]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara fanaovan-gazety. Nodimandry i Moks Razafindramiandra

Madagasikara fanaovan-gazety. Nodimandry i Moks Razafindramiandra

Antananarivo, 29 Mey 2015. Tampoka ilay vaovao. Tampoka toa ny fiavian’ny fahafatesana… Nodimandry ny zokibe ray aman-dreny mpanao gazety Moks Razafindramiandra, aninkeo maraina, rehefa niala aina nandritra ny alinan'ny 28 Mey. Ireto ny momba momba azy.

Teraka ny 18 septembra 1942 tao Ambohimanga-Rova i Moks Nasoloarisoa Rafindramiandra

Zanak'i Dokotera Razafindramiandra J. sy Ramatoa Razanabelo G.

Nianatra tamina sekoly isan-karazany eran'i Madagasikara noho ny asan-drainy

Kiadin' Madagasikara

Fikambanana « Tanora Maitsovolo »

Nianatra sy nampianatra ny « Esperanto »

Nanoratra tao amin'ny gazety ADY FARANY

Niala teto Madagasikara tamin'ny taona 1962


Tany ivelany

Nahazo vatsim-pianarana ho any Alemaina ary tany izy no nandalina ny asa fanaovan-gazety:

  • An-tsoratra tao amin'ny INTER NATIONES
  • Am-bava tao amin'ny Voix de l'Allemagne / Transcription Service ary nandefa fandaharam-potoana ho an'ny Radio Madagasikara
  • An-tsary: tao amin'ny Televiziona Alemanina Faharoa (ZDF)

Nisolo tena gazety malagasy maromaro tany Alemanina sy Eropa toa : Courrier de Madagascar, Madagascar-Matin, Vaovao, Feon'I Madagasikara, Lakroan'i Madagasikara, Fandrosoana, sns...

Mpikambana-Jury tao amin'ny Festival International de Films agricoles de Berlin

Conférencier agree par la CEE et le Ministère Fédéral de Coopération Economique tao amin'ny EBAG (Bonn)

Président-Fondateur de la Communauté Protestante de langue française de Bonn

Isan'ny nanangana ny Fiangonana kristianina Malagasy tao Alemanina – Mpitoriteny


Teto Madagasikara

  • Sekretera Jeneralin'ny Ministeran'ny Kolotsaina
  • Directeur du Cabinet OSIRIS, organisateur de FIMAG 94
  • PrĂ©sident du Conseil Communal de Talata-Volonondry
  • Consultant du projet PDFIV d'Ambatolampy
  • Mpanao Gazety ao amin'ny La Gazette de la Grande Ă®le izy nodimandry izao
  • Filohan'ny Firaisamben'ny Zokiolona eto Madagasikara (FI.ZO.MA.)
  • Mpanolotsaina ao amin'ny Ministeran'ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy

3 Mey 2010. Ankavia miankavanana : Rahajarizafy Rémi, Razafindramiandra Moks, Rakotomaharo, Abraham Paul +, Rakotondrasoava Georges +

 

Marim-boninahitra

Grand Officier de l'Ordre National Malagasy

Boky betsaka no nosoratany moba ny tantaran'i Madagasikara fa mbola miandry "éditeurs" vonona hanonta pirinty izany izy talohan'izao nahafatesany izao.

Ohatra: Reichtum und Probleme der madagassischen Literatur: Einfuhrung in die literarischen Gattungen Madagaskars” na koa “Angano Malagasy nofohazina” (1994)

Moks tao anaty fiarabe nitondra anay teny amin'ny Batou Beach, ny 3 Mey 2011, niaraka tamin'ny mpanao gazety zandry

I Moks Razafindramiandra dia Filohan'ny CJD (Club des Journalistes doyens na Fikambanan'ny Mpanao Gazety Zokiolona) nandritra ny taona maro. Ary taty aoriana, raha noraisin'Itompokolahy Rakotondrasoava Georges indray ny maha-Filohan'ny CJD azy dia  lasa Filoham-boninahitry ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety Zokiolona io izy.

Moks sy Gisèle Rakotoarivony

Ny fandevenana an’ny namana Moks dia araka ny voalazan'ny ferapara est ambony.

Moks sy Elisé Ranarivelo

Ny fitsapàna alahelo hataon’ireo mpikambana ao amin’ny CDJ kosa, dia hotontosaina ny Asabotsy 30 Mey 2015, amin’ny telo ora tolakandro (15h). Eny Ankadindratombo, terminus taxibe 192, akaikin’ny “Lavage Auto”, eo ampitan'ny Castel Madrid, làlana mankany Ambohimanambola.


Isaorana ny namana mpanao gazety Samy Ramarokoto nampita ireo rehetra momban'i Moks ireo. Izahay ato aminy madagate.com dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviana manontolon’i Moks Razafindramiandra.

Jeannot Ramambazafy – 29 Mey 2015

Mis Ă  jour ( Samedi, 30 Mai 2015 08:50 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30