]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Praiministra Christian Ntsay, Tvm, 20.09.2020. Namerina ny voalazan’ny Andininy faha-96 ao amin’ny Lalampanorenana

Praiministra Christian Ntsay, Tvm, 20.09.2020. Namerina ny voalazan’ny Andininy faha-96 ao amin’ny Lalampanorenana

TVM sy RNM, Alahady 20 Septambra 2020 alina. Ho an’ilay hoe « Collectif des Parlementaires pour la restauration de l’Etat de droit, de la démocratie et de la bonne gouvernance » (fanontaniana napetrak’i Miora Hariniaina, mpanao gazety) tarihin’ingahy Senatora Olivier Rakotovazaha sy ny Solombavambahoaka Fidèle Razara Pierre izay nilaza fa tsy ara-dalana ny nananganan’ny Praiminisitra ilay « Commission mixte paritaire » dia naverin’ny Praiminisitra Christian Ntsay, ny voalazan’ny Lalampanorenan’ny Repoblika malagasy faha-4 ao amin’ny Andaniny faha-96 :

Ny volavolan-dalàna sy ny tolo-dalàna rehetra dia dinihin’ny Antenimiera nandray azy voalohany vao ampitaina any amin’ny Antenimiera ankilany. Ifandimbiasan’ny Antenimiera roa tonta ny ady hevitra mandra-pisian’ny fandaniana rijan-teny tokana.

Raha toa ka tsy mety lany ny volavolandalàna na tolo-dalàna iray rehefa nodinihin’ny Antenimiera tsirairay indroa ka misy tsy fifanarahan-kevitra tamin’izy roa tonta, na rehefa nodinihin’ny Antenimiera tsirairay indray mandeha rehefa nanambara ny fisian’ny hamehana ny Governemanta, dia afaka mandray fanapahan-kevitra ny Praiminisitra hamory vaomiera ikambanana isasahana (TTF : io ilay « Commission mixte paritaire ») izay ampiandraiketina fanolorana rijan-teny momba ireo fepetra mbola iadiankevitra.

Ny rijan-teny novolavolan’io vaomiera ikambanana io dia azon’ny Governemanta atolotra ny Antenimiera roa tonta mba hankatoavina. Tsy misy fanitsiana azo raisina raha tsy nahazoana ny faneken’ny Governemanta.

Raha toa ka tsy afaka mandany rijan-teny tokana iombonana ny vaomiera na tsy nolaniana araka ireo fepetra voalaza ao amin’ny andalana etsy aloha ilay rijan-teny, dia ny Antenimierampirenena, amin’ny alàlan'ny latsabato iandanian’ny antsasamanilan’ny mpikambana ao aminy no manapa-kevitra farany./.


Mazava fa fanoherana bontolo sy tsy am-piheverana ny an-dry Olivier Rakotovazaha sy Fidèle Razara Pierre mpanambaka vahoaka ka sahy mamadika ny tena lazain’ny Lalampanorenana. Asa hitondra an-dry zareo hankaiza fa raha ny vahoaka malagasy aloha dia efa tsy hisy ho voajonony intsony, satria mibahana loatra ny fanaratsiana sy ny fankahalana fa tsy hanakona velively ny asa ataon’ny fitondrana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina manerana an’i Madagasikara.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Dimanche, 20 Septembre 2020 18:37 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...