Mahamasina, 25 Janoary 2014. Vao naomboka dia "karatra mena" ("carton rouge") no nisy taoriany. Tsy fambĂ ra ratsy ve izany ?Ankoatr'ilay faka tahaka ny kabarin'ny filoha Nicolas Sarkozy. Sa mamorona indray ny mpanao gazety ?
Niniako tsy nasiako sary mihitsy ity lahatsoratra ity (ankoatra io ambony io) satria mila mamaky tsara ianao sy mifantoka tsara koa ny sainao. Misaotra mialoha.
MazĂ na ny olona be resaka dia sady tsy mahataka-davitra no tsy mahavita nâinona nâinona na eo aminâny fiainany manokana aza. Any sisa andanianâizy ireo ny androny andalovany eto an-tany dia ny mitsikera fahatany ary, indrisy, mamita-tena tanteraka ka maro ireo marivo salosana tarihiny ao anatina antsana makadiry mankany aminâny aizana tanteraka. Eto dia ny hoe tany tan-dalĂ na no tiako tsindrina mafy.
Na ny mpianatra eny aminâny EPP aza dia tokony mahalala fa ny dikanâizany tany tan-dalĂ na izany dia EO AMBANâNY LALANA DAHOLO NY OLOM-PIRENENA TSY AN-KANAVAKA. Ary manomboka aminâny mpitondra ka ny filoham-pirenena voafidy no tokony manome ohatra tsara indrindra. Izy koa moa tsy maintsy manao fianianana fa hanaja an-tsakany sy an-davany izany lalĂ na izany, ka ny Lalam-panorenana no voalohany.
Saingy indrisy : vao nanomboka ingahy kandida laharana faha telo, minisitry ny Vola tao aminâny tetezamita, nandritra ny dimy taona be izao, dia nanondrana toa ireo filoha nialoha azy ihany. Nandaniany telo volana be izao ny namolahany ny andininy faha-54 mikasika ny fanendrena ny Praiministra. Nanampy azy taminâizany ireo mpahay lalĂ na mivadika ondana, ka anisanâizany Ingahy Jean Eric Rakotoarisoa, izay, indrisy, mpampianatra momba io Lalam-panorenena io indrindra (« professeur de droit constitutionnel »). Ary dia mampalahelo tokoa ireo mpianany satria nianatra ary nampianariny ny fomba rehetra hanodidana io lalĂ na fototra io.
Misy fiteny hoe: ânul nâest censĂ© ignorer la loiâ. Izany hoe: tsy misy tokony tsy ahay, ahafantatra ny lalĂ na. Ary manana ny lalĂ nany daholo ny sehatra misy eo aminâny fiaraha-monina, raha tsy izany lasa fanjakanâi Baroa (âanarchieâ). Iza anefa no tena manitsaka io lalĂ na io ? Ny mpanao azy sy ireo tokony hampiatra azy ihany. Dia lasa ny saiko mankany aminâilay tonon-kira hoe: « Mais je n'peux pas, je n'sais pas, et je reste plantĂ© lĂ . Les lois ne font plus les hommes mais quelques hommes font la loi » (« La vie ne mâapprend rien », 1980, anâi Daniel Balavoine efa nodimandry). Raha fintinina dia tsy ny lalĂ na intsony no mandrindra ny fiainanâny zanakâolombelona fa olom-bitsy no manao sy mampiatra ny lalĂ nany.
Dia io no misy eto Madagasikara. Io ny toe-tsaina ratsy nolovainâity fitondrana Rajaonarimapianina ity sy ny antoko HVM. Satria voafidim-bahoaka, hono e ! Kanefa dia misy olona avara-pianarana be izao mamita-tena sy manabado olona maro tsy mahataka-davitra aminâny hoe : ovao io Lalam-panorenana io ! Maninona koa no tsy ovana ny Baiboly raha izany ? Tsy ny lalĂ na, tompoko, no ratsy na tsara fa maro loatra ny olom-pirenena no tsy manaraka sy tsy manaja azy, manomboka aminâireo mpitondra izay mihevi-tena fa ambony no ianao mpamaky io, na aminâinona na aminâinona.
Izany lalĂ na izany dia tsy natao ho azy ireo. Mila ohatra ve e ? Jereo ry zalahy eny aminâny arabe rehetra eny, ao anatina fiara 4X4 tsy ho takatry ny volanao io velively. Fa firy koa moa ireo mpamily taxibe no tsy manaraka ny fitsipiky ny fifamoizana (âcode la routeâ), tazaninâireo tokony hampiatra lalĂ na fotsiny izao (polisy, zandry) ? Fa inona marina no fiheveran-dry zareo maha ratsy io Lalampanorenana io ? Tsotra: tsy mifanaraka aminâny tombontsoanâny mpanao politika tohanany, sitrany ahay mahazo ampahanâio fahefana mandalo io.
