Nidina teo am-pivoan'ny kianja ny mpijery alohan'ny nivoahany am-pilaminana
Fianakaviana teratany Malagasy, mizaka ny zom-pirenena makagasy, no nanatrika ny ady baolina kitra firahalahiana nihaonanâny ekipanâny Allemagne sy France. Nisy taminâizy ireo avy aty Madagasikara ary mandalo fotsiny ihany mitsidika ny havany. Nifanoratra izahay ka mba niangaviako hitantara ny zavatra niainany, reny sy hitany taminâio zoma 13 Novambra 2015 tao aminy Stade de France.
Tsy ho lazaiko eto ny anaranâireo Malagasy ireo fa izao no nitantarainy:
Ny Filoha François Hollande tao amin'ny tribune d'honneur
« Taminâny 8 ora sy fahefany alina teo izahay no tonga tao aminâny Stade de France. Taty aminy tribune inter sud no nisy anay rehetra, varavarana Y. Afaka 15 minitra teo ho eo, taorianâny nanombohanâny lalao France-Allemagne dia nisy fipoahana mafy re, saingy mbola tsy nisy taitra na izahay na ny mpijery rehetra. Tato koa moa tsy nisy nifandrenesana ny hiakâireo supporters. Rehefa nisy kosa ilay fipoahana fanindroany, niampy ny fisiana hĂ©licoptĂšre nivezivezy teo ambonâny Stade de France, vao nanomboka nanontany tena ny daholobe. Nino izahay fa io angindim-by io no naka ny Filoha frantsay, François Hollande izay nanatrika ny lalao.
« Telo polo minitra alohanâny hifarananâny lalao no nahazo antso izahay momba ny zava-niseho tao ivelanâny Stade de France. Teo izahay vao nijery ny vaovao farany haingana taminâny alalĂ nâny finday. Ny manodidina anay rehetra ihany koa nanomboka nahazo antso sy niresaka ny vaovao ka nanomboka niala taminâny toerany moramora ny mpijery, indrindra ireo nitondra zaza. Minitra fohy tsy hiravanâny lalao no nandeha namonjy ny fivohana izahay. Filaharam-be no nisy fa nahay nifandamina ny olona ka tsy nisy ny fifanosehana na tao aza ny fikoropahana.
« Raha niandry ny hifarananâny lalao izahay dia mety nitombo kokoa ny fitaintainana satria tonga teo am-pivoahana izahay no nanomboka nametraka ny dispositif dâĂ©vacuation ry zareo.  Ny mpijery tao anatiny moa dia nirohotra teny afovoanâny kianja aloha. Rehefa tafavoaka taty ivelany tanteraka izahay vao afaka nijery taminâny vaovao ny zava-niseho rehetra teto Paris, ary nampalahelo tokoa. Tsy nisy tafatombina daholo ny olona satria sarotra ny fandraisanâny lamasinina (train) teo Saint Denis, ary samy efa te hody mafy avokoa ny rehetra, ka voatery tonga nandamina ny mpitandro filaminana mba tsy hisianâny fifanosehana satria saro-pady be ny teny aminâny manodidina.
« Olona tsy manan-tsiny no maty (manodidina ny 120 hatreto ary betsaka ihany ny naratra). Hita tamin'ny tarehin'ny rehetra ny alahelo miaro fahatezerana satria mbola ao anatinâny sainâny maro ihany koa ny zavatra niseho taminy fiandohanâny taona 2015 (Fanafihana ny Charlie Hebdo taminâny 7 Janoary). Aminay manokana aloha, dia firaisankina sy fihombonana tanteraka no ilaina aminâizao fotoana izao. Miombona alahelo tanteraka aminâireo namoy olona akaiky na olom-pantatra ary mankahery ny fianakaviany rehetra. Rehefa tojo zavatra toa izao dia tsy misy intsony ny hoe Malagasy, Afrikana, Vazaha, Sinoa, Karana, sns. Olombelona nofo sy rĂ daholo no tafaraka amina toerana iray ary mifanontany tena hoe: miaratsy ny fiainana eto an-tany satria tsy hisy toerana tsy atahorana tranga toa izao intsony n'aiza n'aiza ».
Noraisinâi Jeannot Ramambazafy taminâny alĂ lanâny e-mail
14 Novambra 2015
++++++++++++++++++
VAOVAO FARANY MAMPALEHELO
Â
VĂ©ronique Geoffroy de Bourgies, maty tamin'ireny loaza nitranga tao Parisy, ny zoma 13 Novambra 2015 ireny. Anisanâireo vazaha frantsay nanampy anâi Madagasikara. MandriĂ am-piadanana ry NamĂ na sakaizanâny ankizy malagasy.
Â
TSINDRIO ETO RAHA HIJERY NY ASA VITAN'I VERONIQUE TETO AMIN'ITY TANY FANDALOVANA ITY