]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Iavoloha, 13.08.2024. Nanao veloma ny Filoha Rajoelina, ny Ambasadaoro britanika, David W. Ashley

Iavoloha, 13.08.2024. Nanao veloma ny Filoha Rajoelina, ny Ambasadaoro britanika, David W. Ashley

Iavoloha, 13 Aogositra 2024. Tapitra ny fotoam-piasan’ny Ambasadaoro britanika, David William Ashley koa dia tonga teny amin’ny Lapam-panjakanan’Iavoloha izy nanatontosa ny fitsidihana fanaovam-beloma ny Filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina.

Nohamafisin’ny Filoha Rajoelina nandritr’io fittsidihina io ny fankasitrahan’ny Fanjakana malagasy ny fanohanan’ny United Kingdom ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny Fanjakana malagasy (PGE), eo amin’ny sehatry ny Fampivoarana ny maha-olona ; ny Fanabeazana sy ny Fikarohana ho an’ny Fampandrosoana ; ny ady amin’ny Fiovaovan’ny toetr’andro ; ny Fotodrafitrasa, ny Angovo azo havaozina ary ny Fiarovana ny Tontolo iainana sy ny « Biotechnique ». Mifanitsy tanteraka amin’ireo andry fototry ny fampandrosoana napetraky ny Filoha Andry Rajoelina ireo sehatra hanomezan’i United Kingdom fanohanana ny fanjakana malagasy ireo.

Nanamafy sy nampiakatra ny lentan’ny fifandraisana tsara sy mafy orina misy eo amin’i Madagasikara sy ny United Kingdom ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa ara-toe-karena (« Accord de partenariat Economiste » APE) teo amin’ny firenena roa tonta tamin’ny volana jona 2023. Anisan’ny voaresaka nandritry ny fihaonana ny fanirian’ny Ambasadaoro britanika ny hanendren’ny fanjakana malagasy ny Masoivohon’i Madagasikara eo anivon’ny England, Scotland, Wales and Northern Ireland na United Kingdom. Nifampiresahan’ny roa tonta ihany koa ny fahavononan’ny mpandraharaha britanika hiantsehatra eo amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny fanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta. Tamin’ny taona 2020, 152 tapitrisa ariary na 47.500 USD ny lanjan’ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’ny roa tonta.

Nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina fa vonona hatrany ny Fanjakana malagasy hiara-hiasa amin’ny Fanjakana britanika. Firenena mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara azo itokisana ny United Kingdom. Teo anilan’i Madagascar ny United Kingdom tamin’ny fiatrehana ny rivo-doza Batsirai. Mitentina 5 hetsy euros ny fanampiana azon’i Madagasikaea nahafahana nanome rano sy sakafo ho an’olona marefo niisa 50.000 manerana ny nosy.

Manampy betsaka an’i Madagasikara ihany koa ny United Kingdom amin’ny alalan’ny Fanampiana eo amin’ny maha-olona na « Aides humanitaires » samihafa. Tao, ohatra, ny fanampiana ara-bola ireo Malagasy any amin’ny faritra atsimo tratry ny hain-tany.

MADAGATE.ORG

Mis Ă  jour ( Mercredi, 14 AoĂ»t 2024 10:14 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30