]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Etazonia. Hanolotra 2.500.000 Dôlara an'i Madagasikara hiadivana amin'ny Covid-19

Etazonia. Hanolotra 2.500.000 Dôlara an'i Madagasikara hiadivana amin'ny Covid-19

VIDEO ETO

Salama tompoko,

Michael Pelletier no anarako ary izaho no Masoivoho Amerikana miasa eto Madagasikara. Ao anatin’izao zava-tsarotra hiarahantsika miatrika izao, dia te hiresaka ny fahamatoran’ny fifandraisana eo amin’ny vahoaka Amerikana sy ny vahoaka Malagasy aho androany.

Singaniko manokana amin’izany ny fanohizan’i Etazonia ireo fiaraha-miasa amin’ny Madagasikara sy ireo fanampiana izay mandeha amin’izao fotoana izao.

Ny governmenta amerikana no mpamatsy vola lehibe indrindra ny sehatry ny fahasalamana sy ny maha-olona maneran-tany na ho an’ny fampandrosoana lavitr’ezaka izany na ho an’ny ezaka fanamafisana ny fahaiza-manao. Tato anatin’ny folo taona farany dia nihoatra ny iray hetsy tapitrisa dolara ny fanampiana ho an’ny sehatry ny fahasalamana nomen’ny mpandoa hetra amerikana ary manodidina ny fito alina tapitrisa dolara ny fanampiana ankapobeny ho an’ny sehatry ny maha-olona. Ireo fanampiana nomenay ireo dia nanampy tamin’ny famonjena ain’olona, tamin’ny fiarovana ireo sokajin’olona marefo tamin’ny aretina, ny fanohanana ireo rafitra momba ny fahasalamana, ary ny fampiroboroboana ny fahamarinantoeran’ny fiarahamonina sy firenena samihafa maneran-tany.

Ny firenenay no lohalaharana mitarika ny fanampiana momba ny maha-olona sy ny vahaolana ara-pahasalamana maneran-tany amin’ny fiatrehana ny valan’aretina COVID-19 na dia miatrika io tsimok’aretina io koa aza izahay ao amin’ny firenenay. Ao anatin’ny vahaolana aroson’ny vahoaka amerikana manoloana io valan’aretina io ny fanolorana diman-jato tapitrisa dolara hiatrehana ny hamehana ara-pahasalamana, sy ny fanampiana amin’ny lafiny maha-olona, ary ny fanampiana ara-toekarena ho an’izao tontolo izao. Io famatsiam-bola io dia hampiasaina hanohanana ireo asa tsy azo hialana entina hifehezana ny fipariahan’ny COVID-19, isan’izany ny fanapariahana ny vaovao ara-pahasalamana, ny fanohanana ireo laboratoara, ny rano sy ny fidiovana ary ny fisorohana sy ny fifehezana ny fipariahan’ny tsimokaretina eny amin’ireo toeram-pitsaboana.

Ho an’i Madagasikara manokana, tato anatin’ny 20 taona farany, dia nihoatra ny diman-jato sy arivo tapitrisa ny fampisam-bolan’i Etazonia teo amin’ny sehatry ny fampandrosoana sy ny fiatrehana ny hamehana, ary ny fiton-jato tapitrisa dolara tamin’io dia teo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Tamin’ny taon-dasa ohatra dia nihoatra ny enim-polo tapitrisa dolara ny fampisambola nataonay hanamafisana ny ezaka fanamafisana ny rafi-pahasalamana Malagasy.

Androany dia fifaliana ho ahy ny manambara fa Etazonia dia hanolotra ho an’i Madagasikara fanampiana fanampiny mitentina dimy hetsy sy roa tapitrisa dolara ho fanohanana ny sehatry ny fahasalamana, ary indrindra amin’ny fiatrehana ny valan’aretina Corionavirus. Io vola io dia hampiasaina hanamafisana ny vahaolana ara-pahasalamana manerana ny firenana ka ao anatin’izany ny hopitaly sy ny laboratoara ary ireo mpisehatry ny fahasalamana eny ifotony.

Io fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny COVID-19 io dia porofo fa mafy orina ny fifandraisana izay misy eo aminay sy ny vahoaka ary governemanta Malagasy ary hanampy amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy izany. Isika rehetra miaraka no handresy ny COVID-19./.


Ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara, Michael Pelletier

Antananarivo, 21 Aprily 2020

Mis à jour ( Mardi, 21 Avril 2020 11:51 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...