]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Barack Obama COP21. Inona no hataoko any Parisy ?

Barack Obama COP21. Inona no hataoko any Parisy ?

Ny Filoha Barack Obama

Ny soa, hono, fianatra ary ny maha firenen-dehibe ny firenen-dehibe dia ny mpitondra mahay manazava ny ataony amin’ireo vahoaka izay tompoiny. Ny an-dRamalagasy moa dia toa mifototra amin’izany amin’izao taona 2015 ifarana izao: ry zalahy nampindramina fahefana indray no miseho ho eo mandrakizay ka tsy raharahiany mihitsy izany vahoaka izany. Na ela na ainga anefa dia tsy maintsy hialan-dry zareo ireo io toerana fandalovana io. Ary ho adinon’ny Tantara hatramin’ny anarany. Raha tsy hoe hampifandraisan’ireo taranaka fara aman-dimby amina zava-doza



Vao nigadona tao Parisy ny Filoha Barack Obama, androany 30 Novambra 2015 maraina, avy hatrany dia niazo ny toerana misy ny "Bataclan". Niara-niondrika tamin'ny Filoha François Hollande sy ny Ben'ny Tanànan'i Parisy, Anne Hidalgo, izy


ETAZONIA!

Iza no tsy mahalala fa ry zareo Bekintana ny firenena matanjaka indrindra eran-tany ? Efa hadiva ny fotoam-piasan’i Barack Obama satria tsy mahazo mihoatra ny roa ny « mandat » any Etazonia. Fa tsy manakana azy tsy hanazava amin’ny vahoaka amerikana ny anton-diany ao Parisy, manomboka androany. Ary aminy alalĂ n’ny facebook ny nanaovany izany. Ireto adikako malalaka amin’ny teny malagasy ny fanambarany. Dia mba mahalalĂ  menatra ry mpitondra malagasy be fisehoana tsy mamokatra, mpanome fampanantenana poakaty sy mampiesona lava reny a!


DC Central Kitchen Wasington D.C., 20 Janoary 2014. Ny Filoha Obama efa-mianaka manomana sakafo homena ireo tsy manan-kialofana ("Homeless"). Ie: misy 4'mis koa any Etazonia fa aza diso fihevitra. Dia haka tahaka indray izao ny sasany... (Sary Pete Souza - White House)

« Ho any Parisy aho anio hanatevina ireo firenena manakaiky ny isa 200 hiatrika ny fivoriana eran-tany momba ny fiovaovan’ny toetrandro. Fotoana fampisehoana ny firaisan-kina amin’ireo namana mpiara-dia ara-tantara. Roa herinandro hamafana ireo fanafiana barbarianina nisy tao, ary hanamafisina ny fanambarana fiarovana ny vahoan-tsika sy ny fomba fiainan-tsika eo anatrehan’ny abibian’ireo terorista. Fa fotoana fanararaotana ho an’izao tontolo izao koa fa mijoro toa olona iray isika ary hampiseho fa tsy nalevina velively ny fandrafetana ho avy tsara kokoa ho an’ny zana-tsika.

Ny maha samihafa an’ity indray mitoraka ity dia firenena mihoatra ny 180 no efa manana drafitra sy planina efa vonona hanakelezana faran’izay tratra ny fandefasana ireo entona (« gaz Ă  effet de serre ») izay mahatonga ny fiovaovan’ny toetrandro. Ary Amerika dia hipetraka ho mpitarika hanampy izany dingana izany. Raha ny marina, nasehon’ireo orinasa sy ny mpikaraman-tsika fa azo atao tsara ny mampandroso eo amin’ny lafin’ny fampihenana ny fandefasana entona karbona izay hafahana mamorona asa sy mampitombo ny harin-karena ara-ekonomoka. Hatramin’izay aloha dia ny vokatra ara-ekonomika-tsika no avo indrindra, fa eo amin’ny lafin’ny fandefasana entona dia nia-niakatra tao anatiny 20 taona.

Ny zavatra ezahina apatraka ao Parisy dia rafitra lavitr’ezaka hampienana ireo fandefasana entona ao amin’ny firenena tsirairay ao anatin’ny magarahara ka hafahan’ny firenena rehetra hafa mahita sy mitsara. Ao anatin’izany vina izany dia hiasa isika hanetsika ireo fomba fanampiana rehetra ho an’ireo firenena marefo te-hanitatra ny fampiasana ireo angovo madio, ary vonona koa isika hampifandray ny fomba fiainan-tsika manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro tsy azo iodiviran-tsika intsony.

Fa velom-panantenĂ na aho raha ny zavatra efa vitantsika –satria tokoa dingana goavana feno fahagagana no efa vitan’i Amerika tao anatin’izay fito taona lasa izay-. Dia any Parisy ny fotoana e ! ».

Filoha Barack Obama


Ny azy moa dia io manga (toa ny antoko Hvm) foana io ny lanitra ary hanao izao sy izao nefa ny tanindrazana mihitsy no ho lasa taningazana atsy ho atsy... Andrasana fatratra indray ny kabariny miezinezina

 

Izany ny an’ny mpitondra firenena mandray andraikitra : manome lanja ny vahoakany fa tsy ho variana hikajikajy hevitra voretra hanolanĂ na ny lalampanorenany hafahany manao « mandat » fahatelony toa aty Afrika. i Barack Obama ve moa tsy manana « magic suitcases »? Fa matoa izy nanao fianianana teo ambony Baiboly fa hanĂ ja ny Lalampanorenana amerikana dia tsy ho lasa devoly velively. K’aiza ianareo ry Rajao mianakavy amin’izany a? Lavitry ny afon’ny fampandrosoana tokoa ny kitain’ny kitoatoa an


Nadikan’i Jeannot Ramambazafy – 30 Novambra 2015

 

Mis Ă  jour ( Lundi, 30 Novembre 2015 04:54 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...