
Ny fanontaniako apetrako amin’ireto Gen Z sy ny karazany miseho ho zavatra dia tsotra : ianareo izany, tonga teto an-tany ary tonga dia nandeha, nahay niteny ka ny ompa sy teny ratsy no nitaiza anareo, ka tsy misy an’iza n’iza afaka hanitsy anareo fa izay avoakan’ny bots (“Robots”) vakianareo ao amin’ny tambazotra sosialy no hibaiko ny fiainanareo iray manontolo ?
Tsy misy na iray aza teny mampiseho ny fatahorana an’ilay Nahary, na inona inona no fiantsoana azy. Finoana amina Hery Nahary ny tany sy ny lanitra sy ireo rehetra misy : olombelona, biby, zava-boahary, ny tany sy ny lanitra.
Raha eto Madagasikara manokana dia 85% no kristianina, 07% silamo ary ny ambiny dia mino an’Andriamanitra sy ny Razana.
Inona moa ny tonon-kira fiverenana ao amin’ny hiram-pirenena “ Ny Tanindrazanay Malala ô ” ?
“ Tahionao ry Zanahary 'ty Nosindrazanay ity, hiadana sy ho finaritra. he sambatra tokoa izahay ”. Io no iombanan’ny mpino rehetra fa tsy novain’ny kristianina maro an’isa mihitsy akory.
Atsy ho atsy izany, ary hisaorana izany ry mpamboly korontana efa voabaikon’ny “Algorithme tout-puissant ” (io no ho soloina an’Andriamanitra ka ho andevozon’ny “robots” tanteraka ny zanakolombelona), hivadika Helo ity Nosy ity. Satria tokoa ny mponina hitombo, ny tahiry voajanahary efa ho potiky ny afo.

Noterena ao an-tsain'izy ireo ny hoe “Miala Rajoelina!” ka fanodinana saina fotsiny ihany ny resaka tsy fisian’ny jiro sy rano. Adino ny ezaka sy zava-bita maro maneranana an'i Madagasikara. Ompa izany ! Teny ratsy izany ! Faniratsirana izany ! Tsy voafehin’ny ray aman-dreny intsony ireo “sombin’ny ainy” nivadika zavatra afa mihitsy.
Andeha “hitolona”, hono. Tsotra ry zalahy sy ry zavavy a ! Efa niainako ny 1972, 1990-1991, 2002 sy 2009. Ny zava-niseho ? Nihemotra hatrany ny Firenena malagasy izay toerana nitsenanan-dry zareo tatsy La Réunion sy Maurice. Taty no nividy vary, menaka, sira, sns.
Ny tany nozanahan’ny Lafrantsa dia misedra olana hatrany. Fa ireo nozanahan’ny Anglisy dia mandroso. Mazava ho azy fa avy ao Lafrantsa ireo mampiditra lainga sy fanaratsiana aelin’ny bots any amin’ny tambazotra sosialy rehetra eny : Facebook, Tik Tok, X, Instagram...
Saingy izao : tsy voafehin’ireo tsy mataho-tody ireo ny herin’Andriamanitra Nanahary. Fa na dia Fitiavana aza Andriamanitra Nahary, dia tsy maintsy hisy ny sazy hahazo azy ireo. Tsy ilaina ny manonona ny anarany fa misy telo no tena Nahatonga iny fanimbana, fangalarana ary fandorona fananan’olona tamin’ny 25 septambra 2025, andro nokendrena tsy naha teo ny Filoham-pirenena.
AFO : Marik’i satana io. Rehefa nisy efa tratra, dia tsy maintsy hivoaka ny anaran’ireo mpaniraka. Vitan’ny bots mihitsy koa no nampitombo ho 22 ny isan’ny maty noho iny “hetsika” nahafaly ireo efa fantatra ireo. Fanambaniana ny mpanao gazety malagasy izany toe-javatra izany indrindra moa fa gazety maro any ivelany no namoaka io isa tsy fanta-pihaviana io. Ary tsy nisy fanitsina na fialan-tsiny sy famoahana ny loharanon’izany isa izany. Misaotra ry bots fa nahafaly ny “mpitolona” izany isa izany.
Misy antony ny zava-drehetra eto ambon’ny tany. N’inona n’inona nahatonga ny hetsim-bahoaka teto Madagasikara dia niafarana tamin’ny fifampiresahina ka nelanelan’ny mpitarika fiangonana mikambana ao amin’ny FFKM (Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara). Ka na misy na tsy misy ny fanelezana lainga marivo tototra mora porofoina (fa sesy lany loatra ka tsy maka fotoana kely manamarina ireto tanora ankehitriny mikirakira solosaina) dia miafara amin’ny resaka eo amin’ny latabatra boribory foana ary misy mpanelanelana.
Eto Madagasikara, nanomboka ny taona dia ny FFKM no mpanelanelana. Talohan’ny fiantombohan’ny taona 2000 tsy nisy izany bots izany fa tratra foana izay tsaho sy lainga nafafy. Ny taona 2017 no nanomboka ny fahasahiana ka nisy namoaka tao amin’ny facebook fa “ nirodanana ny tonelina Ambanidia fa 80 no isan’olona maty ”. Fa na dia tratra sy nigadra ilay namoaka izany, dia nitohy ny karazana lainga toa izany ary izao hamafisin’ny bots miampy sary atao amin’ny alalan’ny IA (“Intelligence artificielle”).
Ingahy Kolonely Patrick, izay nitsoaka nandositra moa dia afaka miteny izay tiany ho teneniny mihitsy ao Lafrantsa ao ary anarana iray hatrany no haverimberiny ka aelin’ny bots ihany any ka tonga any amin’ny haino aman-jery maneran-tany. Fa amin’izao fotoana izao dia niampy anarana hafa ihany koa ny “message” aparitan’ny bots, miala avy amina tranga tsy mari-pototra ataon’ireo tsy mahatahotra an’Andriamanitra Nahary lasibatra. Marihiko fa amina maha bots azy (vy nantambatra fa nasiana solosaina afaka mandrindra izay “données” omena azy ka tsy miaraharaha na marina na tsia fa hatsarainy fotsiny ny fomba hanoratana azy), dia malaky tena malaky ny fampidirany izay baiko azony ao an-dohan’ireto tanora tsy afaka manamarina intsony f’efa lasa “robots” hanimba tanteraka.

Ka raha hiverenako ny FFKM dia nanaiky nanelanelana izy ka ny 3 oktobra 2025 dia nihaona tamin’ireo Filoham-piangonana telo ny Filoham-pirenena dia : Monseigneur RAOELISON Jean de Dieu, Solontenan’ny EKAR Filohan’ny FFKM, Monseigneur RANARIVELO Samoela Jaona, Filohan'ny EEM, ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina, Filohan'ny FJKM ary Pastora Dr RAKOTOZAFY Denis, Filohan'ny FLM.
Tsara fantatra fa 85% ny Malagasy dia mpino Kristianina. Ary tena asan-devoly tokoa izany mandoro Baiboly izany ka tsy hitondra soa na oviana na oviana ho an’ireo voahiraka nanao izany asan’ny maizina izany.

Ary dia tsotra ny fanatsoahan-kevitro : ireo fampahalalana (“messages”) amin’ny alàlan’ny bots dia manana tanjona farany amin'ny fandringanana, fa tsy ny fanampiana amin'ny fahazoana vaovao sy fahalalàna mihitsy. Ary misy farany ny zava-drehetra, na ny fandalovana ety an-tany aza. Aza ozonina ny taranakareo.
Jeannot RAMAMBAZAFY - Antananarivo, 6 Oktobra 2025



