]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Razanatseheno Hery Manana Alain. Namono ny tenany sy ny asa iveloman’ny Malagasy maro ao Andafy

Razanatseheno Hery Manana Alain. Namono ny tenany sy ny asa iveloman’ny Malagasy maro ao Andafy

Sarotra no hino fa resaka politika sy tsy fitiavana manokana ny Filoha Andry Rajoelina sy ny fianakaviany fotsiny no nahatonga ity Malagasy nitady ravinahitra ao Frantsa ity nanao zavatra mamoa-fady eo anatrehin’ny lalàna iraisam-pirenena. Ny fanontaniana mipetraka izany dia hoe: mba ohatrinona marina no nomen-dry Marc Randrianisa azy nanatontosainy zavatra noheveriny fa ho mora atao ka tsy hisy arakaraka ?

Nivoaka eraky ny haino aman-jery ilay baoritra kely milaza ny mombamomban’ny entan’ny Filoha Andry Rajoelina (“talon de bagage”). Raha izaho manokana dia tao amin’ny pejin’i Mahery Lanto Manandafy ao amin’ny Facebook no nahitako azy. Rehefa natao ny fikaroana dia tao Frantsa ity Malagasy mitondra ny anarana hoe Razanatseheno Hery Manana Alain ity no tratra. Nanomboka teo dia mifamaofao be ny vaovao. Isika matihanina ka araho ny marina.


Ity olona ity dia tsy hoe mpamily raikitra ao amin’ny delegasiona Malagasy ao amin’ny Unesco tarihin-dRamatoa Yvette Sylla akory, ka tsy ho hampidirina amin’izany raharaha maloto izany koa ny vadin’ny Praiminisitra teo aloha, Tompokolahay Jacques Sylla. Toa ny Malagasy maro mitady ravinahitra ao Eoraopa dia manana orinasa kely izy ka mpitatitra olona sy entana no ataony (“Chauffeur-livreur”). Amin’ny maha Malagasy azy dia antsoina izy indraindray, toa ny Malagasy sasany mitovy aminy, rehefa misy delegasiona ofisialy tonga avy aty Madagasikara.


Fa nanao ny tsy fanao sy tsy fahita izy tao Roissy-Charles de Gaulle ka hitan’ny caméra, sao misy manantena fa tsy izany no nahitana azy malaky. Izy ny naka ny entan’ny fianakavian’ny Filoha ary ilay sary dia nalaina alohan’ny nampidirany ireo entana tao anatin’ny fiarana nentiny. Mazava amintsika rehetra izany fa tsy tao Ivato akory no nisy naka ilay sary niparitaka.

Taorian'io izany no nagalan'i Razanatseheno Hery Manana Alain ny sarin'ilay "talon de bagages" dia naparitany tany amin'ireo mpiara-dia amin'i Marc Randrianisa sy ireo olona sasany eto an-toerana. Misy izany "groupe messenger" izany dia ao daholo izy mianakavy no maka izay alefa na sary na soratra na feo...

Tsindrio sary hijerenao ny vidéo an'i Rinah (io amin'ny sary sy ireo entana hita tao amin'ilay trano nofain'i Marc Randrianisa sy ny sipany ao Isoraka

Nosamboriny izy ary rehefa nojerena ny ao anatin’ny finday-ny dia voamarina fa miray tendro amin’i Marc Randrianisa, rain’i Tiavo, mpanao Tae Kwon Do, mizaka zom-pirenena frantsay. Izay, hono, no antony notsidihin’ingahy Siteny Randrianasoloniaiko an’i Marc Randrianisa mivady, amin’ny maha Filohan’ny firaisana afrikana momban’ny Judo. Dia, hoy ny mpanao polifika : “Miray tendro ihany ireo”. Satria ve ho kandida filoham-pirenena I Siteny ? Asa…

Tamin'ny volana Oktobra 2021 io sary io

Fa tsy izany ny resaka eto f’efa nanafika ny masoivohon’i Madagasikara ao Parisy i Marc Randrianisa io ny taona 2009 ary izy ihany koa no nametraka baomba teny amin’ny lalan’ny “marais Masay” ao Antananarivo saika namonona ho faty ny Filohan’ny Tetezamita tamin’izany. Voamarina fa nokaramain’ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, izy tamin’izany rehetra izany.


« Salama daholo e ! Afatra fotsiny ny aho, entiko amina toerana tena tsy dia mahazatra ianao, ren-tsika foana hatramin’izay hoe : any izany misy ny tranon’i Rajoelina any amin’izany frontière suisse izany, akaikin’ny Frantsa sy Suisse.

Notohizan’io Marc Randrianisa tamin’ny fanaovana video ao amin’ny facebook mandrahonana ho faty ny Filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ny “tolony” ary naka sary teo anoloan’ny trano hipetrahan’ny zanaky ny Filoha mihitsy izy ka namporisika ny tokony hanafiana izany trano izany. Rehefa voamarina daholo ny laharana sy anarana hita tao amin’ny findain’ilay Razanatseheno Hery Manana Alain dia nomen’ny manampahefana frantsay alàlana ny masoivohon’i Madagasikara nampody azy aty Madagasikara.

Tsindrio ny sary

Nitory ny fanjakana malagasy tamin’izany fotoana izany, eny na dia fotoana tetezamita («transition») aza, ary nivaly izany fitoriana izany. Ny 22 janoary 2010 dia namoaka izao didy izao ny «Tribunal de Grande instance» ao Parisy : « Le dénommé Marc Randrianisa est condamné à 3 mois de prison avec sursis pour les deux chefs d’inculpation suivants : « violences aggravées par deux circonstances suivies d’incapacité n’excédant pas 8 jours » ; « dégradation ou détérioration de bien d’autrui commise en réunion ». Raha fintinina dia voaheloka 3 volana an-tranomaizina, sazy miantona, ity Marc Randrianisa ity, io taona 2010 io, noho ny fandratrana olona sy fanimbana fananan’olona niarahana natao. Izy telo lahy hafa moa dia nohafahan’ny fitsarana.


Efa eto an-toerana izany io Razanatseheno Hery Manana Alain, amin’izao fotoana izao, ary mitohy ny fikaroana. Ary ny mahazendana dia izao: nalefany any amin-dry Marc Randrianisa sy ny forongony daholo ny momban’ny dian’ny Filoha Rajoelina sy ny fianakaviany any Andafy ; nalainy sary koa ny toerana rehetra nipetrahan’izy ireo. Ho tonga hatraiza izany ity raharaha tena mampanontany tena ny maro ity ? Eto aho dia mangataka amin’ny Filoha Rajoelina ny hisian’ny mangarahara tanteraka ity raharaha ity, indrindra ho an’ny mpanao gazety tsy ankanavaka, hisoroana ny tsaho sy lainga. Satria, ohatra, ny mikasika an’ingahy Jean de Dieu Maharante izao, izay nanaovana IST, kanefa niverina eto Madagasikara, toa ireny mpizahan-tany ireny izy, toa anjely latsaka an-tany ka olona am-perin’asa ao amin’ny Antenimierampirenena mihitsy no nitsena azy ny Alatsinainy lasa teo…

Jeannot Ramambazafy

Antananarivo, 18 aogositra 2022

Mis à jour ( Jeudi, 18 Août 2022 12:55 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30