]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Chine : tena manampin-tsofina ity fitondrana malagasy vaovao ity !

Chine : tena manampin-tsofina ity fitondrana malagasy vaovao ity !

Tsikitsiky tsy ravina sisa ny an'ireto mpianatra voaraoka. Ho azy ary ?

VAOVAO MIVANTANA AVY ANY CHINE

Manankery hatrany ny fe-potoana 30 Jona 2014 nomen’ny talen’ny oniversite WUDA izay misy ireo mpianatra Malagasy miisa 18 tokony mahazo ny vatsim-pianarana avy amin’ny fanjakana malagasy

Efa ho roa volana mahery izay no nilazan’ny talen’ny oniversite WUDA Wuhan University ny fe-potoana farany tsy maintsy handoavana ny trosan’ireo mpianatra miisa 18 ireo nandritra izay roa taona izay. Saingy mbola tsy nahitana vahaolana mazava hatreto na dia efa namerimberina ny fitarainana any amin’ny haino aman-jery na aterineto na gazety aza ireo mpianatra ireo. Manontany tena sisa no azon’ireo mpianatra atao: inona marina ny tena tian’ny fanjakana Malagasy hatao amin’izy ireo? Ny ray amandrenin’izy ireo moa dia efa manao ny ainy tsy ho zavatra ihany koa any madagasikara, izany hoe miezaka mangataka fihaonana amin’ireo tomponandraikitra saingy ny mampalahelo dia tsy misy olona mihaino ihany koa izy ireo.

Ka noho izany ary dia efa misy ankizy sasan-tsasany voaroaka tamin’ny trano ao amin’ny oniversite ka tsy mahita toerana hipetrahana amin’izao fotoana izao. Araka izany dia tsy mitsahatra ny miantso vonjy amin’ireo tomponandraikitra mahefa izahay mpianatra miisa 18 ato amin’ny oniversite WUDA fa tena tsy manaiky intsony ny talen’ny oniversite ao WUDA ka miangavy anareo mpitondra sy ireo tomponandraikitra amin’ny ambaratonga samihafa mba hijery akaiky ny momban’ireo mpianatra ireo fa mijaly izy ireo sady tsy mahita toerana hipetrahana intsony fa mirenireny sady tsy mitombon-tsaina andro aman’alina mieritreritra ny ho avin’izy ireo.

Izahay mpianatra malagasy ao amin’ny Oniversite WUDA Chine

=====================================

Sady mahamenatra no mampahonena ny manjo ireo mpianatra malagasy tapaka vatsim-pianarana any Chine any, amin’izao fotoana izao. Efa ela ihany ry zareo no nanaitra fa tsy misy taitra ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Izany tokoa angamba ilay hoe « rupture ». Asa.

Na inona na inona anefa ny filĂ za, satria samy manava vava hiteny, dia tokony jerena izy ireo. Ny reny androany 30 Jona 2014 niditra tao amin’ny radio Free Fm 104.2, ary tena mampitomany mihitsy ny teniny hoe : «  lelafina re ny faladianareo mpitondra (Ny Filoha, ny Praiminisitra, ny ministry ny fanabeazam-pirenena) fa mba jereo ireo ankizy ireo »  Mahontsa tokoa.

Ny mety ho anareo mpamaky dia ny mihaino io vidéo ambony io.

Jeannot Ramambazafy – 30 Jona 2014

Mis Ă  jour ( Mercredi, 02 Juillet 2014 16:48 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...