Dia andininy sasantsasany ihany no kianina fa tsy mijery ny ankapobeny, ary indrindra indrindra ny fanovana ny tsy nety ho anâny fitondrana ny firenena ankapobeny, raha oharina aminâireo Lalampanorenana telo nisy teo aloha. Tsy nanakana ny vahoaka nandroaka ireo mpitondra rehetra voafidy -tsy ankanavaka- teo alohanâi Hery Rajaonarimampianina anefa ny fanamboarany sy ny fanitsakitahiny io lalĂ na fototra io, na dia navaozina foana aza.
Ireto misy ohatra vitsy vitsy tokony fantatrao mpamaky io. Nisy fotoana dia ny Antenimieram-pirenena no mifidy izay ho Praiminisitra. Rehefa tsy nifankahazo imasombahoaka ny filoha Zafy Albert sy ny Praiminisitra Francsique Ravony (efa niala ihany koa tamina vondrona solombavambahoaka vitsy dia vitsy noho ny resa-bola) dia novany ny Lalam-panorenana taminy alĂ lanâny referendum (fitsapahan-kevim-bahoaka). Lany moa ny âenyâ ary nanomboka teo dia ny filoham-pirenena no nanendry izay ho Praiminisitra.
Nety taminâny filoha Marc Ravalomanana moa ilay izy ka dia navelany io fomba io ary dia nanendry izay olona tiany tokoa izy. Ao anatinâny lalam-panorenanâny Repoblika faha IV anefa dia mazava ny andininy faha-54 : ny antoko na vondronaâantoko manana depiote maro anâisa ao aminâny Antenimierampirenena taorianâny fifidianana no manolotra ny anarananâizay tokony ho Praiminisitra, ary ny filoham-pirenena voafidy no manendry fotsiny ihany. Anao no mandinika ny zava-nitranga rehetra fa mila mba mianatra mamakafaka koa ianao mpamaky io. Tsy vitanao ? Izao ary : naneho izay fomba fijeriny io andininy faha-54 io daholo ireo izay miseho ho spesialista. Fa namoaka ny heviny ny HCC (Fitsarana Avo mombanâny Lalampanorenena) notarihinâi Jean Michel Randrianarivony, ka io voalazako io ambony io no izy ary tsy maintsy harahina.
Fâinona moa no nataonâingahy filoha voafidim-bahoaka? Nosoloiny ny mpikambana telo ao aminâio HCC io (izay zonâny tanteraka) ary niafara taminâny fanilihina anâi Jean Michel Rajaonarivony. Ary sahiny avy eo no nilaza fa efa tapitra ny fe-potoana niasanâio HCC io. Kanefa anie, raha mikasika izany dia mazava ihany koa ny andininy faha-166 ao anatinâio Lalampanorenenanâny Repoblika faha-IV io e !
Mandrapahatafapetrâireo andrim-panjakana rehetranâny Repoblika faha-IV, dia ireo andrim-panjakana voatondro tao anatinâny Tetezamita no manohy ny asany: HCC, CT, CST. Ary mbola tsy tafatsangana ny Antenimieran-doholona (âSĂ©natâ) aminâizao volana Janoary 2015 izao.
Inona moa no nahatonga anâingahy Jean Eric Rakotoarisoa âvoafidyâ Filohanâny HCC tao afara tao? Satria dia nampiasainy mihitsy ny talentany ka ilay hevitra natolotry ny HCC Rajaonarivony dia nolaviny ka nosoloiny tamina resaka âmajoritĂ© relativeâ. Izany resaka âmajoritĂ©â izany anefa resaka isa matematika ankapobeny fa tsy hoe izany âmajoritĂ© relativeâ izany na koa âmajoritĂ© absolueâ. Dia io koa fa teraka ny PMP (Vondrona maro anâisa manohana ny filoha, raha adika tsotsotra) ka tsy voaaja ihany koa ny andininy faha-72 mikasika ny hoe âmandat impĂ©ratifâ. Izao no voalazanâio andiny io : « Durant son mandat, le dĂ©putĂ© ne peut, sous peine de dĂ©chĂ©ance, changer de groupe politique pour adhĂ©rer Ă un nouveau groupe, autre que celui au nom duquel il s'est fait Ă©lire ». Ataoko fa tsy mila adika io. Tsy mazava aminao ? Dia zatra hatolotra foana ve ry Malagasy havana a ? Mandritra ny fotoam-piasany, ny depiote dia tsy mahazo miova antoko na vondronâantoko nahavoafidy azy, raha tsy izany dia azo roahina.
