]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara an’ny Malagasy. Dia gadrao daholo koa ny vahoaka iray manontolo

Madagasikara an’ny Malagasy. Dia gadrao daholo koa ny vahoaka iray manontolo

O ry zareo a ! Izany henatra sy fahafaham-baraka izany aloha dia tsy misy dikany amin’ireo mpiasa-tsika nampindramina fahefana ireo. Lanilany fahatany fotsiny ny volam-bahoaka ary tsy azo soloina intsony. Atsy amin’ny « Canal de Mozambique » anefa manana harem-be tsy toko tsy foroina isika Malagasy, fa dia avela anjakazakan’ny vazaha fotsiny ihany. Fa dia tena dondrona mihitsy ve isika vahoala malagasy e ? Misy fetrany anie ny eto an-tany e !


Rehefa nandainga ary nangina nandritra ny roa taona ary ingahy Hery Rajaonarimampianina, dia nomen’ny governemanta frantsay ho trandrahana orinasa nizeriana sy amerikana ny nosy Juan de Nova izay antsika tena antsika efa fahagolan-tany. Ny dikany dia tsy antsika intsony izany ireo nosy ireo satria na iraimbilanja aza tsy ho hitan’ny vahoaka malagasy amin’izany fitrandrahana izany. Na solika na entona na vatosoa izany.


Nijoro ary ny olom-pirenena tsy ankanavaka -izany hoe tsy sarahina antoko politika- satria efa sangy mihoatra ny loha ity fahanginan’ireto mpiasa-tsika ambony ireto. Tokony mbola maro no ireo no niseho fa ao ihany ilay toe-tsaina tia tena sy tia kely, miampy tahotra. Fa iza aloha no tsy ho faty e ? Tsy aleho maty niady ho an’ny taranaka maba hananan’izy ireo ho avy tsaratsara kokoa to aizay mitsipozipozy lava nefa ho faty ihany ka lova ratsy no havela eto an-tany ? Asa…


Androany ary, tao amin’ny hotely « Life », tetsy Andavamamba dia tonga tokoa ny olompirenena nanotrona an’ny Profesora James Ratsima. Ireo izy ireo. Ary ho teneniko mafy raha mihevitra hitady toerana fotsiny fa dia mampilaza aho dieny izao... Ka dia sambory indray, lazao fa misy ambadika politika indray, fa efa « spécialité »-nareo moa ireo. Ka eny: misy politika ao ambadika dia ny politikan'ny fahafahana mba hanana fiainana tsaratsara kokoa fa tsy tompony mangataka atiny lava izao satria mpitondra tsy mahefa ny adidiny ary manimbazimba mihitsy ny Tanindrazana iray manontolo. Rahoviana vao hahatsiaro tena ry vahoaka malagasy fa izany Fanjakana izany mira Mpanjaka mira fanjanahana ary mira fanjakazana (Eto mihaino sy mijery). Manomboka izao dia tokony hitady voam-bolana hafa mihitsy ny Akademia Malagasy ny amin'ny fomba ilazana ireo mpitondra mifandimby ireo. Fa izao aloha: mbola tsy ampy an-dry zareo ve izao hanaovan’ny Rosiana an’ingahy filoha Hery Vaovao (TSINDRIO ETO) ? F’inona no nakaramaiko anao ary e ?


Io Filoha voafidy io anie ry ireto tsy mila aongana izany fa hiongana ho azy eo ampitoerana e! Ary izany fanovana izany dia manomboka amin’ny fanovana ny famindra sy fihetsika. Ka dia io ary ny fanambarana efa tamin’ny 26 Oktobra 2015.

Ka samia mieritritra tsara fa tsy eto an-toerana intsony ny tolona hamerenana ny Nosin-tsika f’efa maneran-tany ary maro ireo vazaha no manotrona. Mamerina aho fa hafa ny mpitondra vazaha ary hafa ny vahoaka vazaha. Tsy voatery ireo farany mankatoa ny politika ivelany ataon’ny mpitondrany. Hivereno ny mikasika ny Rosia.

Ndao ary fa Madagasikara dia an’ny Malagasy fa tsy ho an’ny Malagasy. Isika no miaina eto, isika no mijaly eto ary isika no hilevina eto ka tsy hiy vazaha mpanome volabe hanatrika izany fandevean-tsika izany. Asa raha mahahiratra ny masom-panahinareo ity lahatsoratra ity na izaho no tena lasa adala tokoa..

Jeannot Ramambazafy- 2 Novambra 2015

Sary : Haja Randria

Mis à jour ( Lundi, 02 Novembre 2015 19:26 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30