Tamin'ny fihaonambe 2014 dia nanambara i Yeonmi Park (nitsoaka avy tany Korea avaratra) fa: "ny zaza teraka any Korea avaratra dia teraka ho gadra mandritra ny fiainany eto an-tany"
Â
Â
Eto Madagasikara moa dia variana amina zavatra hafa mihitsy any ka tsy mahalala ny fandrosoana misy eran-tany, indrindra fa avy aminâireo tanora sahy mandray andraikitra, fa tsy variana aminâny fitiavan-tena sy fitiavan-kely mampihemotra lava. Ny fahantranâny saina no mahatonga ny fahantrana ara-bola. Tsy azo ivalozana izany.
Kate Robertson sy David Jones
Ny 18 ka hatraminâny 21 Novambra 2015 ary dia nisy fihaonambe goavana tany Bangkok any ThaĂŻlande. Io fihaonambe io dia nokarakarainâny fikambanana tsy miankina anglisy « One Young World » izay niforonin-dry David Jones sy Kate Robertson, taminâny taona 2009.
Natokana ho anâireo tanora eo anelanelanâny 18 sy 30 taona maneran-tany. Goavana ny hevitra resahina aminâizany satria misahana ny Fanabeazana, ny Tontolo iainana, ny Asa ankapobeny, ny Zonâolombelona, ny Fahaiza-mitondra sy ny Governemanta ary ny Filaminana sy ny Fandriampahalemana. Efa taminâny taona 2010 no nisy ity fihaonam-be ity. Taminâity taona 2015 ity dia niisa 120 ny firenena nandray anjara ka anisanâizany i Madagasikara.
Â
"Rehefa tsy mety mitondra (izany hoe tsy mahay mitondra) ny mpitondra dia adidin-tsika tanora ny mitondra". Tsarovy tokoa fa mpiasam-bahoaka ireo mpitondra ireo fa tsy mpanjaka na andriamanitra latsaka an-tany ka tsy tokony tompoina. Ianao mamaky no anisan'ny mandoa ny karaman'izy ireo, na mivantana na tsia
Ramatoakely Hasina Suzah Ratovonirina (eo amin'ny sary eo ambany) no nisolotena ny firenena malagasy ary mikasika ny tontolo iainana ny anjara fitenenany. Avy hatrany izy dia nivantana tany aminy Filoha Hery Rajaonarimampianina i Hasina fa koa tany aminâireo mpitondra maneran-tany. Teny anglisy ny nanaovany izany fa ity manaraka ity ny dikan-teninâilay kabariny:
« Andriamatoa Filoha,
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Izaho izay mandray fitenenana no Hasina Suzah RATOVONIRINA, misolontena ireo tanora Malagasy rehetra mpiray tanindrazana amiko. Manao izao kabary izao aho ho anâireo mpitondra rehetra eto aminâny fireneko, dia i Madagasikara, ho anâny filoham-pirenena Malagasy Andriamatoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA, fa indindra ihany koa ho anâireo mpitondra fanjakana rehetra maneran-tany.
Madagasikara no firenena fahatelo eo amin'izao tontolo izao iharanâny voka-dratsinâny loza voajanahary be indrindra araka ny valim-pikarohana nataonâny âCommune Initiative de Plaidoyer Ă Madagascarâ.
Â
Noho ny fiovaovanâny toetrâandro dia nihena hatraminâny antsasany ny rotsakâorana, nanomboka hatrany aminâny 1530.4 mm taminâny taona 1960 kahatraminâny 767 mm taminâny taona 2000. Anisanâny voka-dratsy naterakâizany ny fahasarotanâny fitantanana ny rano sy ny fikorontananâny taom-pambolena. Tato anatinâny roa taona farany, ohatra, dia nihamafy sy nihamatetika ny fitranganâny rivo-doza, izay niteraka tondra-drano lehibe teto andrenivohitra, ny any aminâny faritra atsimonâny nosy kosa anefa dia nihamafy ny hain-tany sy mosary.
Izany toe-javatra izany dia nanamafy ny fahantrana sy ny mahamarefo ny mponina mihoatra ny 20 tapitrisa, izay mahatratra hatrany aminâny 92% ny mponina eto Madagasikara. Isanâny nanimba sy nanaratsy ny ezaka teo aminâny fampandrosoana ara-toekarena ireo loza voajanahary ireo.
Na eo aza izany, dia tsapa fa tsy mbola laharam-pahamehanâny governemanta ny fandinihana ny fiovaovanâny toetrâandro.
Andriamatoa Filoha,
Vao maika mahamafy hatrany ny fahantranâny vahoaka Malagasy ny fitombonâny loza voajanahary. Izany no antony tsy maintsy hiarovantsika ny ala voajanahary eto Madagasikara.Tena ilaina izy ireo hiarovantsika ny tontolo iainana, hiantohana ny fisianâny rano, hiatrehana ny fiovaovanâny toetrâandro ary hiantohana ny fahazoana rano fisotro madio ary herinâaratra.
Tena resy lahatra aho fa ny fanentanana ny tanora aminâny fiarovana maharitra ny tontolo iainanana sy ny fampiasana ny angovo azo havaozina dia hanampy betsaka tokoa aminâny fiadiana aminâny fiovaovanâny toetrâandro.
Andriamatoa Filoha, aminânymaha-mpisolotena ahy ny tanora Malagasy rehetra, dia te-hisintona ny fijerinareo mpitondra aho, aminâireto teboka vitsivitsy ireto ary mba handray azy ireo ho laharam-pahamehanâny governemanta Malagasy:
- Ampidirina ao anatinâny fandaharam-pampianarana ambaratonga fototra ny fampianarana sy ny fanentanana mikasika ny tontolo iainana sy ny tombotsoa azo avy aminâizany.
- Ampidiran anatinâny laharam-pahamehana ao aminâny politikam-panjakana ny fambolen-kazo ary voizina mafy sy matetika.
- Apetraka ny paikâady ho aminânyfampiasana ny angovo azo havaozina aminâny andavanâandro fa tsy mifantoka amin'ny fitrandrahana ny solika mety lany hatrany, izay isanâny mahatonga ny fiovaovanâny toetr'andro sy fahapotehanâny tontolo iainana.
Andriamatoa Filoha,
ho antsika tanora olom-pirenena vanona,
Ny fandraisantsika andraikitra ankehitriny no hiantoka ny hatsara sy faharetanâny fiainantsika aminâny hoavy ».
Jeannot Ramambazafy â 24 Novambra 2015
Â
Â