Fa e e e ! Tadidio ny nanjo anâi Ramatoa Christine Razanamahasoa. Ny mpifaninana taminy izay resy ara-pomba demokratika indray no lasa « lany » 100% (tsy nisy mpifanandrina) taminâny anaranâio PMP io. Kanefa anie Ingahy Jean Max Rakotomamonjy dia depiote voafidy taminâny anaranâny Leader Fanilo tao Andapa e ! Fa lasa ara-dalĂ na tampoka teo. Isaorana izany i Jean Eric Rakotoarisoa e ! Taminâizany fotoana izany, vao taminâiny taona 2014 lasa iny, dia tsy nisy niteny fa tehaka aza no nitsenaina izany tsy fanarahan-dalĂ na izany.
Raha mikasika ilay « Haute Cour de Justice » (HCJ - Fitsarana Avo natao hitsara ireo mpitondra mandika ny Lalampanorenana : filoham-pirenena, filohana andrim-panjakana) dia ity no tokony ho fantatrao mpamaky io : efa tao anatinâny Lalam-panorenana taminâny taona 1992 anie izy io e ! Izany hoe 23 taona lasa izay. Ary ny andininy-126 no nisy azy. Fa lasa haingo fotsiny satria tsy nety natsanganâizay mpitondra rehetra nifandimby, nanomboka taminâi Zafy ka hatraminâi Ravalomanana, nandalo anâi Ratsiraka faharoa. Fa aminâny Lalam-panorenanâny Repoblika faha-IV ity kosa dia terenâny andininy faha-167 ilay filoha voafidy hametraka azy io, ao anatinâny 12 volana aorianâny nanaovany fianianana. Dia nifaly avanja tokoa Ingahy ministry ny Vola teo aloha, ny 09 Janoary teo, tao Iaovoloha satria hoe : voahajany, hono, ny fampanantenany nametraka ny lalĂ na mikasika io HCJ io alohanâny iray taona taorianâny fianianany. Hoy izy, taminâny teny frantsay : « Le texte de la mise en place de la HCJ que jâai promis de mettre en place avant le premier anniversaire de mon investiture sera bel et bien fait ». Fa raha mamaky io lalĂ na io ianao dia ho sarotra na azo atao mihitsy hoe tsy azo kitihina mandrakizay ireo olona ambony rehetra ireo. Ohatra : raha hitory azy ianao, aiza no hahitanao benâny tanĂ na miisa 500 anao sonia ny fitarainanao e ? ATO ny fanazavanâi Sahondra Rabenarivo aminâny teny frantsay.
Ny antonâity lahatsoratra ity izany dia tsotra, ary averiko : tsy ny lalĂ na no ratsy na tsara fa ny mpitondra no mianihy mandika azy ho anâny tombontsoany manokana, hifikirany mafy nâio sezany io. Ka aza manofy fa na ao anatina 50 taona aza dia tsy handroso ity tanindrazana malala iombonan-tsika ity raha mbola io fomba tohizinâi Hery Rajaonarimampianina io no manjaka. Nianatra lalĂ na ihany koa aho ary izao no mijanona ao an-tsaiko : DURA LE SED LEX. Teny latina io ary midika hoe âla loi est dure mais câest la loiâ. Izany hoe : mafy tokoa ny lalĂ na fa tsy maintsy hajainâny rehetra tsy an-kanavaka tanteraka, ary an-tsakany sy an-dĂ vana fa tsy asiana « interprĂ©tation » tsy mitombona.
Raha mbola i Jean Eric Rakotoarisoa foana no filohanâny HCC dia lasa ara-dalĂ na hatrany ny tsy ara-dalĂ na rehetra iarovana ny sezanâio filoha Hery tonta (hoy i Roland Ratsiraka) io. Misy fetrany daholo anefa ny eto an-tany ka asa raha ho tantin-dry zalahy ny atezeram-bahoaka atsy ho atsy.
Koa ho ianareo miseho avara-pianarana ireo: mifohaza fa aza mamita-bahoaka noho ny tombontsoa manokana toa ny fanomezana âstrapontinâ ao anatinâity fahefana mandalo fotsiny ihany ity. Marihiko fa ny ankamaroanâireo rehetra voalaza ireo dia ao anatinâilay bokiko : âHery Rajaonarimampianina: les 100 jours dâun homme de pouvoirsâ, izay tohizina hatonta any ivelany⊠Satria tsy mitsahatra mitady fomba hisamborana ahy ireo manodidina ny filoha Rajaonarimampianina ireo. Aza misalasala ary. "Atteinte Ă l'insĂ©curitĂ© de l'Etat" hatao antony, fa izaho aloha dia Charlie mandrakizay. Fâiza aloha no tokony hatahotra e ?
Jeannot Ramambazafy â 11 Janoary 2015