]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Frantsa. Elisabeth Borne, vehivavy faharoa voatendry Praiminisitra

Frantsa. Elisabeth Borne, vehivavy faharoa voatendry Praiminisitra

Elisabeth Borne dia mpanao politika frantsay teraka ny 18 Aprily 1961 tao Parisy ary notendren’ny Filoha Emmanuel Macron ho Praiminisitra nanomboka ny 16 May 2022. Fa iza moa i Ramatoa Borne ?

Injeniera jeneralin'ny Tetezana, ny Rano sy ny Ala, i Ramatoa Borne, nianatra sy nahazo diplaoma avy tao amin’ny « École Polytechnique » fantatra amin’ny hoe « l’X » sy tao amin’ny ENPC (« École nationale des Ponts et ChaussĂ©es »). PrĂ©fet tao amin'ny faritr'i Poitou-Charentes nanomboka tamin'ny taona 2013 ka hatramin'ny taona 2014, avy eo dia Talen'ny Kabinetran'i SĂ©golĂšne Royal tao amin'ny Minisiteran'ny Ekolojia ny taona 2014 ka hatramin'ny taona 2015. Taorian’izay dia Filohan'ny RATP (« RĂ©gie autonome des transports parisiens ») ny taona 2015 ka hatramin'ny taona 2017 i Elisabeth Borne.

Rehefa mpikambana hatramin’ny ela tao amin’ny antoko sosialista (PS) frantsay i Elisabeth Borne, dia niditra tao amin’ny antoko « La RĂ©publique en marche » (LREM) natsangan’i Emmanuel Macron. Tsy nahagaga izany raha voatendry ho Minisitry ny Fitanterana izy, ny volana may 2017, tao anatin’ny Governemantan’ny Praiminisitra Edouard Philippe voalohany, teo amban’ny fiadidian’ny Filoha Emmanuel Macron.

Tamin’ny volana jolay 2019, lasa Minisitry ny Tetezamita ara-tontolo iainana sy Firaisan-kinana izy, nisolo toerana an’i François de Rugy, izay nametra-pialĂ na. Ny taona nanaraka dia voatendry ho Minisitry ny Asa, ny Fananan’asa ary ny Fiverenana amin’ny Asa izy, tao amin'ny governemantan’ny Praiminisitra Jean Castex. Niditra tao amin'ny antoko « Territoires du ProgrĂšs » izy io taona 2020 io.

Taorian'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, nahalany fanindroany an’i Emmanuel Macron, dia voatendrin’ity farany ho Praiminisitra i Elisabeth Borne, ny 16 may 2022. Izy izany no vehivavy faharoa nitana io toerana io tao amin'ny governemanta frantsay, telopolo taona taorian'i Edith Cresson, tao amin’ny governemanta fahatelon’ny fotoam-piasana faharoan’ny Filoha François Mitterrand. Izany dia nanomboka ny 15 may 1991 ka hatramin’ny 2 avrily 1992.


Ny hatsiarovako an’i Edith Cresson mandrakizay dia ny teniny tao amin’ny filazam-baovao tao amin’ny Tf1, ny volana may 1991, rehefa nanontanian’ny mpanao gazety Jean-Pierre Rondeau mikasika ny «Bourse» na Tsenam-bola. Izao no valintenin’ny Praiminisitra Edith Cresson tamin’izay: « La Bourse, je n’en ai rien Ă  cirer ». Azo adika amin’ny hoe : tsy misy rahariako an’izany Bourse izany


Jeannot Ramambazafy - 17 May 2022

Mis Ă  jour ( Mardi, 17 Mai 2022 07:43 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...