]
Les quotidiens du 26 Sep 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Iavoloha, 13.08.2024. Nanao veloma ny Filoha Rajoelina, ny Ambasadaoro britanika, David W. Ashley

Iavoloha, 13.08.2024. Nanao veloma ny Filoha Rajoelina, ny Ambasadaoro britanika, David W. Ashley

Iavoloha, 13 Aogositra 2024. Tapitra ny fotoam-piasan’ny Ambasadaoro britanika, David William Ashley koa dia tonga teny amin’ny Lapam-panjakanan’Iavoloha izy nanatontosa ny fitsidihana fanaovam-beloma ny Filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina.

Nohamafisin’ny Filoha Rajoelina nandritr’io fittsidihina io ny fankasitrahan’ny Fanjakana malagasy ny fanohanan’ny United Kingdom ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny Fanjakana malagasy (PGE), eo amin’ny sehatry ny Fampivoarana ny maha-olona ; ny Fanabeazana sy ny Fikarohana ho an’ny Fampandrosoana ; ny ady amin’ny Fiovaovan’ny toetr’andro ; ny Fotodrafitrasa, ny Angovo azo havaozina ary ny Fiarovana ny Tontolo iainana sy ny « Biotechnique ». Mifanitsy tanteraka amin’ireo andry fototry ny fampandrosoana napetraky ny Filoha Andry Rajoelina ireo sehatra hanomezan’i United Kingdom fanohanana ny fanjakana malagasy ireo.

Nanamafy sy nampiakatra ny lentan’ny fifandraisana tsara sy mafy orina misy eo amin’i Madagasikara sy ny United Kingdom ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa ara-toe-karena (« Accord de partenariat Economiste » APE) teo amin’ny firenena roa tonta tamin’ny volana jona 2023. Anisan’ny voaresaka nandritry ny fihaonana ny fanirian’ny Ambasadaoro britanika ny hanendren’ny fanjakana malagasy ny Masoivohon’i Madagasikara eo anivon’ny England, Scotland, Wales and Northern Ireland na United Kingdom. Nifampiresahan’ny roa tonta ihany koa ny fahavononan’ny mpandraharaha britanika hiantsehatra eo amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny fanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta. Tamin’ny taona 2020, 152 tapitrisa ariary na 47.500 USD ny lanjan’ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’ny roa tonta.

Nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina fa vonona hatrany ny Fanjakana malagasy hiara-hiasa amin’ny Fanjakana britanika. Firenena mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara azo itokisana ny United Kingdom. Teo anilan’i Madagascar ny United Kingdom tamin’ny fiatrehana ny rivo-doza Batsirai. Mitentina 5 hetsy euros ny fanampiana azon’i Madagasikaea nahafahana nanome rano sy sakafo ho an’olona marefo niisa 50.000 manerana ny nosy.

Manampy betsaka an’i Madagasikara ihany koa ny United Kingdom amin’ny alalan’ny Fanampiana eo amin’ny maha-olona na « Aides humanitaires » samihafa. Tao, ohatra, ny fanampiana ara-bola ireo Malagasy any amin’ny faritra atsimo tratry ny hain-tany.

MADAGATE.ORG

Mis Ă  jour ( Mercredi, 14 AoĂ»t 2024 10:14 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024

 

« LA TRAVERSEE DES VALLEES MA.FA.NA », UN PROJET DE MA.FA.NA ANTANANARIVO POUR LES VALLEES MANAGNANO – FAROGNY - NAMOROGNA

 

ALAIN DELON. DECEDE CE 18 AOUT 2024 A L'AGE DE 88 ANS

 

ROMI VOOS ANDRIANARISOA. LA VERITE VRAIE ET OFFICIELLE SUR LE CAS DE CETTE FRANCO-MALGACHE

 

Toamasina, 26 juillet 2024. Journée mondiale contre le travail des enfants à Madagascar

 

Madagascar : Application des lois. Un jour viendra le Développement, si…, par Jeannot Ramambazafy

 

Madagascar. Justin Tokely, élu Président de l’Assemblée nationale