]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Antananarivo. Randrianarisoa Gervais: namidiny 10.000 ar ny ho avin’ny « kely »…

Antananarivo. Randrianarisoa Gervais: namidiny 10.000 ar ny ho avin’ny « kely »…

Randrianarisoa Gervais (ankavia eo amin’ny sary ankavànana ambony), Filohan’izany Fikambanana « Malagasy mijoro » izany. Fikambanana vao nijoro tokoa… Nampizara vola 10.000 ariary izy, tao amin’ny FOYER LTA Ampefiloha, ny 11 Septambra 2014. Asa hahatonga aiza io vola io fa samia tsy misy mitaraina intsony ny any « ambany tanàna » any rehefa ravana ny tranonareo fa vitan’iny 10.000 ariary iny. Aleho Ingahy Gervais hiaro anareo foana mandrakizay… Fa dia tia kely tokoa ny « kely » e ! Asa koa raha mpampianatra FRAM koa ireo olona nangoniny ireo. Mino koa isika fa 10.000 ariary maro no azon'ingahy Gervais nanatontosana io "mission" io.

Jeannot Ramambazafy



Ry madinika e!

Dia nokaramaina 10.000 ariary indray ireo mponinan’Ambany Tanàna sasan-tsasany, hanohitra sy hanameloka ny hetsika nataon’ny FRAM. Marina tokoa fa ny zanaky ny madinika no lasibatra rahatoa ka tsy mampianatra ireto mpampianatra FRAM ireto fa ny fanontaniana mipetraka dia hoe: « tena nitondra tombotsoa ho an’ny zanaky ny madinika tokoa ve aloha ny fampianarana eny anivon’ireny sekoly ambaratonga voalohany ireny? ». Mpampianatra tsy ampy sakafo, boka trosan’ny « épicerie » sy ny mpivarotra, tsy afaka mitsabo tena, miady saina lava noho ny tsy fisiana, sns. Fampianarana inona no andrasana amina mpampianatra tahaka izany?

Saingy ny mampalahelo dia ny samy madinika ihany no asain’ny vaventy mifamango sy mifamely ary izay zavatra izay no tena anisan’ny olana goavana eto amin’ity firenena ity. Tambazana vola kely fotsiny dia lasa mandroba sy mandoro fananan’olona. Tsimpazana vary iray kapoaka sy fampisehoana tsy andoavam-bola dia mivarotra ny safidiny. Isika madinika mihitsy no tokony hifoha amin’ny torimasontsika fa ataon’ny vaventy sy manam-bola fitaovana hiarovana ny tombotsoany fotsiny e! Dia sanatria ve madinika hatramin’ny zanaka atidoha satria madinika ara-toekarena?

Isika madinika mihitsy no mampanan-karena ireo mpangoron-karena eto amin’ny firenena sady mampahantra ny mitovy saranga amin’ny tena. Ny voay ry madinika tsy mihinana ny namany a! Isika madinika no azo rebirebena amin’ny tapa-mofo sy tee-shirt ary vola roa arivo, hanapotika ny madinika. Koa aza be taraina rehefa trongisin’ny olona amin’ny bulldozer e! Tsy ho feno ihany ve ny tunnel Ambohijatovo sy Analakely, rehefa tsy lasa any Antanimora e!


Roc

Mis à jour ( Lundi, 15 Septembre 2014 09:27 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...