Mifarana izao ny taom-pianarana 2013-2014. Maro ireo mpianatra any Sina efa nahavita fianarana nefa tsy nahazo diplaoma noho ny tsy fandoavanany saram-pianarana, sady tsy manam-bola hodiana no tapitra « visa ».
Noho izany dia mitombo hatrany ny olana mianjady aminy ireo. Mila vola aminâio fitondra voafidim-bahoaka izy ireo satria Malagasy, zanaka Malagasy. (VIDEO IO AMBONY IO).
Â
Tsy maintsy mijoro ny mpianatra Malagasy na dia misedra olana aza...
Fitarainana avy aminâny mpianatra Malagasy aty Sina
Mitombo hatrany ny olana mianjady aminay mpianatra aty Sina: ny saram-pianarana efa roa taona tsy voaloha, ny hofan-trano, ny VISA, sy ny fasahiranana maro eo aminâny fianana andavanâandro, sns. Nohonâny tsy fahampiana ara-bola sy ny sakafo tsy ara-dalĂ na dia efa maro aminay mpianatra no efa marary tafiditra any aminâny hopitaly.
Nahavita fiarana ihany ny mpianatra Malagasy any Sina. Kanefa, tsy nomena diplaoma...
Efa ho tapitra aminy faranâity vola Jiona ity ihany koa ny taom-pianarana 2013-2014, ho tapitra ihany koa anefa ny VISA ny mpianatra rehetra.Ny Oniversite rehetra nilaza fa tsy hanaika hanome VISA intsony. Ireo Master efa nahavita fianarana dia tsy hahazo diploma sady tsy hahazo VISA intsony. Ny fotoana anefa mandeha ihany.
Fiarana avo lenta toa tsy hitondra ho aiza ho an'ny firenena ary mahamenatra tanteraka
Sahiran-tsaina mafy izahay mpianatra aty aminâizao fotoana izao, tsy hitanay intsony ny hatao. Koa dia mbola tsy mitsahatra ny manao antso avo aminâny Ray Aman-dreny mpitondra fanjakana Malagasy izahay mba hamaha ny olana mianjady aminay. Koa dia mangataka izahay mpianatra fa na dia tsy ho voaloha in-dray mandeha aza izany trosa rehetra tokony haloha aminâny Oniversite dia mba homena tsikelikely izany. Ianareo irery ihany no hazonay hitarainana tompoko.
Koa dia misaotra sahady tompoko aminâny fanampianareo anay aty.
Mpianatra Malagasy aty Sina, 18 Jona 2014