy Hollande mitambatra ; 32,9 tapitrisa ny isan'ny mponina eto Madagasikara.
Jeannot RAMAMBAZAFY
22 Septambra 2025



